Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 6, 11-24)

Ry Jedeôna, ndeha afaho i Israely: ho fantatrao fa homba anao Aho.

Tamin’izany andro izany, dia tonga ny Anjelin’ny Tompo
ka nipetraka teo ambanin’ny terebinta tao Efrà, izay an’i Jôasy, fianakavian’i Abiesera.
Nively vary teo amin’ny fitoerana famiazam-boaloboka i Jedeôna zanany tamin’izay,
mba hapetrany amin’izay tsy hahitan’ny Madiàna azy.
Niseho taminy ny Anjelin’ny Tompo ka nanao taminy hoe:

“Momba anao ny Tompo, ry lehilahy mahery.”

Fa hoy i Jedeôna taminy:

“Indrisy, Tompoko, raha momba anay ny Tompo,
ahoana no dia ianjeran’izao zavatra rehetra izao aminay?
Ary aiza ny fahagagany rehetra izay tantarain’ny razanay aminay ataony hoe:
‘Moa tsy nitondra anay niakatra avy tany Ejipta va ny Tompo?’
Fa efa nafoin’ny Tompo mihitsy izahay ankehitriny;
ary efa natolony eo an-tanan’ny Madiàna.”

Dia nitodika azy ny Tompo ka nanao hoe:

“Mandehana amin’izao hery anananao izao,
ka afaho amin’ny tanan’i Madiàna i Israely;
tsy efa nirahiko va ianao?”

Ary hoy i Jedeôna taminy:

“Indrisy, ry Tompo ô!
Amin’ny inona no hanafahako an’i Israely?
Indro ny fianakaviako fa faraidiny indrindra amin’i Manase,
ary izaho no kely indrindra amin’ny ankohonan’i dada.”

Fa ny Tompo nanao taminy hoe:

“Homba anao Aho,
ka horesenao toy ny olona iray monja i Madiàna.”

Hoy i Jedeôna taminy:

“Raha nahita fitia teo imasonao aho,
mba omeo famantarana fa Ianao no miteny amiko.
Aza dia miala eto Ianao mandra-piveriko eto aminao,
mitondra ny fanatitro sy mandroso azy eo anoloanao.”

Dia hoy ny Tompo:

“Hiandry mandra-piverinao Aho.”

Nony niditra i Jedeôna,
dia namboatra zanak’osy ary nanao mofo tsy misy lalivay tamin’ny lafarina iray efah,
ka rahefa nataony tao anaty harona ny hena,
ary tao anaty vilany ny ro dia nentiny tamin’izay teo ambanin’ny terebinta ka natolony.
Hoy ny Anjelin’ny Tompo taminy:

“Alao ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
apetraho eo ambonin’itý vatolampy itý, sy rotsahy ny ro.”

Dia nataony izany.
Ary naroson’ny Anjelin’ny Tompo ny lohan’ny tehina teny an-tanany,
ka natendriny ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay,
dia nisy afo nivoaka niaraka tamin’izay tamin’ny vatolampy,
nandevona ny hena sy ny mofo tsy misy lalivay;
ary nanjavona tsy hitan’ny masony ny Anjelin’ny Tompo.
Dia fantatr’i Jedeôna fa Anjelin’ny Tompo iny ka hoy i Jedeôna:

“Maty aho, ry Tompo Andriamanitra ô,
fa nahita nifanatri-tava tamin’ny Anjelin’ny Tompo.”

Hoy ny Tompo taminy:

“Tomoera amim-piadanana,
aza matahotra, fa tsy ho faty ianao.”

Nanorina ôtely teo i Jedeôna ho an’ny Tompo ka nantsoina hoe:
Tompo-Fiadanana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 84, 9. 11-12. 13-14

Miteny fiadanana ho an’ny olony ny Tompo.

Mba tiako tokoa ny handre Azy Tompo
mirary fiadanana ho an’ireo tiany,
mirary fiadanana,
ho an’ireo olo-miandrandra ny tavany.

Indro mihaona tokoa ny indrafo sy ny fahamarinana.
Ny rariny ombam-piadanana hatrany,
ny hitsiny hita mitsiry amy tany;
mitsinjo avy eny amy rahon’ny lanitra kosa ny rariny.

Handrotsaka orana anie ny Tompo,
izay hampamokatra tsara ny tany;
fa lalan-kizoran’ny Tompo
ny rariny ombam-piadanana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo, Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 23-30)

Moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Lazaiko marina aminareo
fa sarotra ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
moramora kokoa ny hidiran’ny rameva amin’ny vodifanjaitra
noho ny hidiran’ny mpanan-karena amin’ny fanjakan’ny lanitra.”

Gaga dia gaga ny mpianany nandre izany teny izany,
ka nanao hoe:

“Koa iza ihany àry no mety ho voavonjy?”

Nijery azy ireo i Jesoa ka nanao hoe:

“Tsy hain’olombelona izany,
fa vitan’Andriamanitra ny zavatra rehetra.”

Namaly i Piera ka nanao taminy hoe:

“Indro izahay efa nahafoy ny zavatra rehetra, ary nanaraka Anao,
ka inona àry no ho azonay?”

Hoy i Jesoa taminy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha mby amin’ny andro fanavaozana,
ny Zanak’Olona dia hipetraka eo amin’ny fiketrahan’ny fiandrianany;
ary ianareo izay nanaraka Ahy koa hipetraka amin’ny fiketrahana roa ambin’ny folo,
ka hitsara ny foko roa ambin’ny folo amin’i Israely.
Ary izay rehetra handao ny tranony,
na ny rahalahiny, na ny anabaviny, na ny rainy, na ny reniny, na ny vadiny, na ny zanany, na ny taniny,
noho ny Anarako,
dia sady hahazo zato heny no handova ny fiainana mandrakizay.
Nefa maro izay voalohany no ho farany,
ary maro koa izay farany no ho voalohany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’ny Mpitsara (Mpits. 2, 11-19)

Nanangana mpitsara ny Tompo, kanefa tsy nohenoiny izy ireo.

Tamin’izany andro izany,
nanao ratsy teo imason’ny Tompo ny zanak’i Israely,
fa nanompo an’ireo Baala.
Nafoiny ny Tompo Andriamanitry ny razany,
izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta;
fa andriamani-kafa,
tamin’ireo andriamanitry ny firenena manodidina azy no narahiny,
sy niankohofany teo anatrehany,
ka nampahatezitra ny Tompo izy ireo.
Fa ny Tompo nilaozany, ary i Baala sy ny Astarte notompoiny.

Dia nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’ny Tompo
ka natolony ho eo an-tanan’ny fahavalony manodidina azy,
ary tsy nahatanty ny fahavalony intsony.
Izay nalehany namelezan’ny tanan’ny Tompo hampahory azy avokoa,
araka ny efa voalazan’ny Tompo,
araka ny nianianan’ny Tompo taminy rahateo
ka dia azon’ny fahoriana mafy be izy.
Nanangana mpitsara ihany ny Tompo hanafaka azy ireo tamin’izay nandroba azy;
nefa tsy nihaino izay mpitsarany akory izy;
fa nandeha nitolo-tena tamin’ny andriamani-kafa,
sy niankohoka teo anoloan’ireny.
Nalaky nivily izy tamin’ny lalana nomban’ny razany,
izay nitandrina ny didin’ny Tompo;
tsy nanao tahaka izany izy.
Nony nanangana mpitsara ho azy ireo ny Tompo,
dia nomban’ny Tompo izany mpitsara izany ka namonjy azy ireo
tamin’ny tanan’ny fahavalony,
tamin’ny andro rehetra iainan’ny mpitsara;
satria nalahelo ny Tompo noho ny fitarainany
teo anoloan’ireo nampahory sy nampijaly azy.

Rahefa maty anefa ny mpitsara dia nihasimba indray izy
mihoatra noho ny razany indray aza,
ka lasa nanaraka andriamani-kafa mba hanompo azy
sy hiankohoka eo anatrehany,
fa tsy niala amin’ny hadisoany amam-pikiribibiany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 105, 34-35. 36-37. 39-40. 43ab sy 44

Tsarovy izahay, ry Tompo, izay tia ny vahoakanao.

Ireo olona voalazan’ny Tompo
dia tsy naringany velively.
Niharo tamin’ireo firenena izy,
sady nianatra ny fanaony.

Ny sampin’izy ireo notompoiny,
ka tonga fandrika ho azy.
Nosoroniny ho an-dolo
ny zanany lahy aman-janany vavy.

Voazimban’ny nataony izy ireo,
zary janga noho ny asany.
Koa nirehetan’ny haviniran’ny Tompo ny vahoakany,
tonga halany mainty ny lovany.

Matetika anefa nafahany ihany;
kanjo niasa nikomy sy nihombo hadisoana.
Kanjo hitany ny fahaporetany;
henony ny ferin’ny ainy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 16-22)

Raha tianao ny ho lavorary, andeha amidio ny fanananao, dia hanan-drakitra any an-danitra ianao.

Indray andro,
nisy olona anankiray nanatona an’i Jesoa ka nilaza hoe:

“Ry Mpampianatra tsara ô,
inona no tsara hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”

Dia hoy Izy namaly azy:

“Ahoana àry no iantsoanao Ahy hoe tsara?
Iray ihany no tsara, dia Andriamanitra;
ka raha te-hiditra any amin’ny fiainana ianao,
tandremo ny didy.”

Dia hoy izy hoe:

“Didy inona avy?”

Dia hoy i Jesoa:

“Aza mamono olona,
aza mijangajanga,
aza mangalatra,
aza mety ho vavolombelona tsy marina,
manajà ny rainao aman-dreninao,
ary tiava ny namanao tahaka ny tenanao.”

Dia hoy ilay tovolahy taminy:

“Hatra ny fony mbola kely aho
no efa nitandrina izany rehetra izany,
ka inona no mbola tsy ampy amiko?”

Ary hoy i Jesoa taminy:

“Raha tahìny tianao ny ho lavorary,
andeha amidio ny fanananao, ka omeo ny mahantra,
dia hanan-drakitra any an-danitra ianao;
ary rahefa izany, dia avia hanaraka Ahy.”

Nony nandre izany teny izany ilay zatovo,
dia niala tamin’alahelo,
satria be ny fananany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 56, 1. 6-7)

Ny zanaky ny vahiny hoentiko eo an-tendrombohitro masina.

Izao no lazain’ny Tompo:
Tandremo ny hitsiny ary araho ny rariny,
fa efa akaiky ny famonjeko, ary efa hiseho ny fahamarinako.
Ary ny hafa firenena izay mifikitra amin’ny Tompo:
mba hanompo Azy sy ho tia ny Anarany, ary ho mpanompony;
izay rehetra mitandrina ny sabata fa tsy mandika azy,
sy miraikitra mafy amin’ny fanekeko,
dia hoentiko ao an-tendrombohitro masina,
sy hampifaliako ao an-tranoko fivavahana,
hankasitrahina eo ambony ôtely ny sorony dorana aman-tsorony:
fa ny tranoko hatao hoe:

“Trano fivavahana ho an’ny firenena rehetra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 66, 2-3. 5. 6 sy 8

Hidera Anao ny vahoaka, Andriamanitra, hidera Anao anie ny vahoaka rehetra.

Andriamanitra anie hiantra sy hitso-drano;
hampamiratiny amintsika anie ny Tavany:
ka ny herinao ho fantatra eran-tany,
ho hain’ny firenen-drehetra ny vonjinao!

Hifaly sy hihoby anie ny fokom-pirenena,
satria Ianao mitsara ny tany ara-drariny
mitsara ny vahoaka amim-pahamarinana,
mitondra ny fokom-pirenena eto an-tany.

Hidera Anao ny vahoaka, ry Andriamanitra,
hidera Anao anie ny vahoaka rehetra!
Andriamanitra anie hitahy antsika hatrany,
ny vazan-tany rehetra anie hatahotra Azy!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm 11, 13-15. 29-32)

Tsy misy anenenany ny fanomezan’Andriamanitra sy ny fiantsoany an’i Israely.

Aminareo Jentily havana no itenenako:
amin’ny maha-Apôstôlin’ny Jentily ahy,
dia manome voninahitra ny fandraharahana nomena ahy aho,
mba hahavelom-pialonana amin’ireo tapako,
sy hamonjy ny sasany amin’izy ireo, raha azo atao.
Raha ny fanariana azy àry no fampihavanana an’izao tontolo izao,
hanao ahoana kosa ny fandraisana azy:
tsy ho fitsanganan-ko velona va?
Satria tsy misy anenenany ny fanomezan-tsoa sy ny fiantsoan’Andriamanitra.
Fa ianareo fahiny mba tsy nanaiky an’Andriamanitra ihany,
nefa noho ny naneken’izy ireny dia nahazo famindram-po ankehitriny.
Toy izany koa izy ireny ankehitriny,
tsy manaiky an’Andriamanitra izy,
nefa noho ny famindram-po azonareo,
dia hahazo famindram-po toraka izany koa.
Fa samy nohidian’Andriamanitra tamin’ny tsy fanekena ny olona rehetra,
mba samy hamindrany fo avokoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo: Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)

Ravehivavy, lehibe ny finoanao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa dia nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna.
Ary indro nisy vehivavy Kananeanina anankiray nivoaka avy amin’izany tany izany,
niantsoantso mafy nanao hoe:

“Mamindrà fo amiko,
ry Tompo Zanak’i Davida,
fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy”.

Fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza.
Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe:

“Roahy izy, fa mikiakiaka manaraka antsika”.

Ary hoy ny navaliny azy:

“Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho”.

Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany,
ary nanao hoe:

“Tompo ô, vonjeo aho!”

Nefa novaliany hoe:

“Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa”.

Ary hoy ravehivavy:

“Marina izany, Tompoko,
nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany”.

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ravehivavy, lehibe ny finoanao,
aoka ho tanteraka aminao araka izay irinao”.

Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Fararanom-pahasoavana ny volana aogositra satria amin'io fotoana io no atokan'ny Fiangonana Katôlika, hanamasinana ho pretra sy diakra ireo zanaky ny Fiangonana. Nanatanteraka izany tamin'ny sabotsy teo ny tao amin'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy... ♦ Nanatanteraka fivahinianana masina nanamarihana ny nahatongavan'ny Misiônera Montfortains teto Madagasikara, nankalazana nihany koa ny faha-350 nahaterahan'i Masindahy Louis-Marie Grignon de Montfort...

♦ Manatanteraka fiofanana ireo katesista ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, ka ao amin'ny "Centre d'accueil" Mandritsara no hanatanterahana izany... ♦ Notontosaina nanomboka ny faha-9 ary hifarana ny alatsinainy 13 aogositra 2023, ny Filankevitra Nasiônaly, tanterahan'ny Vovonam-pirenena Katôlika'ny Lehibe, eny amin'ny Akany Mariazy Mirindra Ambohipo... ♦ Hotontosaina ny alahady 13 aogositra 2023, ny fandraisana an'i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona eto ami'ny Diôsezin'Antananarivo sy ny Distrikan'i Namehana, toerana izay nahabe azy...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 14-29)

Fidio anio ilay tsy maintsy hotompoinareo.

Tamin’izany andro izany,
niteny tamin’ny vahoaka i Jôsoe nanao hoe:

“Matahora ny Tompo ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana;
ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Ejipta,
ka manompoa ny Tompo.
Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo ny Tompo
dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina;
na ny Andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony;
na ny andriamanitry ny Amôreana izay onenanareo ny taniny.
Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo.”

Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe:

“Lavitra anay izay handao ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.
Fa ny Tompo Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin’ny razantsika
avy tany amin’ny tany Ejipta, amin’ny trano fanandevozana
ary nanao ireo fahagagana lehibe teo imasontsika,
ary niaro antsika tamin’ny lalana nalehantsika
sy tamin’ny firenena rehetra nandalovantsika.
Ny Tompo nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amôreana nonina tamin’itý tany itý.
Izahay koa hanompo ny Tompo fa Andriamanitsika Izy.”

Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:

“Tsy mahatompo ny Tompo ianareo,
fa Izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro;
tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.
Raha mahafoy ny Tompo ianareo, ka manompo andriamani-kafa
dia hifotitra Izy sy hampahory anareo ary handringana anareo
Izy izay efa nanao soa anareo.”

Fa hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:

“Tsia, fa hanompo ny Tompo izahay.”

Ka hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka:

“Vavolombelona amin’ny tenanareo ianareo,
fa nifidy ny Tompo hotompoina.”

Hoy ny navaliny:

“Vavolombelon’izany izahay.”

— “Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo,
ary avereno amin’ny Tompo Andriamanitr’i Israely ny fonareo.”

Ka hoy ny vahoaka tamin’i Jôsoe:

“Ny Tompo Andriamanitsika no ho tompoinay,
ary ny feony no hohenoinay.”

Nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Jôsoe tamin’izany andro izany
ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema.
Nosoratan’i Jôsoe tamin’ny bokin’ny lalàn’Andriamanitra ireo teny ireo.
Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin’ny aoka,
teo amin’ny fitoerana voatokana ho an’ny Tompo.
Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:

“Indro itý vato itý no ho vavolombelona amintsika,
fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny Tompo tamintsika io;
ho vavolombelona aminareo koa io,
mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.”

Dia nampodian’i Jôsoe ny vahoaka samy ho any amin’ny lovany avy.
Nony afaka izany dia maty i Jôsoe, zanak’i Nona, mpanompon’ny Tompo,
tamin’ny fahafolo amby zaton’ny taonany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 15, 1-2a sy 5. 7-8. 11

Ianao, ry Tompo, no zara lovako!

Andriamanitra Tompo ô, ambeno f’Ianao re no hany ifefeko,
hasambarako tokana an-tany.
Ianao re, ry Tompo, no lova, hany zarako mandrakizay,
toeran-tsoa no natokana ho ahy.

Ka isaorako, Tompo, Ianao fa nanolotra saina, fanahy
sy nanoro ny foko hatrany.
Eo alohako foana ny Tompo; tsy hiala an-kavanako Izy;
ka isaorako mandrakizay!

E ny lalan’ny fiainana izao dia hatoronao ahy hatrany,
ka nameno hafaliana ny foko.
Ho finaritra mandrakizay, izay mitoetra eo ankavananao,
hasambarana tsy mety ritra.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 13-15)

Aza raràna tsy hanatona Ahy ny zaza, fa an’ny tahaka azy ireny ny fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany,
nisy zazakely maromaro nentina teo amin’i Jesoa,
mba hametrahany tanana sy hivavahany ho azy;
fa noraran’ny mpianany mafy ireo.
Ka hoy i Jesoa taminy:

“Avelao ny zaza, ary aza raràna tsy hanatona Ahy;
fa an’ny tahaka azy ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary rahefa nametra-tanana tamin’izy ireo Izy,
dia nizo-dalana indray.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôsoe (Jôs. 24, 1-13)

Izaho nitondra ny razanareo niala tany Mesôpôtamia; namoaka anareo avy tany Ejipta, ary nitondra anareo amin’itý tany itý.

Tamin’izany andro izany,
novorìn’i Jôsoe ny fokon’i Israely rehetra;
nantsoiny avokoa ny loholon’i Israely,
ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny;
ka niseho teo anatrehan’ny Tompo izy ireo:
dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra:

“Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Taloha dia tany an-dafin’ny ony no nonenan’ny razanareo,
Teraha rain’i Abrahama sy rain’i Nakôra,
ary andriamani-kafa no notompoin’izy ireo.
Nalaiko tany an-dafin’ny ony i Abrahama razanareo
ary nentiko ho amin’ny tany Kanaana rehetra;
nampitomboiko taranaka, ary nomeko an’i Isaaka izy.
I Isaaka dia nomeko an’i Jakôba sy i Esao;
ary i Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany,
ary i Jakôba sy ny zanany nidina nankany Ejipta.

Taorian’izany dia nirahiko i Môizy sy i Aarôna
ary nasiako i Ejipta araka izay nataoko teo afovoany;
ary rahefa izany, dia nentiko nivoaka ianareo.
Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo,
ka tonga teo amin’ny ranomasina ianareo.
Ny Ejipsianina an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo,
hatreo amin’ny ranomasina Mena.
Velon-taraina tamin’ny Tompo izy ireo,
ka nasian’ny Tompo haizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsianina,
nakatony tamin’izy ireny ny ranomasina ka nanafotra azy,
ary ny masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta;
dia nitoetra ela tany an’efitra ianareo.
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amôreanina
izay monina any an-dafin’i Jordany ianareo, ka niadian’ireny.
Natolotro teo an-tananareo izy, nahazo ny taniny ianareo,
ary naringako teo anoloanareo izy.
Nitsangana i Balàka, zanak’i Sefôra, mpanjakan’i Môaba,
ka niady tamin’i Israely;
nampiantso an’i Balaama zanak’i Beôra izy hanozona anareo.
Fa tsy nety nihaino an’i Balaama Aho, ka nitso-drano anareo izy,
dia voavonjiko tamin’ny tanan’i Balàka ianareo.
Nita an’i Jordany ianareo, dia tonga tao Jerikao;
niady taminareo ny mponina tao Jerikao,
ny Amôreanina, ny Farezeanina, ny Kananeanina, ny Hateanina,
ny Gergeseanina, ny Heveanina, ary ny Jebôseanina;
ka natolotro teo an-tananareo ireny.
Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an’ireny teo anoloanareo,
mbamin’ny mpanjaka roa tamin’ny Amôreanina:
tsy tamin-tsabatra aman-tsipikanareo no nahatanterahan’izany.
Nomeko tany tsy nasainareo ianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao,
tanim-boaloboka aman’ôliva izay tsy nambolenareo,
ka mihinana ny vokany ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 135, 1-3. 16-18. 21-22 sy 24

Isaory ny Tompo, fa mandrakizay ny hatsaram-pony.

Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Isaory ny Andriamanitry ny andriamanitra.
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Isaory ny Tompon’ny tompo!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!

Ilay nampizotra ny vahoakany tany an’efitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka Mpanjaka lehibe!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy nahafaty mpanjaka mahery!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!

Ka nanome ny taniny ho lova!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ho lovan’i Israely mpanompony!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nisarika antsika tamin’ny mpampahory
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinana aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 19, 3-12)

Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady, fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.

Tamin’izany andro izany,
nisy Farisianina nanatona an’i Jesoa mba haka fanahy Azy, ka nanao hoe:

“Mahazo misao-bady va ny lehilahy
na inona na inona antony?”

Dia hoy Izy namaly azy ireo:

“Tsy novakianareo va fa izay nahary ny olona tamin’ny voalohany,
dia nanao azy ho lahy sy vavy ary nilaza hoe:
‘Noho izany, dia hilaozan-dralehilahy ny rainy aman-dreniny
ka hikambana amin’ny vadiny izy,
ary ho nofo iray ihany izy roroa?’
Noho izany tsy roa intsony izy, fa nofo iray.
Ka aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’ny olona.”

Fa hoy ireo taminy:

“Ka nahoana àry i Môizy no nandidy hanome taratasy fisaoram-bady sy hisaotra azy?”

Dia hoy Izy taminy:

“Ny hamafin’ny fonareo no nanomezan’i Môizy lalana anareo hisao-bady;
fa hatramin’ny voalohany dia tsy mba toy izany.
Koa dia lazaiko aminareo,
fa izay rehetra mandroaka ny vadiny,
afa-tsy noho ny fijangajangana ihany,
ka manambady hafa,
dia mpijangajanga ary izay mampakatra ny vehivavy voaroaka,
dia mpijangajanga koa.”

Hoy ny mpianany taminy:

“Raha izany no toetry ny lehilahy amin’ny vadiny,
dia aleo tsy manambady.”

Ary hoy Izy taminy:

“Tsy ny olona rehetra no mahazo izany teny izany,
fa izay nomena fahasoavana ihany.
Fa misy eonoka hatrany an-kibon-dreniny;
misy eonoka nataon’ny olona,
ary misy eonoka izay nanao ny tenany eonoka
noho ny fanjakan’ny lanitra.
Aoka handray izay mahay mandray.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôsoe (Jôs. 3, 7-10a. 11. 13-17)

Ny fiaran’ny faneken’ny Tompo mialoha anareo ao anatin’i Jordany.

Tamin’izany andro izany, hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe:

“Indro Aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra
mba ho fantany fa toy ny nombàko an’i Môizy no ombàko anao koa.
Ary ianao dia manomeza izao didy izao
amin’ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena:
Rahefa tonga eo amoron’ny ranon’i Jordany ianareo,
dia mijanòna ao anatin’i Jordany.”

Ary i Jôsoe nilaza tamin’i Israely hoe:

“Manatòna ianareo,
ary mihainoa ny tenin’ny Tompo Andriamanitrareo.”

Dia hoy i Jôsoe:

“Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona,
ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeanina.
Indro handroso eo alohanareo ao anatin’i Jordany
ny fiaran’ny faneken’ilay Tompon’ny tany rehetra.
Ary raha vao miroboka ao anatin’ny ranon’i Jordany
ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran’Andriamanitra Tompon’ny tany rehetra,
dia ho tapaka ny ranon’i Jordany, ny midina avy any ambony,
ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra.”

Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita amin’i Jordany
dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran’ny fanekena.
Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara,
ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara
— fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano, —
dia nihandrona ny rano midina avy any ambony,
ka niavosa hoatra ny antontan-javatra tery lavitra erý,
akaikin’ny tanànan’i Adôma, izay anilan’i Sartàna,
ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin’ny ranomasina Arabaha, dia ny ranomasin-tSira,
ka nita tandrifin’i Jerikao ny vahoaka.
Nitsatoka tsy nihetsika tamin’ny tany maina eo afovoan’i Jordany
ny mpisorona nitondra ny fiaran’ny faneken’ny Tompo,
nandritra ny nitan’i Israely rehetra tamin’ny tany maina,
mandra-pahatafitan’ny firenena rehetra an’i Jordany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 113a, 1-2. 3-4. 5-6

Aleloia!

Fony nandao an’i Ejipta i Israely,
an’ilay vahoaka lozabe ny tranon’i Jakôba,
i Jodà tonga toerany masina,
i Israely zary fanjakany.

Ny ranomasina nahita, ka nandositra;
i Jordany nanao dia mianòtra;
ny vohitra niantsambotra toa osilahy,
ny havoana toa zanak’ondry.

Ahoana itý ianao no mandositra, ry ranomasina?
ary i Jordany no manao dia mianòtra?
ny vohitra no miantsambotra toa osilahy?
ny havoana no toa zanak’ondry?

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izay mitandrina ny didin’i Kristy no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 21-35 ; 19, 1)

Izaho tsy milaza aminao hamela hatramin’ny impito fa hatramin’ny impitopolo fito.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa i Piera nanao hoe:

“Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko
no tokony hamela azy aho?
Hatramin’ny impito va?”

Dia hoy i Jesoa taminy:

“Izaho tsy milaza aminao hoe: hatramin’ny impito
fa hatramin’ny impitopolo fito.
Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray
izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony;
ary raha vao nanomboka nanao izany izy,
dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina.
Ary noho izy tsy nanan-kaloa,
dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra,
mba hanefana ny trosa.
Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’
Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany,
ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy.

Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo,
dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato;
noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe:
‘Aloavy ny trosako any aminao.’
Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe:
‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’
Nefa tsy nety izy fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa.
Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany,
ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony.
Dia nampanalain’ny tompony izy ka nilazany hoe:
‘Ry mpanompo ratsy fanahy,
efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao,
noho ianao nifona tamiko,
ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao
tahaka ny namindrako fo taminao?’
Dia tezitra ny tompony ka natolony ny mpampijaly izy,
ambara-pandoany ny trosa rehetra.

Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo,
raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

Rahefa avy niteny izany i Jesoa
dia niala tao Galilea ka tonga teny an-tsisin’i Jodea,
an-dafin’i Jordany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 34, 1-12)

Teo amin’ny toerana nandidian’ny Tompo hahafatesany i Môizy no maty; ary tsy nisy mpaminany nitsangana toa azy intsony teo amin’i Israely.

Tamin’izany andro izany,
niakatra avy eo an-tany lemak’i Môaba i Môizy,
nankany an-tendrombohitra Nebao, ao an-tampon’i Fasgà, tandrifin’i Jerikao.
Ary nasehon’ny Tompo azy avokoa ny tany rehetra,
dia Galaada hatrany Dana, Neftali rehetra mbamin’ny tanin’i Efraima sy i Manase,
ny tanin’i Jodà rehetra, hatramin’ny Ranomasina andrefana,
ny Negeba, ny faritanin’i Jordany, ny lohasahan’i Jerikao,
dia ny tanànan’ny rofia hatrany Segôra.
Dia hoy ny Tompo taminy:

“Io ny tany izay nianianako tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba hoe:
‘Homeko ny taranakao izany.’
Nataoko nahita maso azy ianao, nefa tsy hiditra eny ianao.”

Teo no nahafatesan’i Môizy, mpanompon’ny Tompo,
dia teo amin’ny tany Môaba, araka ny didin’ny Tompo.
Ary naleviny teo an-dohasaha, amin’ny tanin’i Môaba,
tandrifin’i Bet-Fôgôra izy.
Ary tsy misy olona mahalala ny fasany mandraka androany.
Efa roapolo amby zato taona i Môizy no maty,
nefa ny fahiratany tsy nihena, ny tanjany tsy niala taminy.
Nisaona an’i Môizy, telopolo andro tao amin’ny tany lemak’i Môaba ny zanak’i Israely
ka tapitra ny andro fitomaniana tamin’ny fisaonana an’i Môizy.

Ary i Jôsoe, zanak’i Nona, dia feno ny fanahim-pahendrena,
fa efa nametrahan’i Môizy tanana izy,
ka nanoa azy ny zanak’i Israely sy nanao araka ny nandidian’ny Tompo an’i Môizy.
Tsy nisy mpaminany nitsangana teo amin’i Israely intsony
sahala amin’i Môizy izay fantatry ny Tompo mifanatrika,
na ny amin’ny famantarana amam-pahagagana nanirahan’ny Tompo azy tany Ejipta,
hanaovany izany tamin’ny Faraôna,
sy ny mpanompony mbamin’ny taniny rehetra,
na ny amin’ny tanany mahery rehetra aman-java-mahatahotra rehetra
izay vitan’i Môizy teo imason’i Israely rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 65, 1-3a. 5 sy 8. 16-17

Hisaorana anie Andriamanitra, Ilay namelona ny fanahiko.

Hobio Andriamanitra, ry tany tontolo!
Antsao ny Anarany be voninahitra!
Miderà Azy, ka miantsoa hoe:
Eny, mahatahotra Ianao, ry Andriamanitra.

Tongava hizaha ny Asan’Andriamanitra!
Mahatahotra itý nataony ho an’ny zanak’olombelona!
Misaora an’Andriamanitra rey vahoaka!
Redòny ny feo fiderana Azy!

Tongava avokoa izay matahotra an’Andriamanitra!
Mihainoa hitantarako izay nataony tamiko:
dia Izy Ilay fiantsan’ny vavako
sy fideran’ny lelako!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampahiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 15-20)

Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha diso taminao ny rahalahinao, dia manatona azy;
ka rahefa mitokana ianareo, dia asehoy azy ny hadisoany.
Raha mihaino anao izy, dia efa azonao ny rahalahinao;
fa raha tsy mihaino anao izy, makà olona iray na roa hiaraka aminao
mba ho tapaka noho ny teny hataon’ny vavolombelona roa na telo ny raharaha rehetra.
Raha tsy mihaino azy ireo izy, dia ambarao amin’ny Eglizy;
ary raha tsy mihaino ny Eglizy koa, dia ataovinao tahaka ny jentily sy ny poblikanina.
Lazaiko marina aminareo
fa na inona na inona hofehezinareo etý ambonin’ny tany
dia ho voafehy any an-danitra;
ary na inona na inona hovahanareo etý ambonin’ny tany,
dia ho voavaha any an-danitra.
Ary izao koa no lazaiko aminareo:
raha misy roa aminareo mifanaiky etý ambonin’ny tany,
na inona na inona angatahiny
dia ho azony avy amin’ny Raiko izay any an-danitra izany.
Fa na aiza na aiza iangonan’ny olona roa na telo amin’ny Anarako,
dia eo afovoany Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 31, 1-8)

Mahereza ianao, ry Jôsoe, ary aoka hatanjaka tsara fa ianao no hampiditra itý vahoaka itý any amin’ny tany nampanantenaina.

Niainga i Môizy,
ary hoy ny teniny tamin’ny vahoakan’i Israely rehetra:

“Efa roapolo amby zato taona androany aho izao,
ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony,
ary ny Tompo efa nilaza tamiko hoe:

Tsy hita an’io Jordany io ianao.

Ny Tompo Andriamanitrao no hita eo alohanao.
Izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao,
ka dia hahazo azy ireo ianao.
I Jôsoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan’ny Tompo.
Toy ny nataon’ny Tompo tamin’i Sehôna sy Oga,
mpanjakan’ny Amôreana, izay naringany mbamin’ny taniny,
no hataony amin’ireo koa.
Hatolotry ny Tompo aminareo izy,
ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo.
Mahereza ary matanjaha tsara,
fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory,
satria ny Tompo Andriamanitrao no miara-mandeha aminao,
tsy hahafoy anao Izy na handao anao.”

Dia nantsoin’i Môizy i Jôsoe, ka hoy izy taminy,
teo anatrehan’i Israely rehetra:

“Mahereza ary matanjaha tsara,
fa ianao no hiditra miaraka amin’itý vahoaka itý,
any amin’ny tany efa nianianan’ny Tompo tamin’ny razany homena azy ireo;
ary ianao no hampanana azy ireo izany.
Fa ny Tompo no handeha eo alohanao,
Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy,
ka aza matahotra na mivadi-po ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo: Det. 32, 3-4a. 7. 8. 9. sy 12

Ny vahoakany no zaran’ny Tompo.

Ny Anaran’Izy Tompo no antsoiko,
hobio ny fiandrianan’Andriamanitra.
Fa Izy Vatolampy soa ny asany.
He rariny izay lalana soritany.

Tsarovy irony andro fahagola re.
Todiho ireny taona nifanaraka.
Resaho ny rainareo fa hatorony,
resaho koa ny Ntaolo fa hambarany.

Ilay Avo raha nanao ny firenena:
nizara ny taranak’olombelona,
nametra ny vahoaka isan-tokony
manaraka ny fokon’i Israely.

Ny lova ho Azy Tompo dia ny olony,
Jakôba nofidiny ho anjara lovany.
Ny Tompo no hany afaka mitsimbina.
Tsy manana andriamani-kafa ny olony.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy.
Isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 18, 1-5. 10. 12-14)

Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza.

Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa
ka napetrany teo afovoany ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo
ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany,
na iza na iza hanetry tena tahaka itý zazakely itý,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka itý amin’ny Anarako,
dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona
na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo
fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.
Ahoana ny hevitrareo?
Raha misy olona manana ondry zato, ka nania ny anankiray,
moa tsy havelany eny an-tendrombohitra va ny sivy amby sivifolo,
ka handeha hitady ilay nania izy?
Ary raha sendra hitany izy,
dia lazaiko marina aminareo fa iny anankiray iny aza no mahafaly azy
noho ny sivy amby sivifolo tsy nania.
Toy izany koa,
tsy tian’ny Rainareo izay any an-danitra hisy very
na dia anankiray amin’ireo madinika ireo aza.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Boky Deteronômy (Det. 10, 12-22)

Tiavo ny vahiny, fa efa mba vahiny koa ianareo.

Niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe:

“Ary ankehitriny, ry Israely,
inona moa no angatahin’ny Tompo Andriamanitrao aminao
afa-tsy ny mba hatahoranao ny Tompo Andriamanitrao,
amin’ny fizoranao eo amin’ny lalany rehetra,
sy amin’ny fitiavanao ary fanompoanao ny Tompo Andriamanitrao
amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra;
ary amin’ny fitandremanao ny didin’ny Tompo sy ny lalàny izay andidiako anao anio,
mba ho sambatra ianao?
Jereo fa an’ny Tompo Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra,
ary ny tany mbamin’izay rehetra ao aminy.
Kanefa ny razanao ihany no niraiketan’ny Tompo ho tiany;
ary ny taranany nandimby azy, dia ianareo,
no nofidiny tamin’ny vahoaka rehetra,
araka izao hitanareo anio izao

Koa forao ny fonareo,
ary aza henjanina intsony ny hatokareo.
Ny Tompo Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra,
Tompon’ny tompo,
Andriamanitra lehibe mahery sy mahatahotra,
tsy mba mizaha tavan’olona, na mandray kolikoly,
fa manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena;
tia ny vahiny, sy manome hanina amam-pitafiana azy.
Tiavo ny vahiny,
fa efa mba vahiny tany amin’ny tany Ejipta koa ianareo.
Matahora ny Tompo Andriamanitrao, manompoa Azy, miraiketa aminy,
ary ny Anarany no ataovy fianianana.
Fa Izy no reharehanao, Izy no Andriamanitrao,
izay nanao ho anao ireo zava-dehibe sy mahatahotra efa hitan’ny masonao.
Ny isan’ny razanao nidina nankany Ejipta dia olona fitopolo
fa ianao kosa ankehitriny,
dia efa nataon’ny Tompo Andriamanitrao maro toy ny kintana eny an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 147, 12-13. 14-15. 19-20

Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema.

Ry Jerosalema aoka ianao hiantsa,
derao Andriamanitra, ry Siôna!
Ilay manamafy ny vavahady,
miahy ireo ankizy ao anatinao.

Miantoka anao handry fehizay,
manetsaka anao mena-bary kanto.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany,
dia teny miriotra tsy hay tohaina!

Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba,
ny didy aman-tsatany ho an’i Israely!
Tsy misy olon-kafa nomeny izany.
Ny satany manko nafeniny azy.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo,
ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 17, 21-26)

Hovonoin’izy ireo Izy, nefa hitsangan-ko velona. — Afaka amin’ny hetra ny zanany.

Tamin’izany andro izany,
raha nitety an’i Galilea i Jesoa sy ny mpianany,
dia hoy i Jesoa taminy:

“Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’Olona,
ary hovonoina Izy,
nefa hitsangana amin’ny andro fahatelo.”

Dia nalahelo mafy izy ireo.

Nony tonga tany Kafarnaôma izy ireo,
dia nanatona an’i Piera ny mpamory ny hetra dragma roa,
ka nanao hoe:

“Moa tsy mba mandoa ny dragma roa va ny Mpampianatra anareo?”

Dia hoy i Piera:

“Mandoa Izy.”

Ary raha niditra tao an-trano izy,
dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe:

“Ahoana ny hevitrao, ry Simôna?
Iza moa no angalan’ny mpanjaka etý an-tany hetra sy hajia,
ny zanany sa ny olon-kafa?”

Hoy i Piera taminy:

“Ny olon-kafa.”

Dia hoy i Jesoa:

“Raha izany àry, dia afaka ny zanany.
Kanefa sao manafintohina azy isika,
ka mandehana manjono any amin’ny ranomasina ianao,
dia raiso ny hazandrano azonao voalohany ka sokafy ny vavany,
fa hahita vola dragma efatra ao ianao, ka alao,
dia aloavy ho Ahy sy ho anao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

♦ Hotanterahana any Seoul, Corée Atsimo ny JMJ eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena amin'ny taona 2027... ♦ Mba ho fampiroboroboana ny sehatra ikatrohan'ny vaomieran'asa "Justice et Paix", nisy fivoriana notontosain'izy ireo tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo, ho an'ny "Justice et Paix" ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Fankalazana jobily maha relijiozy sy voady mandrakizay nataon'ireo masera avy amin'ny Fikambanana "Filles de Marie Auxiliatrice" no nanamarika ny sabotsy teo, ho an'ity fikambanan-drelijiozy Saleziana Don Bosco ity...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...