Vakiteny voalohany

Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 8, 4-7. 11-13)

Namafy rivotra izy ireo ka hijinja tafio-drivotra.

Izao no nolazain’ny Tompo:

“Izy ireo nanangana mpanjaka nefa tsy avy amiko;
nanendry mpifehy nefa tsy nahalala an’ireo Aho;
nanao sampy tamin’ny volafotsiny amam-bolamenany,
mba hanalana aminy ny volafotsy amam-bolamena.
Naharikoriko Ahy ity zanak’ombinao, ry Samaria;
nirehitra tamin’izy ireo ny fahatezerako.
Mandra-pahoviana no tsy hahazoana mandio azy ireo?
Fa avy amin’i Israely koa izy;
mpanao taozavatra no nanamboatra azy, ka tsy andriamanitra izy io;
fa hotorotoroina ny zanak’ombin’i Samaria!
Namafy rivotra izy ireo, ka hijinja tafio-drivotra.
Tsy hisy salohim-bary ho azy, fa hisy vary tsy vanon-ko lafarinina;
ary raha vanon-ko lafarinina aza, ny hafa firenena no hihinana azy.
Nampitombo ny ôtely i Efraima tamin’ny nanotany,
ary ireo ôtely ireo nahalavo azy tamin’ny ota.
Na hanoratra lohateny arivo ho azy amin’ny lalàko aza Aho,
dia ho zavatra tsy mikasika azy no fijeriny an’izany.
Ny sorona aterin’izy ireo ho Ahy,
dia ny henan’ny zavatra novonoiny sy haniny;
tsy ankasitrahan’ny Tompo izany.
Hahatsiaro ny helok’izy ireo Izy ankehitriny, ka hanasazy ny fahotany:
hiverina any Ejipta izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 113b, 3-4. 5-6. 7ab-8. 9-10

Ry taranak’i Isaraely, itokio ny Tomponao!

Ny Andriamanitray dia any an-danitra any,
ary vitany izay sitraky ny fony!
Raha ny sampin-dry zareo dia volamena, volafotsy:
asan-tanana ireny.

Manam-bava tsy miteny,
mana-maso tsy mahita,
manan-tsofin-tsy mandreny,
manana oron-tsy mahambolo.

Manan-tanan-tsy mandray,
manan-tongo-tsy mamindra.
Ireo namorona azy ireny, ireo matoky ny hotahìny,
enga anie hanahaka azy!

Ry taranak’i Israely, itokio ny Tomponao,
sady Vonjy no ampinga.
Ry taranak’i Aarôna, itokio ny Tomponao,
sady vonjy no ampinga.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho; mba hitandremako ny fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 32-38)

Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy.

Tamin’izany andro izany,
indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ity lehilahy anankiray
sady moana no azon’ny demony.
Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana
ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe:

“Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely.”

Fa ny Farisianina kosa nanao hoe:

“Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony.”

Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra,
nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra,
ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly
sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry.
Dia hoy Izy tamin’ny mpianany:

“Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy;
koa mihantà amin’ny tompom-bary
mba haniraka mpijinja amin’ny variny.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 6 septambra 2024

♦ Manatanteraka fitsidihina eto Madagasikara, ny 4 hatramin'ny 9 septambra 2024, i P. Alfred Maravilla, Mpanolotsaina Jeneraly momba ny Misiona, ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Manentana ny kristianina hivavaka ho an'ny olona tsirairay, mba hihaino ny fitarainan'ny tany, ny Papa François amin'ity volana septambra ity... ♦ Nanomboka androany ny dingana faharoa amin'ny fitsidihina apôstôlika ivelan'i Roma, andiany faha-45, ataon'ny Papa François, izay tanterahany any Asie sy Océanie...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...