Vakiteny voalohany

Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 17, 22-24)

Ny Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko;
holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany,
ka hamboleko eo antampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina.
Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy;
handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona
honenan’izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny,
honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha,
fa Izaho Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry;
nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina.
Izaho Tompo no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 91, 2-3. 13-16

Ny voa nafafy e tsy maintsy maty e, mba hamokarany zato heny.

Tsara ny misaotra ny Tompo,
ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra,
ny mitory ny fitiavanao vao maraina
sy ny fahamarinanao raha alina.

Ny olo-marina mamololona toa antrendry,
misandratra avo toa sederan’i Libàna;
ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry,
an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.

Na antitra aza izy mbola mamokatra,
milenodenoka, ho ranon-kazo:
ka maneho fa mahitsy ny Tompo;
ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 6-11)


Ikelezanay aina ny mba hankasitrahin’ny Tompo, na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.

Ry kristianina havana, noho izahay manana toky mandrakariva,
sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana
(satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana),
dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana,
mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina, mba hankasitrahin’ny Tompo,
na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy,
mba handraisantsika tsirairay avy,
izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana,
na soa na ratsy izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)

Kely amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany ny voan-tsinapy fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra rehefa voafafy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka hoe:

“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany,
dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana”.

Ary hoy indray Izy:

“Amin’inona no hampitahantsika ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony”.

Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...