Vakiteny voalohany

Boky faharoan’ny Mpanjaka (2 Mpanj. 19, 9b-11. 14-21. 31-35a. 36)

Hiaro ity tanàna ity, Aho, hamonjeko azy, noho ny amin’ny Tenako sy ny amin’i Davida mpanompoko.

Tamin’izany andro izany,
nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa ny mpanjakan’i Asiria, i Senakeriba, nanao hoe:

“Izao no lazaonareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà:
Aza mety harebirebin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao,
saingy ilazany hoe:
Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema.
Indro efa renao ihany ny nataon’ireo mpanjakan’i Asiria tamin’ny tany rehetra,
tamin’ny nanaovany anatema azy ka ianao indray ve no ho voavonjy?”

Nony voarain’i Ezekiasa ny taratasy teny an-tanan’ireo iraka dia novakìny.
Rahefa izany niakatra nankao an-tranon’ny Tompo i Ezekiasa
ka namelatra io teo anatrehan’ny Tompo.
Nivavaka teo anatrehan’ny Tompo i Ezekiasa nanao hoe:

“Ry Tompo Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima,
Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany,
Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany.
Ry Tompo ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa;
ry Tompo ô, ahirato ny masonao, ka mijere.
Henoy ny tenin’i Senakeriba izay naniraka haniratsira an’Andriamanitra velona.
Marina tokoa, ry Tompo ô,
fa ny mpanjakan’i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny,
ary nanipy ny andriamaniny tao amin’ny afo,
satria tsy Andriamanitra ireny fa asan-tanan’olombelona,
vato aman-kazo, ka nataony levona.
Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitray ô,
vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay,
mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany
fa Ianao irery, ry Tompo ô, no Andriamanitra.”

Dia naniraka tany amin’i Ezekiasa i Izaia zanak’i Amôsa hilaza hoe:

“Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely:
Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria.
Ka izao no teny notononin’ny Tompo hamelezany azy:
‘Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virjiny zanakavavin’i Siôna:
mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanakavavin’i Jerosalema.’
Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema,
ary hisy afaka avy amin’ny tendrombohitr’i Siôna.
Ka izany no ho vitan’ny zotom-pitian’ny Tompon’ny tafika.
Koa noho izany dia izao no lazain’ny Tompo, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria:
Tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity izy,
na handefa zana-tsipìka aminy,
na hanandratra ampinga tandrify azy,
na hanorina fiarovana hamelezana azy;
fa hiverina amin’ny lalana niaviany,
ka tsy ho tafiditra amin’ity tanàna ity, — teny marin’ny Tompo.
Hiaro ity tanàna ity Aho, hamonjeko azy.
Noho ny amin’ny Tenako sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”

Ny alin’izay ihany dia nivoaka ilay Anjelin’ny Tompo
namono lehilahy dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy
tao amin’ny tobin’ny Asirianina.
Dia noravan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria ny toby,
ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 47, 2-3a. 3b-4. 10-11

Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra
ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika!
Ny vohiny masina: tsara fideza,
fifalian’ny tany tontolo!

Ny vohitra Siôna: any am-parany avaratra,
tanànan’ny Mpanjaka lehibe!
Andriamanitra amin’ireo tilikambony
mitomban-ko fiarovana avo.

Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao
ao anivon’ny Tempolinao.
Ny voninahitrao dia toy ny Lanitrao:
mitatao ny tany tontolo!
Ny tananao feno fahamarinana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 7, 6. 12-14)

Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo dia mba ataovy amin’ny olona toraka izany koa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Aza omena ny alika ny zava-masina,
ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo,
sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy.
Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo,
dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany,
fa izany no Lalàna sy Mpaminany.
Midira amin’ny vavahady ety,
fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana,
ka maro no mahazo any;
fa tery kosa ny vavahady, ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana,
ka vitsy no mahita azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...