Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôba (Jôb. 38, 1. 8-11)

Iza no nanidy ny ranomasina tamin’ny varavarana?

Namaly an’i Jôba ny Tompo tao anatin’ny tafio-drivotra ka nanao hoe:

“Iza no nanidy ny ranomasina tamin’ny varavarana,
fony izy nivoaka nisavoamboana avy any am-bohoka;
raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho,
ary ny zavona matevina ho lambam-pandriany;
raha nampanaiky azy ny didiko sy nanisy hidy amam-baravarana taminy,
ka nilaza taminy hoe:
Hatreto alehanao, ka tsy hihoatra,
fa eto no hijanona ny fianjonanjonan’ny onjanao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 106, 23-24. 25-26. 28-29. 30-31

Derao ny Tompo fa tsara: eny, mandrakizay ny hatsaram-pony.

Ireo midina an-dranomasina an-tsambo
sy manao ny asany eny ambony rano
dia mahita ny asan’ny Tompo,
ny zava-mahagaga ataony amin’ny lalina.

Mitony izy, dia avy ny tadio,
ny onja misavoana manakatra ny lanitra
dia midina hatrany amin’ny hantsana
ny ainy tsy metimety, toy ny ho lasana.

Dia mitaraina amin’ny Tompo fa mijaly,
ka afahany amin’ny fahoriany:
ny rivo-mahery tonga tsiotsioka,
ny alon-drano nitrena sina tampoka.

Faly ireo fa nitony ireny,
izy koa tody an-tseranana irìna.
Aoka izy hisaotra ny Tompo tia,
mpanao zava-mahagaga ho an’ny olona.

Vakiteny faharoa

Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 14-17)

Indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana,
terin’ny fitiavan’i Kristy antsika izahay,
satria fantatray marina fa maty ho an’ny olona rehetra ny olona iray,
ka dia maty koa izy rehetra;
ary maty ho an’ny olona rehetra Izy,
mba tsy ho velona ho an’ny tenany intsony izay velona,
fa ho an’Izay maty sy mitsangana ho azy ireo.
Koa dia tsy mahalala olona araka ny nofo intsony izahay;
ary na dia nahalala an’i Kristy araka ny nofo aza izahay,
dia tsy araka izany intsony no ahalalanay Azy ankehitriny.
Noho izany, na iza na iza ao amin’i Kristy,
dia zava-boaary vaovao izy,
ka lasa ny zavatra taloha,
fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 35-40)

Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?

Tamin’izany andro izany,
dia fanoharana maro no nitorian’i Jesoa teny tamin’ny vahoaka.
Ary nony hariva ny andro, dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Andeha isika hita ho eny an-dafin-drano”.

Dia nilaozan’izy ireo teo ny olona
ka nentiny tamin’izao an-tsambo kely i Jesoa,
ary nisy sambo kely maromaro koa niaraka taminy.
Ary nisy tafio-drivotra mahery nampisavoana ny onjan-drano hatrany anaty sambo kely,
ka efa nihafeno rano izy.
Fa i Jesoa kosa natory teo am-body sambo kely tambonin’ny ondana,
ka nofohazin’izy ireo Izy nilazany hoe:

“Ry Mpampianatra ô!
tsy mampaninona Anao va raha maty izahay?”

Dia nifoha Izy ka niteny mafy ny rivotra,
ary nilaza tamin’ny ranomasina hoe:

“Mangina, mitonia”.

Dia nitsahatra ny rivotra, ary nitony dia nitony ny andro.
Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Nahoana no saro-tahotra ianareo?
Tsy mbola manam-pinoana ihany va ianareo?”

Ary natahotra dia natahotra izy ireo ka nifampilaza hoe:

“Iza moa io, fa ny rivotra sy ny ranomasina avy no manaiky Azy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 jona 2024

♦ Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 aogositra 2024, ny JMJ Diôsezy ao Antsirabe andiany fahatelo... ♦ Miisa 504 ireo mpandray anjara avy amin'ny Diôsezin'Antsirabe ho any amin'ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly, hotanterahana ny volana aogositra any Antsiranana... ♦ Nanentana ny mpino, hiantoraka amin'i Kristy tsy amin-tahotra, ny Papa François tamin'ny fampianarany mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...