Vakiteny voalohany

Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 14, 17-22)

Tsarovy fa aza tsoahina ny fanekenao taminay.

Hoy ny Tompo tamiko:

“Lazao azy ireo izao teny izao:
Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka,
fa ny virjiny zanakavavin’ny vahoaka,
dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra.
Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra;
raha miditra ao an-tanàna, dia inty ny fahoriana avy amin’ny mosary.
Ny mpaminany amam-pisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany.”

Ary hoy izy ireo:

“Tompo ô, dia narianao avokoa va i Jodà?
Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna?
Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay?
Niandry fiadanana izahay nefa tsy misy soa kely akory.
Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga.
Ry Tompo ô, miaiky ny haratsianay izahay, sy ny heloky ny razanay;
fa nanota taminao izahay.
Noho ny Anaranao,
aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao.
Tsarovy fa aza tsoahina ny fanekenao taminay.
Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena?
sa ny lanitra no manome ny ranonorana?
Fa tsy Ianao ihany, ry Tompo Andriamanitray?
Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 78, 8. 9. 11. 13

Afaho izahay, ry Tompo, noho ny Anaranao.

Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana:
fa reraka loatra izahay!

Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy;
noho ny Voninahitrao!
Afaho izahay, avelao ny otanay:
noho ny Anaranao!

Aoka ho tody eo anoloanao ny senton’ireo mpigadra!
Araka ny halehiben’ny sandrinao,
afaho ireo voatondro hovonoina!

Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hisaotra Anao mandrakizay,
ary hitanisa ny fiderana Anao amin’ny taranaka mifandimby.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 36-43)

Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany,
nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:

“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.”

Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe:

“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony;
ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja, dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...