Vakiteny voalohany

Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz. 1, 11-17)

Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo.

Mihainoa ny tenin’ny Tompo, ry mpitsara an’i Sôdôma:
Mampaninona Ahy izay habetsahan’ny soronareo? hoy ny Tompo.
Efa tofoky ny ondralahy atao sorona dorana Aho, mbamin’ny saboran-janak’omby.
Tsy sitrako ny ran’ombalahy, mbamin’ny ondry aman’osy.
Raha tonga hiseho eo anatrehako ianareo,
zovy moa no nitady anareo, handia izay kianjako akory?
Atsaharo ny mitondra fanati-poana ho Ahy;
fahavetavetana amiko ny emboka;
raha ny amin’ny voaloham-bolana, sabata, fiantsoam-piangonana,
dia tsy zakako hankasitrahana ny heloka sy ny fivoriana miaraka ampahibemaso.
Halan’ny foko ny voaloham-bolana amam-petinareo;
mavesatra amiko ireny, sasatra ny mandefitra izany Aho.
Raha manandratra ny tananareo ianareo, misarona maso eo anoloanareo Aho;
raha mampitombo ny fivavahana ianareo, tsy mihaino akory Aho:
Feno ra ny tananareo.
Misasà ianareo, midiova ianareo, esory ny haratsian’ny asanareo, hiala eo imasoko;
mitsahara tsy hanao ratsy, mianara hanao soa;
katsaho ny rariny, anaro ny mpampahory, omeo rariny ny kamboty, arovy ny mpitondratena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 49, 8-9. 16bd-17. 21 sy 23

Izay misorona saotra no hasaiko, hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao:
na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!
Ahoako inona izay vatotr’omby ao an-tranonao,
na izay osilahy ao am-pahitrao?

Ahoana ianao no mitanisa ny didiko,
sy manao ny fanekeko eo am-bava;
ianao mpankahala anatra,
sy mpanipy ny teniko any ivoho?

Izany ve no ataonao ka dia hangina Aho!
Sa Izaho heverinao ho toa anao?
Izay misorona saotra no hasaiko:
ka hohetsahiko amin’ny vonjiko.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)

Tsy hitondra fiadanana Aho, fa hitondra sabatra.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:

“Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho;
tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra;
fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin’ny rainy,
sy ny zanakavavy amin’ny reniny,
ary ny vinantovavy amin’ny rafozany vavy;
ary ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.
Izay tia ny rainy sy ny reniny mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy;
ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho Izaho,
dia tsy mendrika Ahy.
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy manaraka Ahy,
dia tsy mendrika Ahy.
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy,
fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy.
Izay mandray anareo, mandray Ahy;
ary izay mandray Ahy, dia mandray izay naniraka Ahy.
Izay mandray ny mpaminany noho izy mpaminany,
dia hahazo ny valisoan’ny mpaminany;
ary izay mandray olo-marina, noho izy olo-marina,
dia hahazo ny valisoan’ny olo-marina;
ary na iza na iza hanome rano mangatsiaka na dia eran’ny kapoaka monja aza
hosotroin’ny anankiray amin’ireo madinika indrindra ireo,
noho izy mpianatro,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.”

Ary rahefa tapitra ny fampianarana nomen’i Jesoa an’ireo mpianany roa ambin’ny folo lahy ireo,
dia niala teo Izy, ka nandeha nampianatra sy nitory teny tamin’ny tanàna manodidina rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 septambra 2024

♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...