♦ Notendren'ny Papa François ho Eveka ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka Mpanampy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Anisan'ireo hapetraka amin'ny toerana maha Kardinaly azy amin'ny 30 septambra 2023, ny Lehiben'ny Fikambanana Salezianina maneran-tany, i P Ángel Fernández Artime... ♦ Tontosa omaly ny fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, izay nitantana ny Arsidiôsezin'Antananarivo nandritra ny 18 taona...
Boky Jenezy (Jen. 49, 29-33 ; 50, 15-24)
Tamin’izany andro izany,
dia izao no hafatra napetrak’i Jakôba tamin-janany:
“Efa hakambana any amin’ny razako aho izao, ka aleveno any amin’ny razako,
anatin’ny zohy izay ao amin’ny sahan’i Efrôna, Heteanina;
anatin’ny zohy amin’ny saha Makpelà, tandrifin’i Mambre, any amin’ny tany Kanaana;
dia izay novidin’i Abrahama mbamin’ny saha, tamin’i Efrôna, Heteanina, hananany fasana ho azy.
Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Sarà vadiny.
Tao no nandevenana an’i Isaaka sy i Rebekà vadiny.
Ary tao no nandevenako an’i Leà.
Tamin’ny taranak’i Heta no nividianana ny saha mbamin’ny zohy ao aminy.”
Nony avy nametraka ny didiny tamin’ireo zanany lahy i Jakôba,
navonkony teo am-parafara ny tongony dia niala aina izy;
ka voaangona any amin’ny razany.
Rahefa hitan’ireo rahalahin’i Jôsefa fa maty rainy dia hoy izy:
“Sao dia anaovan’i Jôsefa fo lentika isika,
ka valiany amin’izao ny ratsy rehetra nataontsika taminy.”
Koa nampilaza tamin’i Jôsefa izy nanao hoe:
“Nanafatra rainao talohan’ny nahafatesany, nanao hoe:
Izao no holazainareo amin’i Josefa:
‘Avelao lahy ny heloka amam-pahotan’ireo rahalahinao,
fa nahavita ratsy taminao izy.
Nefa mifona aminao aho ankehitriny,
avelao re ny heloky ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao.’”
Nitomany i Josefa nandre izany teny izany.
Ary ny tenan’ireo rahalahiny dia tonga niankohoka teo anatrehany nanao hoe:
“Mpanomponao izahay.”
Fa hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:
“Aoka tsy hanan-tahotra ianareo;
fa moa solon’Andriamanitra va aho?
Ny hanisy ratsy ahy no tao an-tsainareo;
fa ny hampisy soa avy amin’izany kosa no tao an-tsain’Andriamanitra
mba hahatanteraka izao hita anio izao,
mba hamonjy ny ain’ny vahoaka maro be.
Koa aza manan-tahotra akory, fa hamelona anareo,
na ny tenanareo na ny zanakareo aho.”
Toy izany no nampiononany azy tamin’ny teny mankamin’ny fon’izy ireo.
Ka dia nonina tany Ejipta i Jôsefa, izy sy ny ankohonan-drainy.
Folo amby zato taona no andro niainany.
Nahita ny terak’i Efraima hatramin’ny taranaka fahatelo izy.
Ary nisy koa zanak’i Makira, zanak’i Manase izay teraka
ka noraisin’i Jôsefa teo ampofoany.
Ary hoy i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny:
“Izaho itý ho faty;
nefa Andriamanitra kosa dia hamangy anareo tokoa
sy hampiakatra anareo avy amin’itý tany itý
ho any amin’ny tany nianianany homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7
Mankalazà ny Tompo, miantsoa ny Anarany;
ampahafantaro eny amin’ny firenena ny asa lehibe nataony.
Mihirà ho Azy; mankalazà Azy!
Torio ny fahagagana rehetra ataony.
Mireharehà amin’ny Anarany masina:
hiravoravo anie ny fon’izay mitady ny Tompo.
Mitadiava ny Tompo sy ny heriny:
aza mitsahatra ny mitady ny tavany.
Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
tamingan’i Jakôba olom-boafidiny.
Izy no Tompo Andriamanitsika;
mihatra amin’ny tany rehetra ny fitsarany.
Aleloia. Aleloia.
Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy,
ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.
Aleloia.
Evanjey Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 24-33)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra, na ny mpanompo noho ny tompony;
fa ampy ho an’ny mpianatra ny tahaka ny mpampianatra azy,
ary ho an’ny mpanompo ny tahaka ny tompony.
Raha ny lohan’ny fianakaviana aza nantsoiny hoe Belzeboba,
mainka fa ny ankohonany: koa aza matahotra azy ianareo.
Fa tsy misy takona izay tsy haseho, na miafina izay tsy ho fantatra.
Izay lazaiko anareo ao amin’ny maizina, dia ambarao eo amin’ny mazava;
ary izay bitsibitsihina amin’ny sofinareo, torio eny ambony tafon-trano;
ary aza matahotra izay mamono ny vatana fa tsy mahay mamono ny fanahy,
fa aleo matahotra izay mahay mamarina ny vatana sy ny fanahy any amin’ny afobe.
Moa tsy varifitoventy monja va no vidin’ny fody roa.
Kanefa na ireny aza tsy hisy latsaka amin’ny tany iray akory
raha tsy avelan’ny Rainareo.
Na ny volondohanareo aza dia efa voaisa avokoa.
Koa aza matahotra, fa mihoa-bidy lavitra noho ny fody maro ianareo.
Ary amin’izany, izay rehetra hanaiky Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia hoekeko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra;
ary izay handà Ahy eo anatrehan’ny olona,
dia holaviko kosa izy eo anatrehan’ny Raiko izay any an-danitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 46, 1-7. 28-30)
Tamin’izany andro izany,
niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany.
Nony tonga teo Bersabea izy,
dia nanolotra sorona tamin’Andriamanitr’i Isaaka rainy.
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe:
“Ry Jakôba! Ry Jakôba!”
Ka hoy ny navalin’i Israely:
“Intý aho.”
Dia hoy Andriamanitra:
“Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao.
Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any.
Izaho hiara-midina aminao any Ejipta.
Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any,
ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao.”
Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea;
ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vady aman-janany,
teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy.
Nentiny koa ny biby fiompy sy ny fananany nohariany tany amin’ny tany Kanaana.
Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra.
Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy,
sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.
Dia nalefan’i Jakôba i Jodà, hialoha azy ho any amin’i Jôsefa,
hanomana ny hahatongavany any Gesena.
Rahefa tonga tany Gesena i Jakôba sy ny ankohonany,
dia nampamboatra ny kalesiny i Jôsefa
ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena.
Niseho taminy izy, dia niantoraka namihina ny vozony,
sy nitomany ela teo amin’ny vozony.
Ary hoy i Israely tamin’i Jôsefa:
“Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin’izao,
fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany ianao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40
Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara;
monena amin’ny tany; miraota amin-toky.
Eny, ny Tompo no iravoy:
dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo;
ny lovan’ireny ho mandrakizay.
Tsy ho maina izy raha mihantona ny andro,
ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara,
raha tahiny te-haharitra mandrakizay.
Fa ny Tompo dia tia ny rariny,
ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo:
fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana.
Ny Tompo mitahy sy manafaka azy,
manafaka azy amin’ny ratsy fanahy.
Eny, Izy no mamonjy azy
noho izy ireo mifefy aminy!
Aleloia. Aleloia.
Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao,
raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 16-23)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe:
“Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia,
ka mba malina tahaka ny bibilava ianareo,
ary mba tsotra tahaka ny voromailala.
Mitandrema, fa hotorìn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo;
sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany;
ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko,
mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily.
Fa raha hatolony ianareo,
dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo,
fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany;
satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo.
Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina,
ny ray hanolotra ny zanany,
ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy;
ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako:
fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy.
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa;
fa lazaiko aminareo marina tokoa
fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 44, 18-21. 23b-29 ; 45, 1-5)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jôsefa i Jodà ka nanao taminy hoe:
“Mihanta aminao aho, tompokolahy,
mba hahazo lalana ny mpanomponao hiteny indraim-bava eto anatrehan’ny tompoko,
ka aoka tsy hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao,
fa sahala amin’i Faraôna ianao.
Ny tompo lahiko nanontany ny mpanompony hoe:
‘Manan-dray na rahalahy koa va ianareo?’
Ary izao no navalinay ny tompoko:
‘Manan-dray efa antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany;
nanan-drahalahy io zaza io fa efa maty,
dia izy irery no sisa tamin’izy iray reny, ka tian-drainy izy.’
Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe:
‘Ento midina atý amiko izy mba ho hitan’ny masoko.
Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo, tsy hahita ny tavako intsony ianareo.’Koa rahefa tafakatra tany amin’ikaky mpanomponao izahay,
dia nambaranay azy ny tenin’ny tompoko.
Ary nony avy izay nilazan’ikaky taminay hoe:
‘Mandehana indray mividiana hanina kely ho antsika’,
dia izao no navalinay:
‘Tsy mahazo midina izahay;
fa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy vao hidina izahay;
satria tsy mahazo mahita tava an-dralehilahy akory izahay,
raha tsy miaraka aminay ny zandrinay.’
Ka hoy ikaky mpanomponao taminay:
‘Fantatrareo fa roa lahy no nateraky ny vadiko tamiko;
ny iray efa lasa tafasaraka tamiko, ka hoy aho hoe:
tsy maintsy ho voaviraviram-biby izy, satria tsy hitako intsony mandraka androany.
Ary itý iray raha alainareo koa, ka mahita loza any,
dia hampidirinareo any amin’ny fonenan’ny maty amin’alahelo ny voloko fotsy.’"
Dia tsy nahatsindry fo intsony i Jôsefa teo anatrehan’izay rehetra teo, ka niantso hoe:
“Avoahy avokoa ny olona rehetra!”
Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy,
raha nitonona anarana tamin’ireo rahalahiny izy.
Nanandra-peo izy nitomany,
ka ren’ny Ejipsianina sy ren’ny tao an-tranon’i Faraôna.
Hoy i Jôsefa tamin’ny rahalahiny:
“Izaho no i Jôsefa.
Mbola velona ihany va ikaky?”
Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny,
fa very saina loatra teo anatrehany.
Ary i Jôsefa nanao tamin’ny rahalahiny hoe:
“Manatòna eto amiko ianareo.”
Dia nanatona izy, ka hoy izy:
“Izaho no i Jôsefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta.
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo,
noho ny nivarotanareo ahy ho atý,
fa hamonjy aina anareo no nampandehanan’Andriamanitra ahy hialoha anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 104, 16-17. 18-19. 20-21
Niantso mosary hamely ny tany Izy;
notapahiny ny hanina izay tohan’aina.
Naniraka olona hialoha azy ireo Izy:
i Jôsefa namidy ho andevo.
Nogiazana tamin’ny fatorana ny tongony,
nogadrana vy izy,
mandra-pahatongan’ny andro nahatanterahan’izay voalazany mialoha,
izay nanamarinan’ny tenin’Andriamanitra azy.
Naniraka hanesotra ny fatorany ny mpanjaka;
nalefan’ny filohan’ny vahoaka ho afaka izy.
Dia natsangany ho tompon’ny tranony,
sy ho mpanapaka ny taniny rehetra.
Aleloia. Aleloia.
Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy
sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:
“Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.
Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo,
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina,
fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo,
dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao,
ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.
Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe:
‘Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana’;
ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano,
dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo;
fa raha tsy mendrika kosa izy,
dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo,
dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany,
ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.
Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa
ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana
noho ny hatao amin’izany tanàna izany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 41, 55-57 ; 42, 5-7a. 17-24a)
Tamin’izany andro izany, dia tratry ny mosary koa ny tany Ejipta rehetra,
ka nitaraina tamin’ny Faraôna ny vahoaka nitady hanina.
Fa hoy i Faraôna tamin’ny Ejipsianina rehetra:
“Mankanesa any amin’i Jôsefa, ary ataovy izay lazainy aminareo.”
Nony nanenika ny tany rehetra ny mosary,
novohan’i Jôsefa ny tranom-bary rehetra naorina tany,
ary nivarotra tamin’ny Ejipsianina izy;
ary nitombo nitombo ihany ny mosary tamin’ny tany Ejipta.
Tonga tao Ejipta avokoa ny avy amin’ny tany rehetra, hividy vary amin’i Jôsefa,
fa nihamafy ny mosary tamin’ny tany rehetra.
Koa tonga hividy vary ireo zanak’i Israely,
ary nisy olon-kafa koa niara-tonga taminy fa tratry ny mosary ny tany Kanaana.
I Jôsefa no manam-pahefana nitantana ny tany,
ary izy no nivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra.
Nony tonga ny rahalahin’i Jôsefa dia niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
Vao nahita ireo rahalahiny i Jôsefa dia nahalala azy;
nefa nody olon-kafa taminy izy, ka niteny mafy taminy.
Dia nasainy hatao an-tranomaizina hateloana izy ireo.
Nony tamin’ny andro fahatelo, dia hoy i Jôsefa tamin’izy ireo:
“Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, fa matahotra an’Andriamanitra aho:
Raha olo-marina tokoa ianareo, aoka ny anankiray aminareo, izay rahalahinareo,
hijanona mifatotra ao an-tranomaizina misy anareo,
ary ianareo kosa handeha hitondra vary hanafaka hanoanana ny fianakavianareo.
Koa ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy;
dia ho hita fa marina ny teninareo, ka tsy ho faty ianareo.”
Dia nataony izany.
Ary nifampilaza izy nanao hoe:
“Voakapoka tokoa isika izao, noho ny amin’ny rahalahintsika;
fa nahita ny fahorian’ny fanahiny isika,
tamin’ilay izy nitalaho ny famindram-pontsika, nefa tsy nihaino azy isika
ka izany no nahatongavan’izao fahoriana izay manjò antsika izao.”
Fa niteny tamin’izy ireo i Robena ka nanao hoe:
“Tsy efa nilazako va re ianareo fa hoe:
Aza manota amin’ny zaza?
Nefa tsy nohenoinareo akory izany;
koa indro arahina amintsika izao ny rany.”
Tsy fantatr’izy ireo ho nahalala ny teniny i Jôsefa,
satria mpandika teny no niresahany taminy.
Ka nihataka niala teo amin’izy ireo izy, dia nitomany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 32, 2-3. 10-11. 18-19
Derao amin-dokanga ny Tompo;
antsao amim-baliha tory folo!
Ihirao hira vao Izy;
andredony horaka aman-java-maneno.
Ny Tompo mandrava ny fanampoizan’ny firenena,
sy manafoana ny fikasan’ny vahoaka.
Ny fanampoizan’ny Tompo maharitra mandrakizay;
ny fikasan’ny Fony, amin’ny taranaka mifandimby.
Indro ny mason’ny Tompo amin’izay matahotra Azy,
sy amin’izay matoky ny hatsaram-pony,
hanafaka ny fanahiny amin’ny fahafatesana,
sy hamelona azy amin’ny tao-mosarena.
Aleloia. Aleloia.
Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo;
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera,
dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Tomà sy i Matio ilay poblikanina,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade,
i Simôna ilay Kananeanina,
ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa
rahefa nohafatrafarany hoe:
“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily,
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Notendren’ny Papa François ho Eveka ao amin’ny diosezin’Antsirabe i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, Eveka mpanampy eto Antananarivo.
♦ Hotanterahana eny amin'ny kianja Soamandrakizay ny alahady 09 jolay 2023 ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra sy fankasitrahana an'i Mgr Odon Marie Arsène Rzanakolona, Arsevekan'Antananarivo nandritra ny 18 taona... ♦ Nanentana ireo ao anatin'ny tokantrano imaso hiroso amin'ny sakramentan'ny fanambadiana ny Vaomieran'ny Fianakaviana ao amin'ny Diôsezin'Ambanja... ♦ Hitsidika an'i Mongolie ny 31 aogositra ka hatramin'ny 04 septambra 2023 ny Papa François...
Boky Jenezy (Jen. 32, 22-32)
Tamin’izany andro izany, dia nitsangana andro alina i Jakôba,
nalainy ny vadiny roa sy ny ankiziny roa vavy
ary ny zanany iraika ambin’ny folo lahy:
dia nita tamin’ny fitàna tao Jabaoka izy.
Nalainy ireo,
nampitainy ny rano, ary nampitainy koa ny fananany.
Dia i Jakôba irery sisa nijanona teo,
ary nisy lehilahy anankiray nitolona taminy,
mandra-pahazavaratsin’ny andro.
Nony hitan-dralehilahy fa tsy naharesy azy izy,
dia ny famavàn’ny feny no notendreny
ka nivika terý ny foto-pen’i Jakôba
nandritra ny nitolomany taminy.
Dia hoy izy tamin’i Jakôba:
“Avelao aho handeha,
fa efa hazava ratsy ity ny andro.”
Fa hoy i Jakôba:
“Tsy avelako handeha ianao,
raha tsy efa nitso-drano ahy.”
Dia hoy izy taminy:
“Iza no anaranao?”
Ary novaliany hoe:
“Jakôba.”
Ka hoy izy:
“Tsy hatao hoe i Jakôba intsony ny anaranao,
fa hatao hoe i Israely,
satria efa niady tamin’Andriamanitra sy tamin’olombelona ianao ka nahery.”
Dia nanontany azy kosa i Jakôba nanao hoe:
“Masìna ianao,
mba ampahalalao ahy kely ny anaranao.”
Fa hoy izy:
“Ahoana no anontanianao ny anarako?”
Dia nitso-drano azy teo izy.
Ary nataon’i Jakôba hoe Fanoely ny anaran’io tany io, fa hoy izy:
“Efa nahita an’Andriamanitra nifanatrika aho,
nefa velona ihany ny aiko.”
Nony niala teo Fanoely izy,
dia indro hitany niposaka ny masoandro;
nitolitsika anefa izy tamin’ny foto-peny.
Izany no tsy ihinanan’ny zanak’i Israely
ny hozatra lehibe ao amin’ny famavàn’ny fe mandraka androany,
dia noho ny nanendren’Andriamanitra ny famavàn’ny fen’i Jakôba
teo amin’ny hozatra lehibe.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 16, 1. 2-3. 6-7. 8b sy 15
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ekeo re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!
Ny tavanao mamoaha ny rariny ho ahy;
ny masonao mahità ny hitsiny.
Savao ny foko; tampohy alina aho;
manasedrà, fa tsy hahita tsiny!
Miantso aho, ka valio Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!
Ambeno toy ny anakandriamaso aho;
afeno ao amin’ny aloky ny elatrao!
Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao,
hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!
Aleloia. Aleloia.
Velomy araka ny hatsaram-ponao aho;
mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)
Tamin’izany andro izany,
indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray
sady moana no azon’ny demony.
Ary nony voaroaka ny demony,
dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe:
“Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely.”
Fa ny Farisianina kosa nanao hoe:
“Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.”
Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany
sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:
“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 28, 10-22a)
Tamin’izany andro izany,
niala tany Bersabea i Jakôba nankany Haràna.
Nony tonga tao amin’ny fitoerana anankiray izy, dia nandry teo, fa efa maty masoandro.
Naka vato anankiray tao izy, nataony ondana,
dia nandry teo, tamin’izany fitoerana izany.
Ary nanonofy izy,
ka indro nisy tohatra anankiray niorina tamin’ny tany
tafapaka amin’ny lanitra ny lohany;
ary nisy Anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
Ary niseho terý ambony ny Tompo ka nanao hoe:
“Izaho no Tompo Andriamanitr’i Abrahama, rainao,
sy Andriamanitr’i Isaaka;
io tany andrianao io dia homeko anao sy ny taranakao.
Ho tahaka ny vovoky ny tany ny taranakao;
hitatra any andrefana sy any atsinanana ianao, ary any avaratra sy any atsimo;
ary aminao sy amin’ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
Indro aho momba anao, ka hiaro anao any amin’izay halehanao rehetra,
sy hampody anao indray amin’ity tany ity.
Fa tsy handao anao Aho,
mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.”
Nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakôba, ka nanao hoe:
“Eto amin’ity toerana ity tokoa ny Tompo,
fa izaho tsy nahalala izany.”
Dia raiki-tahotra izy ka nanohy hoe:
“Endrey! mahatahotra ity fitoerana ity!
Eto tokoa ny tranon’Andriamanitra,
eto ny vavahadin’ny lanitra!”
Nifoha maraina koa izy dia nalainy ilay vato nataony ondana,
naoriny nataony tsangam-bato ka norotsahany diloilo ny tampony.
Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io.
Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.
Ary nanao voady i Jakôba ka hoy izy:
“Raha momba ahy tokoa Andriamanitra ka miaro ahy amin’izao dia alehako izao,
raha manome ahy hanin-kohanina sy lamba hitafiako,
ka tafaverina soa aman-tsara any an-tranon’ikaky aho,
dia ny Tompo no ho Andriamanitro.
Ho tranon’Andriamanitra ity vato naoriko ho tsangambato ity.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 90, 1-2. 3-4. 14-15ab
‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’ilay Avo.
Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo.
O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho,
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa ny Tompo no mpanafaka amin’ny fandrika mandavo.
Sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!
Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko.
Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena.
Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly.
Raha tojo fitsapana tsy havelako hanirery!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana.
Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)
Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa,
dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy,
ka nanao hoe:
“Tompoko,
maty vao izao ny zanako vavy,
ka andeha re hametraka ny tananao aminy,
dia ho velona izy.”
Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.
Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona,
nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
fa hoy izy anakampony:
“Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko,
dia ho sitrana aho.”
Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe:
“Matokia, anaka,
ny finoanao no nahasitrana anao.”
Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.
Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa
ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba,
dia nanao hoe:
“Mialà ianareo,
fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.”
Dia nihomehezan’ireo Izy.
Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy,
ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 9. 9-10)
Hoy ny Tompo hoe:
“Mifalia amin’ny hafaliana lehibe, ry zanaka vavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry zanakavavin’i Jerosalema!
Fa indro ny Mpanjakanao avy ho aty aminao;
marina Izy sady arovan’Andriamanitra;
manetry tena mitaingina ampondra, dia ampondra tanora, zanak’ampondravavy.
Hofoanako tsy hisy ny kalesy fiadiana any Efraima, mbamin’ny soavaly ao Jerosalema.
Ary hopotehina ny tsipìka fiadiana.
Hilaza fiadanana amin’ny firenena Izy;
ny Fanjakany dia hahatratra ny hatramin’ny ranomasina ka hatramin’ny ranomasina;
ary hatramin’ny ony ka hakamin’ny faran’ny tany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 144, 1-2. 8-9. 10-11. 13de-14
Manandratra Anao aho, ry Andriamanitro Mpanjaka;
ny Anaranao isaorako mandrakizay mandrakizay.
Misaotra Anao isan’andro aho
sy midera ny Anaranao mandrakizay.
Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be fitiavana;
tsara amin’izao rehetra izao ny Tompo,
ny asany rehetra angorahany.
Midera Anao, ry Tompo, ny asanao rehetra,
misaotra Anao ny mpivavaka aminao;
ny voninahitry ny Fanjakanao resahiny,
ny asanao mahery teneniny.
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo,
tsara fo amin’ny asany rehetra;
ny Tompo eo anilan’izay miantso Azy,
dia ireo izay miantso Azy marina.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 9. 11-13)
Ry kristianina havana,
ianareo dia tsy ao amin’ny nofo, fa ao amin’ny Fanahy,
raha mitoetra ao anatinareo koa ny Fanahin’Andriamanitra.
Raha misy tsy manana ny Fanahin’i Kristy, dia tsy an’i Kristy izy.
Ary raha ny Fanahin’izay nanangana an’i Jesoa ho velona no mitoetra ao anatinareo,
dia izay nanangana an’i Kristy Jesoa koa no hamelona ny vatanareo mety maty,
noho ny Fanahiny izay mitoetra ao aminareo.
Koa amin’izany, ry kristianina havana,
tsy mpitrosa amin’ny nofo isika, ka ho velona ara-nofo.
Satria raha velona ara-nofo ianareo, dia ho faty;
fa raha vonoinareo amin’ny Fanahy ny asan’ny nofo, dia ho velona ianareo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-30)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe:
“Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany,
fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao,
ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa.
Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray;
ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy.
Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana,
fa hanamaivana anareo Aho.
Ento ny jiogako, ary mianara amiko,
fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho,
dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo,
fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 27, 1-5. 15-29)
Efa antitra i Isaaka ka efa nanjavona ny masony ka tsy nahita intsony.
Dia niantso an’i Esao zanany lahimatoa izy, ka nanao taminy hoe:
“Anaka.”
Ary hoy io taminy:
“Inty aho.”
Dia hoy i Isaaka:
“Hitanao fa efa antitra aho izao;
ary tsy fantatro izay andro hahafatesako.
Koa ankehitriny, alao ny fitaovanao, dia ny tranon-janatsipìkanao sy ny tsipìkanao,
ka mandehana any an-tsaha, ka mamonoa biby fihaza ho ahy.
Dia anaovy nahandro tsara ho ahy izany, araka ilay tiako;
ka ento aty amiko hohaniko,
mba hitsofan’ny fanahiko rano anao, dieny mbola tsy maty aho.”
Ary henon-dRebekà kosa ny nitenenan’i Isaaka tamin’i Esao, zanany;
dia lasa i Esao nankany an-tsaha mba hiremby haza sy hitondra azy.
Ary nalain-dRebekà ny fitafian’i Esao, zanany lahimatoa, ny tsara indrindra, izay tao an-trano,
ka nampitafiany an’i Jakôba, zanany lahiaivo.
Dia nofonosiny tamin’ny hodin-janak’osy koa ny tanany mbamin’ny malambolambo amin’ny vozony.
Izay vao nataony an-tanan-janany ny nahandro tsara sy ny mofo efa namboariny.
Dia nankao amin-drainy i Jakôba, ka nanao hoe:
“Dada ô!”
Dia hoy i Isaaka:
“Inty aho, iza moa ianao, anaka?”
Ary hoy i Jakôba tamin-drainy:
“Izaho no Esao zanakao lahimatoa.
Vitako ny nasainao nataoko, ka masìna ianao,
miarena ary mipetraha hihinana ny hazako,
mba hitsofan’ny fanahinao rano ahy.”
Fa hoy i Isaaka tamin-janany:
“Ahoana no dia nahazoanao faingana toy izany anaka?”
Ka hoy i Jakôba:
“Ny Tompo Andriamanitrao no nahatonga azy teo anoloako.”
Ary hoy i Isaaka:
“Manatòna àry, mba hitsapako anao kely,
na ianao tokoa no Esao zanako na tsia.”
Dia nanatona an-drainy i Jakôba;
ka hoy i Isaaka nony nitsapa azy:
“Ny feony dia feon’i Jakôba,
fa ny tanany dia tanan’i Esao.”
Tsy nahalala azy izy, satria voloina tahaka ny an’i Esao rahalahiny ny tanany,
ka dia nitso-drano azy izy.
Hoy izy:
“Marina tokoa va fa ianao no Esao zanako?”
Ary hoy i Jakôba:
“Izaho no izy.”
Dia hoy i Isaaka:
“Arosoy àry hohaniko izato hazan’ny zanako,
mba hitsofan’ny fanahiko rano anao.”
Dia naroson’i Jakôba teo anoloany izany ka nihinana izy
ary notolorany divay koa, ka nisotro.
Rahefa izany, hoy i Isaaka rainy, taminy:
“Manatòna ianao, anaka, manoroha ahy.”
Dia nanatona i Jakôba ka nanoroka azy;
ary nandre ny hanitry ny fitafiany i Isaaka,
ka nitso-drano azy nanao hoe:
“Eny, ny hanitry ny zanako,
dia tahaka ny hanitry ny saha voatso-dranon’ny Tompo.
Andriamanitra anie hanome anao amin’ny andon’ny lanitra sy amin’ny menaky ny tany;
mbamin’ny vary aman-divay ankabetsahana!
Hotompoim-pirenena maro anie ianao, hiankohofam-pirenena maro ianao;
hotompoin’ny rahalahinao anie ianao;
hiankohofan’ny zana-dreninao ianao;
ho voaozona anie izay hanozona anao;
fa hohasoavina kosa izay hanisy soa anao!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 134, 1-2. 3-4. 5-6
Derao ny Tompo!
Derao Izy, ry mpanompon’ny Tompo,
ianareo izay mijanona ao an-tranon’ny Tompo,
ao an-kianjan’ny tranon’ny Andriamanitsika!
Derao ny Tompo fa tsara!
Antsao ny Anarany fa mamy!
Fa i Jakôba nofidîn’ny Tompo ho azy;
i Israely, ho fananany!
Fantaro fa lehibe ny Tompo.
Mihoatra ny andriamanitra rehetra ny Andriamanitsika!
Izay sitraky ny Tompo, ataony avokoa:
any an-danitra sy eto an-tany.
Aleloia. Aleloia.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Izy,
mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 14-17)
Tamin’izany andro izany,
nankao amin’i Jesoa ny mpianatr’i Joany ka nanao hoe:
“Nahoana izahay sy ny Farisianina no mifady hanina matetika,
fa ny mpianatrao kosa no tsy mba mifady?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra?
Fa mbola ho avy ny andro hanesorana ny mpampakatra hiala aminy,
ka amin’izay vao hifady hanina izy.
Ary tsy misy olona manampina akanjo tonta amin’ny tapa-damba vaovao,
fa handrovitra ny tonta ny vao ka hitatra ny rovitra.
Ary ny barìka hoditra tonta tsy mba fasiana divay vaovao;
fa raha izany, dia ho vaky ny barìka, ka ny divay raraka, ary ny barìka simba;
fa ny barìka hoditra vaovao no fasiana divay vaovao, dia samy maharitra izy roroa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 23, 1-4. 19 ; 24, 1-8. 62-67)
Ny andro niainan’i Sarà dia fito amby roapolo amby zato taona, izany no taona niainany.
Ary i Sarà dia maty tany Kiriatarbe, dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana;
ka tonga i Abrahama hisaona an’i Sarà sy hitomany azy.
Dia nitsangana i Abrahama niala teo anilan’ny maty,
ka niteny tamin’ny zanak’i Heta hoe:
“Olona hafa firenena sy vahiny eto aminareo aho,
ka mba avelao aho hanana tany fandevenana eto aminareo,
mba hisy hanalako ny fatin’ny vadiko tsy ho eto anoloako, sy handevenako azy.”
Izay i Abrahama vao nandevina an’i Sarà vadiny, tao an-johin’i Makpelà,
tandrifin’i Mambre dia i Hebrôna izany, any amin’ny tany Kanaana.
Efa zokiolona sy nandroso fahanterana i Abrahama
sady nosoavin’ny Tompo tamin’ny zavatra rehetra.
Ary hoy i Abrahama tamin’ny mpanompony,
ilay tranainy indrindra tao an-tranony, nikarakara ny fananany rehetra:
“Ataovy ato ambanin’ny feko ny tananao,
hampianianako anao amin’ny Anaran’ny Tompo Andriamanitry ny lanitra sy Andriamanitry ny tany
fa tsy haka vady ho an’ny zanako ao amin’ny zanakavavin’ny Kananeanina,
izay iraisako monina, ianao,
fa any amin’ny tanindrazako, any amin’ny tany niaviako
no halehanao haka vady ho an’i Isaaka zanako.”
Ary hoy ny navalin’ilay mpanompony:
“Angamba tsy hety hiaraka amiko hankaty amin’ity tany ity ny vehivavy;
ka ny zanakao ve no tokony hoentiko mankany amin’ny tany niavianao?”
Hoy i Abrahama taminy:
“Tandremo sao dia entinao mankany ny zanako.
Ny Tompo Andriamanitry ny lanitra izay naka ahy tao an-tranon’ny raiko,
sy tany amin’ny tany nahaterahako, izay niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe:
‘Homeko ny taranakao ity tany ity’,
dia Izy ihany koa no haniraka ny Anjeliny eo alohanao,
ka haka vady avy any ho an’ny zanako ianao.
Ary raha tsy mety hanaraka anao ny vehivavy
dia afaka amin’izao fianianana ampanaoviko izao ianao;
fa aza entina mankany ny zanako.”
Tamin’izany i Isaaka tonga avy any amin’ny fantsakan’i Kaï-Roy
ka nonina teo amin’ny tany Atsimo.
Indray hariva, raha ilay nivoaka mba hieritreritra tany an-tsaha iny izy,
ka nanopy ny masony, dia indreny misy rameva tamy.
I Rebekà koa nanopy ny masony ka nahatazana an’i Isaaka,
dia nitsambikina niala teny amin’ny rameva;
ary nanao tamin’ilay mpanompo hoe:
“Iza iry lehilahy eny an-tsaha tamy hitsena antsika iry?”
Dia hoy ilay mpanompo:
“Ny tompoko iny.”
Koa dia noraisin-dRebekà ny voaliny, dia nisaronany.
Nambaran’ity mpanompo tamin’i Isaaka avokoa ny zavatra rehetra nataony.
Dia nampandrosoin’i Isaaka i Rebekà ho ao an-dain’i Sarà reniny,
sady nampakariny ho vady.
Ary tia azy izy, ka nionona ny alahelony an-dreniny.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 105, 1-2. 3-4a. 4b-5
Derao ny Tompo fa tsara:
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.
Iza no hahalaza ny Asa maherin’ny Tompo?
Zovy no hahaventy ny fiderana Azy rehetra?
Sambatra izay mitandrina ny rariny,
sy manao ny hitsiny amin’ny fotoan-drehetra!
Tsarovy izahay, ry Tompo,
izay tia ny vahoakanao!
Vangio amin’ny famonjenao izahay:
te-hahita ny hasambaran’ny Voafidinao,
sy hifaly amin’ny fifalian’ny firenenao!
Eny, izahay te-hiravo miaraka amin’ny Lovanao.
Aleloia. Aleloia.
Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo;
Izaho mahalala azy ary izy manaraka Ahy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 9-13)
Tamin’izany andro izany, tao Kafarnaôma,
nony niala teo amin’ilay malemy nositraniny i Jesoa
dia nahita lehilahy anankiray atao hoe Matio,
nipetraka teo am-pamorian-ketra, ka hoy Izy taminy:
“Andeha hanaraka Ahy ianao.”
Dia nitsangana izy ka nanaraka Azy.
Ary raha nisakafo tao an-tranon’i Matio i Jesoa,
dia nisy poblikanina sy mpanota betsaka tonga niara-nihinana tamin’Izy sy ny mpianany.
Ka nony nahita izany ny Farisianina, dia nilaza tamin’ny mpianany hoe:
“Nahoana ity Mpampianatrareo
no miara-mihinana amin’ny poblikanina sy ny mpanota?”
Fa hoy i Jesoa nandre izany:
“Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary.
Mandehana àry ianareo ka fantaro ny hevitr’izao teny izao:
Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona;
fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco