♦ Nanapa-kevitra nampitsahatra ny diabe nokasaina natao androany ny vondron'ny kandidà. Manamafy ny fitakiana amoahana ny depiote Fetra Ralambozafimbololona nosamborina omaly izy ireo... ♦ Tsy ara-dalàna ny hetsika an-dalambe ataon'ny vondron'ny kandidà hoy ny vovonana IFI. Tsy tokony hoy ny fanakorontanana hoy ny sekretera jeneraly Pasitera Nestor Razafindramanitra fa aleo handeha ny fifidianana... ♦ Manitsakitsaka ny andininy faha-16 anatin'ny lalam-panorenana malagasy ny nampiasana ny rindram-baiko Predator hoy ny Kmf/Cnoe... ♦ Mihamafy ny fifandonan'ny tafiky ny jeneraly roa mifanandrina any Soudan. Efa ho 5.000 isa ny olona maty tao anatin'ny 7 volana nisian'ny ady...

13 nôvambra 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)

Vakiteny voalohany

Fanombohan’ny Boky Fahendrena (Fahendrena 1, 1-7)

Malala-tanana ny fanahin’ny fahendrena; manerana izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo.

Tiavonareo ny fahamarinana,
ianareo izay mpitsara eto an-tany;
aoka ho araka ny hitsiny no fihevitrareo ny Tompo,
ary amin’ny fo marina no hitadiavanareo Azy;
fa mety ho hitan’izay tsy maka fanahy Azy Izy,
ary miseho amin’izay matoky Azy.
Satria ny hevi-dratsy mampisaraka amin’Andriamanitra,
ary ny fahefany raha misy maka fanahy Azy
miampanga ny adala.
Ny fahendrena
tsy mba miditra amin’ny fanahy misain-dratsy,
ary tsy monina amin’ny vatana andevon’ny fahotana.
Ny Fanahy Masina,
mpanabe ny olona mandositra ny hafetsen-dratsy,
manalavitra ny hevitra tsy misy saina,
ary mihataka Izy raha mandroso ny heloka.
Fa fanahy tia ny olombelona ny fahendrena,
ka tsy avelany ho afa-potsiny
ny mpiteny ratsy an’Andriamanitra amin’ny teny ratsy ataony.
Satria Andriamanitra dia vavolombelon’ny voany.
Mpamantatra marina ny fony,
ary mandre ny teniny.
Fa manerana an’izao tontolo izao ny Fanahin’ny Tompo,
ary ao aminy avokoa ny zavatra rehetra,
ka reny daholo izay lazain’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 138, 1-3. 4-6. 7-8. 9-10

Tariho aho ho amin’ny lalam-pahagola.

Tompo ô! mandinika ahy Ianao,
ka mahafantatra!
Fantatrao aho na mipetraka na mitsangana;
mbola lavitra, dia tsinjonao ny hevitro!
Voadinikao aho na mamindra na miato;
ny lalako tsy misy manavao Anao.

Ny teny tsy mbola eo amin’ny lelako,
dia indro, ry Tompo, efa fantatrao tontolo!
Voambombanao aho na aloha na aoriana;
ny tananao mipetraka eo amboniko!
Fahalalana mahagaga loatra amiko;
avo loatra, tsy hamboiko takarina.

Aiza no hialako amin’ny fofon’ainao?
Aiza no handosirako tsy ho anoloanao?
Raha mananika ny lanitra aho, any Ianao;
mitakoko any an-tSeoly, io koa Ianao.

Raha maka ny elatry ny mazava atsinanana aho,
mba honina any am-paran’ny ranomasina,
mbola ny tananao no mitondra ahy any,
eny: ny tananao no mitantana!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 1-6)

Na diso aminao impito indray andro aza izy ka nanao hoe: Mifona aho, dia mamelà azy.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Tsy maintsy ho avy ny fanafintohinana,
fa loza ho an’izay iaviany!
Aleo anantonana vato fikosohan-dafarinina ny vozony
ka alentika any anatin’ny ranomasina izy
toy izay manafintohina
na dia ny anankiray amin’ireto madinika ireto aza.
Koa mitandrema ianareo.
Raha diso taminao ny rahalahinao,
anaro izy,
ka raha mivalo izy,
dia mamelà azy.
Ary na dia ho diso aminao impito indray andro aza izy,
ka miverina impito koa manao hoe:

‘Mifona aho’,

dia mamelà azy.”

Ary hoy ny Apôstôly tamin’ny Tompo:

“Ampitomboy ny finoanay.”

Fa hoy ny Tompo:

“Raha manam-pinoana ohatra ny voan-tsinapy iray ianareo,
dia mahazo milaza amin’io voaroihazo io hoe:

‘Miongota,
ka mifindrà any amin’ny ranomasina’,

dia hanaiky anareo izy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

12 nôvambra 2023 — Alahady Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona — Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 25, 1-13)

♦ Andrasana anio ny fanambarana nandritra ny fampihaonan'ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa sy ny FFKM tamin'ireo solotenan'ny kandidà teny Tsimbazaza omaly... ♦ Manameloka ny herisetra ataon'ny mpitandro ny filaminana amin'ireo manao fihetsiketsehana am-pilaminana ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena, ary miantso ny hampitsaharana izany. Tsy ara-dalàna ihany koa hoy izy ny fisamborana solombavambahoaka anatin'ny fivoriana ara-potoana... ♦ Tsy misy afatsy ny fananganana ny fanjakana malagasy vaovao no lalan-tokana mahasoa sy mahatsara ny tanindrazana hoy ny Antenimieran'ny raiamandreny ny Foko Malagasy na ny ARFM... 

♦ Nosamborina ary notanana eny amin'ny Borigadin'ny Zandary misahana ny heloka bevava eny Fiadanana, ny Solombavam-bahoaka Fetra Ralambozafimbololona... ♦ Tsy niatrika ary tsy nahatonga solontena tamin'ny fihaonana notarihin'ny vovonana nahitana ny FFKM sy ny Filohan'ny Antanimieram-pirenena, ny kandidà isany Andry Rajoelina sy Raderanirina Sendrison... ♦ Nanoratra taratasy misokatra ho an'ny teratany Malagasy, ny Antenimieran'ny Ray aman-drenin'ny Foko Malagasy, na ny ARFM, manoloana ny raharaham-pirenena  ankehitriny...

♦ Ho tonga ara-potoana manerana ny nosy, hatrany amin'izay tena saro-dalana sy lavitra, ny fitaovana rehetra ilaina amin'ny fifidianana amin'ny 16 nôvambra 2023... ♦ Efa tafaverina any amin'ny ray aman-dreniny ilay zaza nisy nangalatra tany Taolagnaro, olona miisa 5 no voasambotra voasaringotra tamin'izany mitohy ny fikarohana ireo tompon'antoka... ♦ Manohy ny tetikasa fampisitrahana ny taniketsa Indostrialy any amin'ny isan-distrika ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria... ♦ Sokajian'ny sekretera jeneralin'ny ONU, ho fasana ho an'ny ankizy ny any amin'ny Faritra Gaza ankehitriny...

Sady olom-pirenen'ny tany no olom-pirenen'ny lanitra ny Kristiana ka amporisihin'ny Konsily an-tsakany sy an-davany ny adidin'izy ireo amin'ny ara-nofo, tarihin'ny hevitry ny Vaovao Mahafaly. Diso izay mihevitra fa mahazo manao tsirambina ny adidiny ara-nofo satria tsy manam-ponenana raikitra eto an-tany, fa mandeha manatona ny fiainan-ko avy ; tsy tsinjony fa ny finoana mihitsy no mametraka adidy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Raha tsy misy ny fiovana dia hotanterahina anio amin'ny 11 ora antoandro eny amin'ny Lapan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza ny fifampidinihana hiarahan'ny eo anivon'ny FFKM sy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena amin'ireo kandidà amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena... ♦ Mijoro ho mpanelanelana eo amin'nireo mpifaninana ara-pôlitika misy ankehitriny, ireo ray aman-dreny efa nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena, nanangana ny atao hoe Vondrom-pirenena mpanelanelana... ♦ Efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy ilay olona hita fa voan'ny pesta tany Ambohimahasoa. Efa noraisna ihany koa ny fepetra rehetra tsy hiparitahan'izany...

♦ Mijoro ankehitriny ny vondrom-pirenena mpanelanelana, ahitana ireo ray aman-dreny efa nitana andraikitra ambony teto amin'ny firenena. Manomana fihaonana miaraka amin'ny hery velona samihafa izy ireo... ♦ Miray feo amin'ny fitakiana ataon'ny sendikàn'ny Vondron'ny rano sy ny ala, na ny SCOFAFOR, ny sendikà ivondronan'ny mpiasa ao amin'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, na ny SMPE... ♦ Mirotsaka an-tsehatra manomana ny fifidianana any amin'ny kaominina, hotanterahana amin'ity volana nôvambra ity, ny tompon'andraikitra ao amin'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra...

Ao amin'ny Eglizy, manana toerana lehibe ny fianakaviana araka ny fomba fiteny efa mahazatra antsika hoe ny fianakaviana dia Eglizy kely ao an-tokantrano. Sarobidy eo imason' Andriamanitra ny fianakaviana satria teo amin'ny tantaram-pamonjena, fianakaviana tao Nazareta no nidiran'ilay Olona faharoa amin'ny Trinite Masina ka nanatanterahiny ny Mistery Fahatongavana ho Nofo. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison. 

♦ Nosamborina noho ny kabariny hitarika olona hidina an-dalam-be ny kandidà Jean Jacques Ratsietison omaly, raha ny fanazavàn'ny mpitandro filaminana. Niteraka resa-be ny zom-pirenena frantsay ananany, taorian'ny namotsorana azy... ♦ Nisy fiovàna ny fandaharam-potoanan'ilay ady hevitra hifanatrehan'ireo kandidà miisa 3 manao fampielezan-kevitra, handeha amin'ny haino aman-jerim-panjakàna. Nahemotra amin'ny alatsinainy izao izany, araka ny fanazavàn'ny CENI... ♦ Manomboka mihena ny fandefasan'ireo orinasa afak'haba entana any ivelany, noho ny tahotry ny krizy pôlitika misy eto amintsika. Misy amin'ireo orinasa ireo no efa mandefa mpiasa anaty fiatoana ara-teknika hoy ny Randrana Sendikaly...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...