Vakiteny voalohany

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’i Timôte (2 Tim. 2, 8-15)

Tsy mba voafetra ny tenin’Andriamanitra. Raha miara-maty aminy isika dia hiara-belona aminy koa.

Ry malala,
tsarovy fa i Jesoa Kristy, Ilay avy amin’ny taranak’i Davida,
dia nitsangan-ko velona araka ny Evanjely torìko,
izay iaretako fijaliana hatramin’ny fatorana toy ny olon-dratsy aza;
ny tenin’Andriamanitra anefa tsy mba voafatotra.
Noho izany, dia miaritra ny zavatra rehetra aho, noho ny amin’ny olom-pinidy,
mba hahazoan’izy ireo koa ny famonjena izay ao amin’i Kristy Jesoa,
mbamin’ny voninahitra mandrakizay.
Teny mahatoky tokoa izao:
raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa;
raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy;
raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;
raha mivadika isika, Izy tsy mivadika na oviana na oviana,
fa tsy mahazo mandà ny tenany.
Ampahatsiarovy ny olona izany,
ary anaro eo anatrehan’Andriamanitra izy mba tsy hiady teny foana,
satria tsy mahasoa akory izany, fa mamohehatra ny mpihaino aza.
Mikeleza aina mba hiseho amin’Andriamanitra ho lehilahy voazaha toetra,
sy mpanompo tsy mahazo henatra, ary mizotra mahitsy amin’ny teny fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 4bd-5ab. 8-9. 10 sy 14

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy.
na: Ambarao anay ny sitrakao, ry Ray, hotanterahinay.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy,
ny soritrao ampianaro ahy.
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsara fo sy mahitsy ny Tompo.
Ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Ny lalan’ny Tompo rehetra hatsaram-po sy fahamarinana
amin’ny mpitandrina ny fanekeny sy ny fanambaràny.
Ny tsiambaratelon’ny Tompo ho an’izay matahotra Azy;
ny fanekeny manome fahalalana tokoa azy ireo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 12, 28b-34)

Izany no didy voalohany, ary ny faharoa mitovy aminy koa.

Tamin’izany andro izany,
nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa sy nanontany Azy hoe:

“Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?”

Ary i Jesoa namaly azy hoe:

“Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia itý:
Mihainoa, ry Israely:
ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana;
koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy amin’ny fanahinao rehetra, sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra.
Izany no didy voalohany.
Ary itý no faharoa mitovy aminy ihany koa:
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.
Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.”

Dia hoy ilay mpampiana-dalàna taminy:

“Tsara izany, ry Mpampianatra,
marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra,
ary tsy misy hafa afa-tsy Izy,
ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra sy amin’ny fanahy rehetra, ary amin’ny hery rehetra
ary ny tia namana tahaka ny tena,
dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.”

Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy,
dia hoy Izy taminy:

“Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.”

Ary hatramin’izay, dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàalana] Zoma 27 septambra 2024

♦ Hateloana andro izao no nankalazana ny fetin'i Masindahy Vincent de Paul, ho an'ny Diôsezin'i Tolagnaro, nanomboka ny 25 septambra 2024... ♦ Nandresy ny demony i Kristy ary nanome antsika ny Fanahy Masina, mba handresentsika toa azy koa. Io no hevi-dehibe nifantohan'ny Papa François nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny 25 septambra 2024... ♦ Nanentana ny hisian'ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kinan'ny firenena ny Papa François, tamin'ny Fitsidihana apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-46, nataony tany Luxembourg...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...