Vakiteny voalohany

Bokin’i Osea Mpaminany (Os. 2, 16. 17b. 18. 21-22)

Hofofoiko mba ho ahy mandrakizay ianao.

Izao no lazain’ny Tompo:
Indro Aho hitarika azy sy hitondra azy any an’efitra,
ary hiteny aminy ao am-pony;
ka any izy hamaly toy ny tamin’ny andro fahatanorany,
sy toy ny tamin’ny andro niakarany avy any amin’ny tany Ejipta.
Amin’izany andro izany — teny marin’ny Tompo —,
ianao hiantso Ahy hoe:

“Vadiko”,

fa tsy hiantso Ahy intsony hoe:

“Baalako.”

Hofofoiko mba ho Ahy mandrakizay ianao;
hofofoiko ho Ahy ianao amin’ny rariny sy ny hitsiny
ary amin’ny fahasoavana sy ny fitiavana;
hofofoiko ho Ahy amin’ny fahamarinana,
ka hahalala ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 144, 2-3. 4-5. 6-7. 8-9

Antra sy mangoraka ny Tompo.

Misaotra Anao isan’andro aho,
sy midera ny Anaranao mandrakizay!
Lehibe ny Tompo ary mendri-dera fatratra;
tsy azo takarina ny halehibeny!

Ny taranaka mifampigaga ny zava-bitanao,
sy mankalaza ny asanao mahery,
manambara ny harevaky ny voninahitrao,
mitantara ny asanao mahagaga.

Miteny ny herinao mahatahotra,
mitanisa tokoa ny halehibeazanao,
miventy ny fahatsiarovana ny hatsaranao lehibe,
ary mihoby ny fahamarinanao!

Antra sy mangoraka ny Tompo,
tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po!
Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo;
mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo dia fanahy sy fiainana. Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 9, 18-26)

Maty vao izao ny zanako vavy ka tongava Ianao dia ho velona izy.

Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa,
dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray
niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe:

“Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy,
ka andeha re hametraka ny tananao aminy,
dia ho velona izy.”

Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.

Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona,
nanatona Azy avy eo ivohony,
ka nanendry ny morontongotr’akanjony;
fa hoy izy anakampony:

“Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko,
dia ho sitrana aho.”

Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe:

“Matokia, anaka,
ny finoanao no nahasitrana anao.”

Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.

Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa
ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba,
dia nanao hoe:

“Mialà ianareo,
fa tsy maty akory razazavavy, fa matory.”

Dia nihomehezan’ireo Izy.
Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy,
ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io.
Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 14 febroary 2025

• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...