Vakiteny voalohany

Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 11, 1. 3-4. 8d-9)

Onena ny foko ato anatiko.

Hoy ny Tompo:
Tia an’i Israely Aho fony mbola zaza izy;
ka hatrany Ejipta nisy fiantsoana nataoko ny zanako.
Ary Izaho nampiana-mandeha an’i Efraima,
sy nitantana azy tamin’ny sandriny,
nefa tsy fantany fa nanolikoly azy Aho.
Nentiko tamin’ny kofehy fitondrana olona izy ireo,
dia tamin’ny fatoran’ny fitiavana;
mova Aho tsy ilay nanainga ny jioga ho azy, eo ambonin’ny valanoranony,
ary niondrika taminy sy nampihinana azy,
nefa tsy misy miandrandra maso akory izy ireo.

Onena ny foko ato anatiko,
ary indray miontana ny fangorahako rehetra.
Tsy hanarana ny firehetan’ny hatezerako Aho,
tsy horavako fanindroany i Efraima.
Fa Andriamanitra Aho, fa tsy olombelona;
eo afovoanao ilay Masina,
ka tsy ho tonga Aho mitondra ny fisafoahako.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 79, 2ad sy 3b. 15-16

Ny Tavanao aseho, ry Tompo, dia ho voavonjy izahay.

Ry Mpiandry an’i Israely, mandrenesa
izay mitondra an’i Jôsefa toy ny ondry.
Dia fohazy ny herinao
hamonjy anay.

Miverena, ry Andriamanitry ny tafika;
mitsinjova avy eny an-danitra zahao!
Ilay foto-boaloboka tazano,
mba ahio ny nambolen’ny tananao.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Andriamanitra no mampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampihavanana tamintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 7-15)

Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.

Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe:

“Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe:
Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra.
Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony:
nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.
Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo,
na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina,
fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina.
Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo,
dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao,
ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo.
Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe:
‘Ho amin’itý trano ity anie ny fiadanana’;
ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano,
dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo;
fa raha tsy mendrika kosa izy,
dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo.
Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo,
dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany,
ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo.
Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa
ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana
noho ny hatao amin’izany tanàna izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 7 febroary 2025

• Nanatanteraka fambolen-kazo ny Diôsezin'i Port-Bergé, tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo... • Natokana hiaraha-mankalaza ny taon-jobilin'ny mpitandro ny filaminana, sy ireo mpanakanto ary ny diakra, ity volana febroary... • Mizara ny finoany Ilay Andriamanitra mahavita zava-mahagaga i Masina Maria, hoy ny fampianaran'ny Papa, nandritra ny Audience Générale ny alarobia 5 febraory 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...