Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (1 Mpanj. 21, 1-16)

Notoraham-bato i Nabôta ka maty.

Tamin’izany andro izany,
nanana tanim-boaloboka anankiray i Nabôta avy ao Jezrahela,
ary teo akaikin’ny lapan’i Akaba mpanjakan’i Samaria izany.
Ka niteny tamin’i Nabôta i Akaba nanao hoe:

“Avelao mba ho ahy ny tanim-boalobokao,
hataoko fambolem-boaloboka tsara noho izy no homeko ho takalony,
na vola araka izay vidiny, raha izany no sitrakao.”

Fa hoy i Nabôta namaly an’i Akaba:

“Hampanalavirin’ny Tompo ahy anie ny hanome ny lova avy amin’ny razako.”

Nody tany an-tranony i Akaba,
nanjombona sy sosotra noho ity teny nolazain’i Nabôta avy any Jezrahela taminy hoe:
Tsy omeko ny lova avy amin’ny razako.
Dia nandry tao am-parafarany izy nampiamboho ny tavany ary tsy nihinan-kanina.

Fa nankeo aminy i Jezabela vadiny, ka nanao taminy hoe:

“Nahoana no manjombona ny fanahinao ary tsy homan-kanina ianao?”

Ary hoy ny navaliny azy:

“Niteny tamin’i Nabôta avy any Jezrahela aho, nanao taminy hoe:
‘Avelao hovidiko vola ny tanim-boalobokao, na hotakalozako tanim-boaloboka hafa, raha aleonao izany.’
Fa hoy izy hoe: ‘Tsy homeko anao ny tanim-boaloboko.’

Dia hoy i Jezabela vadiny taminy:

“Moa tsy ianao va no tompon’ny fanjakana amin’i Israely ankehitriny?
Koa miarena, hano ny hanina, ary aoka hifaly ny fonao,
fa tenako no hanome anao ny tanim-boalobok’i Nabôta avy ao Jezrahela.”

Dia nanoratra taratasy tamin’ny anaran’i Akaba izy,
nasiany tombo-kasen’ny mpanjaka,
nalefany ho amin’ny loholona sy ny andriam-baventy ao an-tanàna miara-monina amin’i Nabôta.
Ary izao no nosoratany ao amin’ny taratasy:

“Miantsoa andro fifadian-kanina ka apetraho eo alohan’ny vahoaka i Nabôta
ary manangàna olon’i Beliala roa lahy eo anatrehany hiampanga azy toy izao:
‘Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka ialahy!’
Dia ento mankany ivelany izy, ka torahy vato ho faty.”

Nanao araka izay nanirahan’i Jezabela holazaina aminy
araka izay voasoratra amin’ny taratasy nampitondrainy azy,
ny olona tao an-tanànan’i Nabôta,
ny loholona sy ny andriam-baventy nonina tao an-tanànany.
Niantso andro fifadian-kanina izy,
napetrany teo alohan’ny vahoaka i Nabôta,
ary nandroso ho eo anatrehany ny olona roa lahy zanak’i Beliala.
Ary niampanga an’i Nabôta nanao hoe:

“Nanozona an’Andriamanitra sy ny mpanjaka i Nabôta!”

Dia nentin’izy ireo nankany ivelan’ny tanàna izy, notoraham-bato ka maty.
Dia naniraka tany amin’i Jezabela izy ireo, nilaza hoe:

“Notoraham-bato i Nabôta ka maty.”

Nony ren’i Jezabela fa notoraham-bato i Nabôta ka maty,
dia hoy izy tamin’i Akaba:

“Mitsangàna ka alao ho anao ny tanim-boalobok’i Nabôta avy any Jezrahela
izay nolaviny tsy hamidiny vola taminao,
fa efa tsy velona intsony i Nabôta, fa efa maty izy.”

Rahefa ren’i Akaba fa hoe maty i Nabôta, dia niainga izy,
nidina nankany amin’ny tanim-boalobok’i Nabôta avy ao Jezrahela
haka izany ho azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 5, 2-3. 5-6. 7

Mba henoy ny fitarainako, ry Tompo.

Tompo ô, mba henoy ny teniko,
mba fantaro ny eritreritro!
Ry Mpanjaka sy Andriamanitra ô!
mandrenesa ny feoko miantso!

Tsia, tsy mba Andriamanitra tia ratsy Ianao;
ny olon-dratsy tsy mba monina ao aminao;
ny adala tsy mijoro eo anoloan’ny masonao,
ny mpanao ratsy rehetra tsy tohanao.

Ny mpiteny lainga levoninao;
ny tia ra, ny mpamitaka, halan’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny Vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 38-42)

Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Efa renareo fa voalaza hoe: Maso efai-maso, nify efai-nify.
Fa Izaho kosa milaza aminareo tsy hamaly ratsy akory;
fa raha misy mamely tehamaina ny takolakao ankavanana,
dia atolory azy koa ny ilany;
ary raha misy te-hiady aminao mba hahazoany ny akanjonao,
dia afoizo ho azy koa ny lambanao;
ary raha misy manery anao hiaraka aminy arivo dingana,
miaraha aminy roa arivo.
Omeo izay mangataka aminao,
ary aza ilaoza-mihataka izay te-hisambotra aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...