Vakiteny faharoa
Taratasy faharoan’i Masindahy Piera Apôstôly (2 Pier. 1, 2-7)
Noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy, mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo.
Ry kristianina havana,
hitombo ao aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana amin’ny fahalalana an’Andriamanitra sy i Jesoa Tompontsika.
Ny herin’Izy Andriamanitra no nanome antsika ny zavatra rehetra
momba ny fiainana sy ny fitiavam-bavaka,
fa Izy no nampahalala antsika tsara an’Ilay niantso antsika
noho ny voninahiny sy ny fahatsarany;
dia noho ireo koa no nanomezany antsika ny zava-dehibe sy sarobidy indrindra nampanantenaina antsika,
mba ho tongan’izany ho mpiombona amin’ny fomban’Andriamanitra ianareo,
rahefa afaka tamin’ny fahalovan’ny filan-dratsin’izao tontolo izao.
Ka noho izany, aoka kosa ianareo hikely aina fatratra,
ka ny finoanareo asio hatsaram-panahy;
ny hatsaram-panahy, fahalalana;
ny fahalalana, fahalalana onony;
ny fahalalana onony, fandeferana;
ny fandeferana, fitiavam-bavaka;
ny fitiavam-bavaka, fitiava-namana;
ny fitiava-namana, fitiavana an’Andriamanitra.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 90, 1-2. 14-13ab. 12d-16
Ry Andriamanitra itokiako!
Izany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’ilay Avo.
Velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
O! ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho.
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.
Fa matoky ny fitiavako izy hany ka vonjeko.
Nahafantatra ny Anarako: tsenaiko famonjena.
Hovaliako raha miantso, hovonjeko raha mijaly.
Raha tojo fitsapana, tsy havelako hanirery.
Izaho ho tonga hanafaka azy eo anivom-pahavalo.
Sy ho avy hanandratra azy eo anivom-pahoriana.
Ka homeko tombon’andro sesehena koa izy;
hanekeko izany vonjiko fa sitrako izany.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny tenin’ny fahamarinana Andriamanitra mba ho santatry ny zava-boaariny isika.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 1-12)
Nosamborin’izy ireo ilay zanany malalany indrindra ka novonoiny, ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny fanoharana
tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona nanao hoe:
“Nisy lehilahy anankiray namboly voaloboka, ka namefy azy manodidina,
nandavaka tany hanaovana famiazana, nanorina tilikambo tao,
ary nampanofa azy tamin’ny mpamboly voaloboka,
dia lasa nankany an-tany hafa.
Nony tonga ny fotoana,
dia naniraka ankizilahy anankiray ho any amin’ny mpamboly izy
mba handray ny vokatry ny tanim-boaloboka:
fa nosamborin’izy ireo ilay mpanompo, ka sady nokapohiny no nampodìny maina.
Dia naniraka ankizilahy hafa ho any aminy indray izy,
fa io koa dia sady noratrainy ny lohany no nalany baràka.
Ary naniraka ankizilahy anankiray hafa koa izy, fa novonoiny;
ary nisy maro hafa koa, fa ny sasany nokapohiny, ary ny sasany novonoiny.
Dia ny zanany lahitokana malalany indrindra no sisa tao aminy,
ka io no nirahiny tamin’ny farany, fa hoy izy:
‘Hanaja ny zanako izy.’
Kanjo ireto mpiasa nifampilaza hoe:
‘Intý ny mpandova; andeha hovonointsika izy, dia ho lasantsika ny lova.’
Dia nosamboriny izy ka novonoiny,
ary natsipiny any ivelan’ny tanim-boaloboka.
Inona àry no hataon’ny tompon’ny tanim-boaloboka amin’izany?
Ho avy izy ka ny mpiasa haringany, ary ny tanim-boalobony hafindrany amin’ny hafa.
Moa tsy mbola novakinareo va ny teny ao amin’ny Soratra Masina hoe:
‘Ny vato narian’ny mpanao trano no tonga vato fehizoro;
avy tamin’Andriamanitra izao ka mahagaga eo imasontsika?’”
Ary nitady hisambotra Azy izy ireo,
satria fantany fa Izy ihany no lazainy amin’izany fanoharana izany,
saingy natahotra ny vahoaka izy;
koa nandao Azy, dia lasa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.