♦ Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika eny amin'ny Foibeny eny Alarobia ny CENI nanomboka ny maraina teo. Nahiliny any amin'ny HCC ny fanapahan-kevitra momba ireo fitoriana tsy fahatomombànana sy tsy fanarahan-dalàna samihafa... ♦ Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly ny amin'ny solontenan'ny Sendikà mitondra ny fitakian'ny mpiasa malagasy amin'ny Foiben'ny OIT any Génève. Mandika ny lalàna velona ny Ministeran'ny asa tamin'ny nanendrena izany solontena izany, hoy izy ireo... ♦ Hiatrika ny fifanitsanana "Mondial 2026" amin'i Mali indray anio tolak'andro ny Barean'i Madagasikara. Karazana lalao famaranana io lalao io hoy i Titi Rasoanaivo, ary tsy misy ifandraisany amin'ny endri-dalao tamin'ny Comores mihitsy...

[audio src="/images/sounds/jmi-20240611.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...