Vakiteny voalohany

Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 10, 1-3. 7-8. 12)

Fotoana hitadiavana ny Tompo izao.

Voaloboka mirobona erý i Israely, efa mavesatry ny voany.
Araka ny habetsahan’ny voany no ampitomboany ny ôteliny;
araka ny hatsaran’ny taniny, no hatsaran’ny tsangam-bato nataony.
Mpihatsaravelatsihy ny fony;
ka efa hivesatra ny valin’izany izy.
Hanjera ny ôteliny izy, handrava ny tsangam-batony.
Tsy ho ela no hilazany hoe:

“Tsy mana-mpanjaka isika noho isika tsy natahotra ny Tompo”;

fa hahavita inona ho antsika moa izay mpanjaka?
Levona i Samaria;
ny mpanjakany dia toy ny tapak’ahitra eo ambonin’ny rano.
Ho rava ny fitoerana avon’i Avena, izay fahotan’i Israely;
handadian’ny tsilo amam-boarointsaka ny ôteliny.
Ny tendrombohitra hilazany hoe:

“Saròny izahay!”

ary ny havoana hataony hoe:

“Mianjerà aminay!”

Afafazo araka ny fahamarinana ny voanareo;
ataovy araka ny famindram-po ny fijinjànareo;
miasà tany vao ho anareo;
fa efa fotoana hitadiavana ny Tompo izao,
mandra-piaviny handatsaka ny fahamarinana ao aminareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 104, 2-3. 4-5. 6-7

Tadiavo lalandava ny tavan’ny Tompo.

Hirao Izy, antsao!
Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany masina!
Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo!

Katsaho ny Tompo sy ny heriny!
Tadiavo lalandava ny tavany!
Tsarovy ny asa mahagaga nataony,
ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.

Ry taranak’i Abrahama mpanompony,
ry zanak’i Jakôba, ianareo voafidiny!
Izy no Tompo Andriamanitra,
manerana ny tany tontolo ny fitsarany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 1-7)

Mankanesa any amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy
ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto,
sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy:
Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera,
dia i Andre rahalahiny,
i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny,
i Filipo sy i Bartelemy,
i Tomà sy i Matio ilay poblikanina,
i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade,
i Simôna ilay Kananeanina,
ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy.
Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe:

“Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily,
ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina,
fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely.
Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...