Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 20-23)
Izao no tenin’ny Tompo Nahary:
Ho hita mirohotra indray ireo firenena sy ny mponina
avy amin’ny tanàn-dehibe maro.
Dia hifanatona ny olona samihafa fiaviana, hifampilaza hoe:
“Andao re isika hifona amin’ny Tompo hitady azy Tompo Nahary.
Fa izaho koa handeha ho any!”
Eny, vahoaka maro sy firenena matanjaka no ho avy ao Jerosalema,
hitady ny Tompon’ny hery rehetra,
sy hifona eo anatrehany.
Ary izao no tenin’ny Tompo Nahary:
amin’izany andro izany,
dia hisy folo lahy avy amin’ny firenena rehetra samihafa fiteny,
hihazona mafy ny sisin-damban’ny Jody anankiray, hilaza aminy hoe:
“Izahay te-hiara-dia aminareo;
satria efa renay fa miaraka aminareo Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 86, 1-3. 4-5. 6-7
Ry Siôna, ry Siôna ô, eny an-tendrombohitra masina
no naorin’ny Tompo ianao, Ilay Tompo tsy mahafoy anao.
Ny fonenan’i Jakôba: maromaro ihany izy ireny
fa ianao no andrian’ny fony, tiany mihoatra ny sisa rehetra.
I Rahaba sy Babela: mahafantatra ahy izy ireo,
ary i Tira sy i Filistia, ary i Etiôpia sy ny hafa.
Izao no ambara momba ireo: Izy, hono, teraka tao!
I Siôna tsy tahaka izany: Ny rehetra no teraka tao!
Ny Avo indrindra, ry Siôna, manamafy orina anao!
Hosoratany anatin’ny boky ny Vahoaka fa: teraka tao.
Ny andriana eran-tany, toy ny Zanakao tsisy hafa!
Izy ireo samy faly milaza: fa Ianao loharano niaviany.
Aleloia. Aleloia.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
Nony efa antomotra ny andro
tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao,
dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy
ka nandefa iraka nialoha Azy.
Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray
tany amin’ny Samaritanina,
mba hanomana ny fandraisana Azy;
fa tsy nisy nandray Azy ny olona,
satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy.
Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe:
“Tompoko,
tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy
handevona azy?”
Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe:
“Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo.
Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.”
Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Zakaria Mpaminany (Zak. 8, 1-8)
Tonga ny tenin’ny Tompon’ny tafika nanao hoe:
“Saro-piaro dia saro-piaro an’i Siôna Aho,
sady entim-pahatezerana mafy Aho, noho ny aminy.
Tafaverina eto Siôna Aho,
ka te-honina eo afovoan’i Jerosalema;
i Jerosalema hantsoina hoe:‘Ny tanànan’ny fahamarinana’;
ary ny tendrombohitry ny Tompon’ny tafika, hatao hoe:
‘Ny tendrombohitry ny fahamasinana.’
Mbola hisy anti-dahy sy anti-bavy indray,
hipetraka eny amin’ny kianja any Jerosalema,
samy hitana tehina avy noho ny andro niainany efa maro.
Ny kianjan’ny tanàna ho feno zazalahy aman-jazavavy
milalao eny amin’ny kianjany.
Amin’izany andro izany,
na hiseho ho zava-mahagaga aza izany
eo imason’izay sisa amin’itý firenena itý;
moa ho zava-mahagaga eo imasoko koa va izany?
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Indro Aho hanafaka ny vahoakako avy any amin’ny tany atsinanana sy ny tany andrefana; hoentiko mody izy honina ao afovoan’i Jerosalema,
ka izy ho vahoakako ary Izaho ho Andriamanitr’izy ireo
amin’ny rariny sy ny hitsiny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 101, 16-18. 19-21. 29 sy 22-23
Hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena,
ny voninahitrao, ny Mpanjaka rehetra eran-tany!
Ny Tompo mantsy hanorina an’i Siôna,
ka hiseho anatin’ny voninahiny,
hanatrika ny vavak’izay norobaina,
tsy hanosika ny talahon’izy ireo!
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana:
ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho àry!
Avy any an-toerany Masina any ambony Izy mitsinjo,
avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany:
hahahenoany ny senton’ny mpifatotra,
hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.
Ny zanaky ny mpanomponao handry fehizay,
ary ny taranany hijoro eo anoloanao!
Ka ho voatantara ao Siôna ny Anaran’ny Tompo,
sy ao Jerosalema ny fiderana Azy,
raha ho tafaray mba hanompo ny Tompo
ireo vahoaka sy ireo fanjakana!
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)
Tamin’izany andro izany,
nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra,
dia ny amin’izay lehibe aminy.
Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony,
ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:
“Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako
dia mandray Ahy,
ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy;
fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra
dia izy no lehibe.”
Dia niteny i Joany nanao hoe:
“Ry Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay,
ka noraranay,
satria tsy namantsika izy.”
Fa hoy i Jesoa taminy:
“Aza raràna,
fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny safidy amin'ny maha kristiana antsika dia tokony hisafidy ny hisian'ny fahamarinana eo amin'ny sehatry ny fifandraisana rehetra. Ireo sehatry ny fifandraisana tokony hisian'ny fahamarinana dia : ny tokantrano, ny firaha-monina ary ny firenena. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ezek. 18, 25-28)
Izao no nolazain’ny Tompo: Ianao manao hoe:
“Tsy marina ny lalan’ny Tompo!”
Mihainoa àry, ry taranak’i Israely:
Moa ny lalako va no tsy mahitsy?
Moa tsy ny lalanareo va no tsy mahitsy?
Raha miala amin’ny fahamarinany ny marina,
ka manao ny tsy marina ary maty amin’izany,
dia noho ny tsy marina nataony no ahafatesany.
Fa raha miala amin’ny haratsiana nataony kosa ny ratsy fanahy
ka manaraka ny hitsiny sy ny rariny amin’ny ataony,
dia hamelona ny fanahiny izy.
Raha sokafany ny masony,
ka miala amin’ny fahadisoana rehetra nataony izy,
dia ho velona tokoa izy fa tsy ho faty.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 24, 4-5ab. 6-7. 8-9
Ny lalanao, ry Tompo, atoroy ahy;
ampianaro ahy ny soritrao.
Ny fahamarinanao itarihana ahy,
Ianao no Andriamanitra Vonjiko.
Tsarovy ny indrafonao sy ny fitiavanao
izay efa hatramin’ny fahagola.
Noho ny fitiavanao, ry Tompo,
hadinoy ny otako fahazaza.
Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ny mpanota toroany lalana,
ny ory entiny amin’ny marina,
asehony azy ireo ny lalany.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany FiIipy (Fil. 2, 1-11)
Ry kristianina havana,
raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo,
na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany,
raha misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika,
ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina,
ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana
na filan-dera foana,
fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
samy tsy hihevitra ny azy ihany,
fa ny an’ny namany koa.
Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa, dia izao:
na dia tao amin’ny fomban’Andriamanitra aza Izy,
dia tsy nihevitra ny fitoviany saranga amin’Andriamanitra
ho zavatra nobaboiny,
fa nialàny izany tamin’Izy naka ny fomban’ny mpanompo,
ka tonga mitovy amin’ny olombelona,
sy hita ho olombelona tamin’ny fisehoany rehetra,
ary nilatsa-tenany ho ambany,
nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana,
dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana.
Ho valin’izany kosa,
dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy,
sy nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra,
mba handohalika amin’ny Anaran’i Jesoa avokoa ny lohalika rehetra,
na ny any an-danitra, na ny ety an-tany, na ny any ambany,
ary mba hanaiky avokoa ny lela rehetra,
fa i Jesoa Kristy dia Tompo efa niditra amin’ny voninahitr’Andriamanitra Ray.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany FiIipy (Fil. 2, 1-5)
Ry kristianina havana,
raha mba manana famporisihana ao amin’i Kristy koa ianareo,
na manana fanalana alahelo amin’ny fitiavana ihany,
raha misy firaisam-po amam-panahy koa amintsika,
ka mba misy fitserana amam-pangorahana ahy ihany aminareo,
dia fenoy tanteraka ny hafaliako amin’ny firaisanareo saina,
ka hiray fitiavana, hiray fo, hiray hevitra,
tsy hanao na inona na inona amin’ny fifampiandaniana
na filan-dera foana,
fa samy hanetry tena sy hanao ny namany ho ambony noho ny tenany avy,
samy tsy hihevitra ny azy ihany,
fa ny an’ny namany koa.
Manàna ny saina amam-po hita tao amin’i Kristy Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 21, 28-32)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona nanao hoe:
“Ahoana no hevitrareo?
Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka roa lahy,
dia nanatona ny lahy matoa izy ka nanao taminy hoe:‘Andeha, anaka, miasa any amin’ny tanimboaloboka anio’.
Fa hoy izy:
‘Tsy handeha aho’.
Kanjo nony afaka izany,
nanenina izy ka nandeha ihany.
Dia nankeo amin’ilay iray indray izy ka nilaza toraka izany koa.
Hoy io:‘Handeha aho, tompoko’;
kanefa tsy nandeha izy.
Iza moa amin’izy roa lahy no nanao ny sitra-pon’ny rainy?”
Hoy ireo:
“Ny lahy matoa”.
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Izaho milaza marina aminareo
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no efa mialoha anareo,
ho amin’ny Fanjakan’Andriamanitra;
fa tonga teo aminareo tamin’ny lalan’ny fahamarinana i Joany,
nefa ianareo tsy nino azy;
fa ny poblikanina sy ny vehivavy janga no nino azy;
ary ianareo, na dia nahita izany aza,
dia tsy mbola nanenina akory mba hinoanareo azy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Zakaria mpaminany (Zak. 2, 5-9a. 14-15a)
Nanopy ny masoko aho, ka nahita:
ka indro nisy lehilahy nitondra kofehy famolaina teny an-tanany.
Dia hoy aho:
“Ho aiza ianao?”
Ary hoy izy tamiko:
“Handrefy an’i Jerosalema
hahitana izay hatao sakany sy izay hatao lavany.”
Tamin’izay niseho ilay Anjely niresaka tamiko,
sady nisy Anjely anankiray hafa niseho hitsena azy;
ka hoy izy taminy hoe:
“Mandehàna faingana,
milazà amin’io zatovo io, ataovy hoe:
Honenana toy ny tanàna tsy mimanda i Jerosalema,
fa ho betsaka loatra ny olona sy ny biby ao aminy.
Ary Izaho,
— teny marin’ny Tompo —
no ho manda afo manodidina azy
sy hahazo voninahitra eo afovoany.
Manaova hobim-pifaliana sy miravoravoa, ry zanakavavin’i Siôna,
fa indro Aho tamy, ary honina ao afovoanao,
— teny marin’ny Tompo —.
Amin’izany andro izany,
maro ny firenena hiraiki-po amin’ny Tompo,
ka ho vahoakako izy ireo;
ary Izaho honina ao afovoanao.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Jer. 31, 10. 11-12ab. 13
Henoy, ry firenena, ny tenin’ny Tompo,
ampandreneso ny Nosy any lavitra!
Ilay nampiely an’i Israely dia hanangona,
ary ho toy ny mpiandry miambina ny ondriny.
Eny, ny Tompo hanafaka an’i Jakôba,
sy hanavotra azy amin’ny tanan’ny mahery noho izy.
Ka ho avy amina hobin-kafaliana izy ireo
eny amin’ny havoan’i Siôna,
hankafy ny zava-tsoan’ny Tompo: ny vary sy divay,
diloilo, zanak’omby aman’ondry!
Amin’izay ny tovovavy dia hifaly amin-dihy;
ny tovolahy, ny zokiolona koa dia hitavana!
Ny fisaonany hampodìko ho haravoana,
hafaliana no hatambiko ny fahoriany!
Aleloia. Aleloia.
Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 44b-45)
Tamin’izany andro izany,
raha ilay mbola gaga tamin’izay rehetra nataon’i Jesoa iny ny vahoaka rehetra,
dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany:
“Alatsaho tsara ao amin’ny sofinareo izao rehetra izao,
satria tsy maintsy hatolotra eo am-pelatanan’ny olona ny Zanak’Olona.”
Fa tsy azon’izy ireo izany teny izany,
fa takona taminy ka tsy fantany,
sady tsy sahy nanontany Azy ny amin’izany izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’Akjea Mpaminany (Akjea 1, 15b — 2, 1-9)
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa,
tamin’ny volana fahafito, andro faharaika amby roapolon’ny volana,
tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea, mpaminany, nanao hoe:
“Lazao amin’i Zôrôbabela, zanak’i Salatiela, governora any Jodà,
sy amin’i Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe,
ary ny vahoaka sisa rehetra, ataovy hoe:
Iza aminareo sisa velona,
no nahita itý trano itý tanatin’ny voninahiny taloha,
sy ahoana no toetra ahitanareo azy ankehitriny?
Tsy toy ny tsinontsinona eo imasonareo va itý?
Ary ankehitriny matokia, ry Zôrôbabela
— teny marin’ny Tompo —.
Matokia, ry Jôsoe, zanak’i Jôsedeka, mpisorona lehibe.
Matokia ianareo vahoaka rehetra amin’ny tany
— teny marin’ny Tompo —,
ary miasà! fa momba anareo Aho,
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Mbola eo ihany ny fanekena nataoko taminareo,
fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta;
ary mitoetra eo aminareo ny Fanahiko;
koa aza matahotra akory.
Fa izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
indray mandeha ihany, sady tsy ho ela,
no mba hanozongozonako ny lanitra sy ny tany,
mbamin’ny ranomasina sy ny tanety.
Hanozongozona ny firenena rehetra Aho
ka ho tonga ny rakitry ny firenena rehetra;
ary hofenoiko voninahitra itý trano itý,
hoy ny Tompon’ny tafika.
Ahy ny volafotsy, Ahy ny volamena
— teny marin’ny Tompon’ny tafika —.
Ho lehibe ny voninahitr’itý Trano itý,
ny voninahitra farany hihoatra ny voalohany;
ary eto amin’itý fitoerana itý no hametrahako ny fiadanana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 42, 1-2. 3. 4
Omeo rariny aho, ry Andriamanitra,
iandanio manohitra ny firenena tsy mpivavaka!
Afaho amin’ny olona mpamitaka sy mpanao ratsy,
fa Ianao no Andriamanitra mandako!
Ahoana aho no mijoretra asiam-pahavalo?
Ny hazavana sy fahamarinanao alefa
hitarika ahy ka hahatonga
hatrany am-Bohitrao masina,
hatrany amin’ny Fonenanao.
Hankeo amin’ny ôtelin’Andriamanitra aho,
eo amin’ilay Andriamanitra fototry ny hafaliako,
ka hidera Anao amim-baliha,
ry Andriamanitra Andriamanitro.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 18-22)
Tamin’izany andro izany,
raha nivavaka tany amin’ny toerana mangingina i Jesoa
ka teo aminy koa ny mpianany,
dia nanontany azy ireo Izy nanao hoe:
“Ataon’ny vahoaka ho iza moa Aho?”
Ary namaly ireo ka nanao hoe:
“Ny sasany manao hoe:
i Joany Batista, ny sasany milaza hoe i Elia,
ary ny sasany manao hoe:
ny anankiray amin’ny mpaminany taloha
no nitsangan-ko velona.”“Fa ianareo kosa, hoy Izy,
mba manao Ahy ho iza?”
Dia namaly i Piera ka nanao hoe:
“I Kristin’Andriamanitra.”
Nefa norarany mafy izy ireo
mba tsy hilazalaza izany amin’olona,
sady nampiany hoe:
“Tsy maintsy hijaly mafy ny Zanak’Olona,
ka harian’ny loholona sy lehiben’ny mpisorona
mbamin’ny mpanora-dalàna ary hovonoiny;
fa hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Daniely Mpaminany (Daniely 7, 9-10. 13-14)
Nijery aho, ka nahita seza fiandrianana,
izay nipetrahan’ny Anti-dahy anankiray,
fotsy hoatra ny oram-panala ny fitafiany;
tahaka ny volon’ondry madio, ny volon-dohany;
lelafo ny seza fiandrianany;
afo mirehitra ny kodiarany;
ony afo no nivoaka nisononoka avy eo anatrehany,
arivoarivo no nanompo azy,
ary alinalina no nitsangana teo anatrehany.
Dia nipetraka ny Mpitsara ka novelarina ny boky.
Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho,
ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy teny ambonin’ny rahon’ny lanitra
nandroso izy nankeo amin’ilay Anti-dahy,
ka nentina ho eo anatrehany,
dia nomena ny fahefana, sy ny voninahitra, amam-panjakana,
ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena
sy ny samihafa fiteny rehetra.
Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany,
ary tsy ho levona na oviana na oviana ny fanjakany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 12, 7-12a)
Ary nisy ady tany an-danitra:
I Misely sy ny anjeliny moa niady tamin’ny Dragona;
ny Dragona sy ny anjeliny koa namely, fa tsy nahomby,
sady tsy nahazo nitoetra tany an-danitra intsony;
ka nazera itý Dragona lehibe,
dia ilay menarana antitra atao hoe demony sy Satana,
izay mamitaka an’izao tontolo izao;
ny tenany moa nazera tamin’ny tany,
ny anjeliny koa nazera niaraka aminy.
Dia nandre feo mahery tany an-danitra aho, nanao hoe:
Ankehitriny dia an’Andriamanitra ny famonjena sy ny hery ary ny fanjakana;
an’i Kristy koa ny fahefana;
fa efa voazera ilay mpiampanga ny rahalahintsika,
dia ilay miampanga azy andro aman’alina eo anatrehan’Andriamanitra.
Nandresy azy ireo koa ny rahalahintsika
noho ny ran’ny Zanak’ondry sy ny teny nambarany
ary ny tsy fitandroany ny ainy na dia ho faty aza Izy.
Koa mifalia, ry lanitra mbaminareo monina ao aminy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 4-5
Tompo ô, midera Anao amin’ny foko tontolo aho:
satria Ianao nihaino ny tenin’ny vavako!
Miantsa Anao eo anatrehan’ireo Anjely aho,
miankohoka mitodika ny tempolinao masina.
Misaotra ny Anaranao aho:
noho ny hatsaram-po sy fahamarinanao!
Fa nataonao lehibe ny Anaranao,
sy ambonin’ny zava-drehetra ny Teninao.
Ny andro iantsoako mamaly Ianao,
sy mampitombo hery ny fanahiko!
Ny Mpanjakan’ny tany misaotra Anao avokoa;
fa nahahaino ny tenin’ny vavanao!
Mihira ny lalan’ny Tompo izy ireo,
fa lehibe ny voninahitry ny Tompo!
Aleloia. Aleloia.
Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 1, 47-51)
Tamin’izany andro izany,
nahita an’i Natanaely tamy nanatona Azy i Jesoa,
dia nilaza azy hoe:
“Io no tena Israelita tokoa, izay tsy misy fitaka.”
Ka hoy i Natanaely taminy:
“Ahoana no nahalalanao ahy?”
Ary hoy ny navalin’i Jesoa azy:
“Talohan’ny niantsoan’i Filipo anao,
dia hitako teo ambanin’ny aviavy ianao.”
Dia namaly Azy i Natanaely, ka nanao hoe:
“Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra,
Ianao no Mpanjakan’i Israely.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mino ianao,
satria nilazako fa hitako tao ambanin’ny aviavy ianao;
mbola hahita zava-dehibe noho izany aza ianao.”
Dia hoy koa Izy:
“Lazaiko marina dia marina aminareo
fa hahita ny lanitra misokatra
sy ny Anjelin’Andriamanitra miakatra sy midina
eo ambonin’ny Zanak’olona ianareo.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Fiantombohan’ny Bokin’i Akjea Mpaminany (Akj. 1, 1-8)
Tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Dariosa mpanjaka,
tamin’ny volana fahenina, andro voalohan’ny volana
no nahatongavan’ny tenin’ny Tompo tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany,
tamin’i Zôrôbabela zanak’i Salatiela, governora tany Jodà
sy tamin’i Jôsoe zanak’i Jôsedeka mpisorona lehibe, nanao hoe:
“Izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
‘Itý firenena itý manao hoe:
Tsy mbola tonga ny fotoana,
ny fotoana hanaovana ny tranon’ny Tompo indray.’Ary tonga ny tenin’ny Tompo, tamin’ny alalan’i Akjea mpaminany nanao hoe:
‘Ary ho anareo kosa moa
dia fotoana hitoerana ao an-tranonareo voaisy peta-drindrina,
amin’izao aharavan’ny trano izao?
Koa ankehitriny, izao no lazain’ny Tompon’ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Namafy be ianareo fa mijinja kely;
mihinana fa tsy ampy hahavoky;
misotro, fa tsy ampy hahafa-po;
mitafy, fa tsy ampy hanafana;
ary ny mpikarama mahazo ny karama hatao an-kitapo loaka.
Izao no lazain’ny Tompo ny tafika:
Diniho tsara ny lalanareo.
Mandehana eny an-tendrombohitra ka mitondrà hazo;
ary ataovy ny trano;
hankasitrahako sy hahazoako voninahitra izany.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 149, 1-2. 3-4. 5-6a sy 9b
Ihirao hira vao ny Tompo!
Derao ao am-piangonan’ny mpivavaka Izy.
I Israely aoka hifaly amin’Ilay nanao azy;
ny zanak’i Siôna hiravo amin’Ilay Mpanjakany.
Hidera ny Anarany amin-dihy,
hiantsa Azy amin’amponga sy lokanga!
Fa sitraky ny Tompo ny vahoakany,
ravahany fandresena ny ory!
Ny mpivavaka aoka hientana amin’ny voninahiny,
sy hanao hobin-kafaliana ara-pomba:
am-bava, fankalazana an’Andriamanitra,
ka ho voninahitry ny mpivavaka aminy rehetra!
Aleloia. Aleloia.
I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 7-9)
Tamin’izany andro izany,
i Herôda tetrarka nandre izay rehetra nataon’i Jesoa
ka tsy hitany be ihany izay hevitra,
fa ny sasany nanao hoe:
“I Joany no nitsangan-ko velona”;
ny sasany nilaza hoe:
“I Elia no niseho”;
ary ny sasany nanao hoe:
“Ny anankiray tamin’ny mpaminany taloha
no efa nitsangan-ko velona.”
Dia hoy kosa i Herôda:
“Raha i Joany dia efa nasaiko notapahin-doha izy,
ka iza indray ary izao olona reko manao zava-dehibe izao?”
Dia naniry hahita Azy izy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Lahika manodidina ny 900 avy amin’ny Diôsezy 16 no nanatrika ny fankalazana ny andron’ny lahika nanomboka ny 22 ka hatramin’ny 24 septambra, tao amin’ny Diosezin’ny Mananjary... ♦ Nikarakara hazakazaka ho an’ny fandriam-pahalemana ny fandaharan’asa PCEE avy eo anivon’ny ivon-toerana Arrupe Faravohitra... ♦ Fitiavana maimaim-poana tsy misy tambiny no itiavan’Andriamanitra antsika. Io no votoanton’ny fampianaran’i Papa François nandritra ny Angelus omaly...
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 9, 5-9)
Izaho Esdrasa,
efa mby amin’ny fotoan’ny fanatitra hariva vao tafarina tamin’ny fahoriako;
ary amin’ireto akanjoko sy kapaotiko rovitra,
dia rafitra nandohalika sy nanandratra ny tanako aho
nankany amin’ny Tompo Andriamanitro, nanao hoe:
“Andriamanitro ô,
safo-kenatra sy mangaihay loatra aho,
tsy sahy miandrandra mankany aminao Andriamanitro,
fa nitombo nihoatra ny lohanay ny helokay,
ary niakatra nanakatra ny lanitra ny fahotanay.
Hatramin’ny andron’ny razanay ka mandraka androany,
dia efa meloka loza erý izahay;
ary noho ny helokay ihany no nanolorana anay mbamin’ny mpanjakanay sy ny mpisoronay,
ho eo an-tanan’ny mpanjaka hafa,
ho matin-tsabatra, ho babo, horobaina, ary hangaihay tahaka ny amin’izao anio izao.
Nisy andro anefa
nanehoan’ny Tompo Andriamanitray ny famindram-pony taminay,
dia navelany hisy sisa afaka izahay,
ka nomeny fialofana eo amin’ny fitoerany masina,
mba hanazavan’Andriamanitray ny masonay,
sy hamelombelomany kely ny ainay ao anatin’ny fahandevozanay.
Fa andevo izahay,
nefa tsy nahafoy anay tao anatin’ny fahandevozanay ny Andriamanitray.
Nitarika ireo mpanjakan’i Persa hanisy soa anay Izy,
hamelombelona ny ainay,
mba hanaovanay ny tranon’Andriamanitray, sy hamboaranay ny rava eo,
dia hanomezany anay fonenana voafefy amin’i Jodà sy i Jerosalema.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo: Tôb. 13, 2. 4. 6. 7. 8
Isaorana ilay Andriamanitra velona mandrakizay,
Ilay mandrakizay ny fanjakany!
Fa mikapoka Izy ka mamindra fo,
mampidina an-tSeoly ka mampiakatra!
Ary tsy misy olona izay afaka amin’ny tanany!
Aharihario ny halehibiazany!
Asandrato eo anoloan’ny miaina rehetra Izy!
Fa Izy no Tompo sy Andriamanitsika,
Raintsika amin’ny taona rehetra.
Raha miverina aminy amin’ny fo tontolo ianareo,
sy manao ny marina eo anoloany amin’ny fanahy tontolo,
dia hiverina aminareo koa Izy,
sy tsy hanafin-tava aminareo intsony.
Jereo ny nataony anareo:
ka mankalazà Azy amin’ny vava tontolo!
Isaory ny Tompon’ny fahamarinana!
Hirao ny Mpanjaka mandrakizay!
Izaho mankalaza Azy atý an-tany namaboana ahy,
maneho ny hery sy halehibiazany amin’itý firenena mpanota:
“Miverena, ry mpanota, manaova ny marina eo anoloany:
sao mba ho sitrany ianareo ka hamindrany fo!”
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 1-6)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa namory ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy hery sy fahefana handroaka ny demony rehetra
sy hanasitrana ny aretina.
Ary naniraka azy hitory ny fanjakan’Andriamanitra
sy hanasitrana ny marary.
Dia hoy Izy taminy:
“Aza mitondra na inona na inona any amin’izay halehanareo any,
na tehina, na kitapo, na mofo, na vola, ary aza mitondra akanjo roa.
Ary na aiza na aiza trano hidiranareo,
dia itoero mandra-pialanareo amin’izany tanàna izany.
Ary raha misy mandà tsy handray anareo,
dia mialà amin’izany tanàna izany,
ka na ny vovoka amin’ny tongotrareo aza dia ahintsano
ho fiampangana azy ireo.”
Dia nandeha nitety vohitra ny mpianatra,
ka nitory ny Evanjely sy nanasitrana hatraiza hatraiza.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Bokin’i Esdrasa (Esdr. 6, 7-8. 12b. 14-20)
Tamin’izany andro izany,
nanoratra tamin’ireo mpitondra faritany terý am-pitan-drano
i Dariosa mpanjaka nanao hoe:
“Avelao hotohizana ny asa amin’ny tranon’Andriamanitra;
aoka ny governoran’ny Jody sy ny loholon’ny Jody
hanorina izany tranon’Andriamanitra izany indray amin’izay fitoerany teo.
Ary izao no didy omeko anareo ny amin’izay tokony hataonareo amin’ireo loholon’ny Jody,
hanorenana indray ny tranon’Andriamanitra io:
ny haren’ny Mpanjaka, ny hetra aloan’ny any an-dafin’ny ony,
no handoavana izay lany marina amin’ireo olona ireo, mba tsy hiatoato izy.
Didy nomeko izaho Dariosa itý;
ka tsy maintsy toavina an-tsakany sy an-davany.”
Ka dia rafitra nanao ny trano ireo loholon’i Israely,
ka nandroso tsara ny asa,
noho ny faminanian’i Akjea mpaminany,
sy i Zakaria zanak’i Adao.
Nanao izy dia nahavita araka ny didin’Andriamanitr’i Israely sy araka ny didin’i Sirosa,
i Dariosa, i Artakserksesa mpanjakan’i Persa.
Tamin’ny andro fahatelon’ny volana Adara,
taona fahenina nanjakan’i Dariosa mpanjaka, no nahavitan’ny trano.
Ary ny zanak’i Israely, ny mpisorona, ny Levita,
ary ny olona sisa tamin’ny zanaky ny fahababoana,
dia samy nitokana ny Tranon’Andriamanitra tamin-kafaliana.
Izao no naterin’ny olona hitokanana io tranon’Andriamanitra io:
ombalahy zato, ondralahy roan-jato, zanak’ondry efa-jato
ary osilahy roa ambin’ny folo, araka ny isan’ny fokon’i Israely,
ho sorona noho ny ota, ho an’i Israely rehetra.
Dia notendreny ny mpisorona, araka ny antokony avy,
sy ny Levita araka ny fizarany avy,
hanao ny fanompoana an’ilay Andriamanitra izay ao Jerosalema,
araka ny voasoratra ao amin’ny Bokin’i Môizy.
Tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana voalohany,
dia nanao ny Paka ny zanaky ny fahababoana.
Fa efa samy nanamasina ny tenany ny mpisorona sy ny Levita tsy an-kanavaka,
ka samy efa madio avokoa.
Dia namono ny Paka izy ireo, ho an’ny zanaky ny fahababoana rehetra,
sy ho an’ny rahalahiny mpisorona, ary ho an’ny tenany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 121, 1-2. 3-4a. 4b-5
Faly aho nilazana hoe:
andao ho any an-tranon’ny Tompo;
ny tongotray indro mijadona
eto am-bavahadinao, ry Jerosalema.
Ry jerosalema ilay voaorina
ho tanàna tsara rafitra,
hiakaran’ireo foko,
dia ny fokon’ny Tompo.
Fa didy, ry Israely,
ny midera ny Anaran’ny Tompo;
ao no mijoro ny fiketraham-pitsarana,
ny fiketrahan’ny tranon’i Davida.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 8, 19-21)
Tamin’izany andro izany,
tonga hankao amin’i Jesoa ny reniny sy ny rahalahiny,
fa tsy afa-nihaona taminy noho ny habetsahan’ny vahoaka,
ka nisy nilaza taminy hoe:
“Ao alatrano ny reninao sy ny rahalahinao te-hihaona aminao.”
Dia novaliany hoe:
“Ny reniko sy ny rahalahiko,
dia izay mihaino sy mankatò ny tenin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nosokafana androany ary haharitra 3 andro ao Mahajanga ny fihaonan’ny fikambanana masina hivondronan’ny tokantrano kristianina avy amin’ny Arsidiôsezy Avaratra… ♦ Nifantoka tamin’ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ao amin’ny kolontsaina sy ny fampanaraham-bolontany ny Evanjely ny votoatin’ny katesizin’ny Papa François ny alarobia 20 septambra 2023… ♦ Nanomboka androany ny fitsidihana apôstôlika faha-44 ataon’ny Ray Masina any Marseille…
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco