♦ Nanomboka androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Andrim-panjakana Mpanao Lalàna eto Madagasikara. Niresaka ny olan'ny herinaratra misy eto ankehitriny ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Resahana mandritra ny fikaonan-doha siantifika iraisam-pirenena, eny amin'ny Sekoly Ambony momba Siansa ara-pambolena eny amin'ny Oniversiten'Antananarivo, ny anjara birikin'ny harena voajanahary amin'ny fampandrosoana... ♦ Mbola sakana ho an'ny vehivavy tantsaha eto amintsika amin'ny asa fampandrosoana sahaniny, ny kolontsaina misy any aminy...

♦ Nosokafana ny antoandro teo ny fivoriana ara-potoana faharoan'ny Antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza. Noresahin'ny filohany ny vahaolan'ny fitondràna amin'ny olan'ny jiro sy rano ankehitriny... ♦ Mety hampidirina anatin'ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025 ny fampiakarana ny hetra alaina amin'ny karama na ny IRSA. Anisan'ireo miahiahy izany ny Randrana Sendikaly... ♦ Nahatrarana solika voatapoka maherin'ny 7.000 litatra indray tany Toamasina. Olona 18 no voarohirohy, nosamborina tamin'izao raharaha izao... ♦ Niharan'ny fanafihana an'habakabaka nataon'ny tafika ny tsena iray any Khartoun. Olona 23 no namoy ny ainy, maherin'ny 4 ireo naratra vokatr'izany...

Ny fitsaram-bahoaka dia mitranga amina toe -javatra iray manamarika ny tsy fifampitokisana eo amin'ny mpitondra sy ireo vahoaka entina dia manapa-kevitra ny vahoaka fa izy no mila mandray an-tanana ny momba azy na amin'ny lafiny inona izany na amin'ny lafiny inona... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

♦ Hivory ara-potoana indray ireo Parlemanta eto Madagasikara manomboka anio. Fivoriana, handaniana indrindra indrindra ny lalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2025... ♦ Nakàna hevitra ireo rafi-pitsaràna samihafa eto Madagasikara hamolavolana ny paik'adim-pirenena iadiana amin'ny kolikoly. Misy ny atrik'asa hiresahana izany, mandritra ny roa andro... ♦ Fiara madinika 4 no nofahon'ny camion mpitondra hazo teny Ankorondrano, omaly hariva. Netsehan'aretina ilay mpamily io fiarabe io, ka namoy ny ainy teo am-pamiliana... ♦ Mihitatra any avaratr'i Liban ny fanafihana ampitaindavitra ataon'i Israely, olona 18 no fantatra fa maty tany Aitou, Vokatr'izany, omaly...

♦ Hihatra manomboka rahampitso amin'ny fanombohan'ny fivorian'ireo Solombavam-bahoaka eny Tsimbazaza, ny fampiasana ny hay tao ara-kajy mirindra, hamaritana ny mari-pahatongavana sy ny fiantsoana ny anaran'ireo Solombavam-bahoaka mamonjy fivoriana... ♦ Niaiky amin'ny fananan'ny fitsarana andraikitra lehibe amin'ny ady amin'ny kolikoly ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Tsy mbola fongotra tanteraka ny aretina kitrotro eto Madagasikara. Natomboka androany tany Amboistra ny hetiska fanaovam-bakisiny iadiana amin'izany...

♦ Tontosa ny 13 ôktôbra 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina, sy ny fametrahana azy ho eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'Ambatondrazaka azy... ♦ Ny sabotsy 19 ôktôbra 2024 no hanamarihana, any amin'ny Sanctuaire Ambiatibe, ny fankalazana ny faha-12 taona nanandratana ho olomasina an'i Masindahy Jacques Berthieu... ♦ Ny tena harena dia ny tian'Andriamanitra, hoy ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

♦ Centre Immatriculateur de Madagascar (CIM) Ambohidahy : 100 isa isan'andro eo ireo fangatahana hampiasa "cartes grises - Permis" vonjimaika voaray hatramin'ny nahasimban'ilay fitaovam-panamboarana izany... ♦ Miisa 164 mianadahy ireo tanora hisitraka ilay fampiofanana maimaimpoana omen'ny ministeran'ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak'asa, anatin'ilay fandaharan'asa "FIJERY HAFA"... ♦ Olan'ny famatsiana rano : Nitondra fanazavana momba ny fahadiovan'ny rano zaraina ho an'ny vahoakan'Antananarivo renivohitra izay miteraka resa-be ankehitriny amin'ny orinasa jirama... ♦ Nivavaka ho an'ireo rehetra lasibatry ny herisetra amin'ny endriny samihafa i Papa François tamin'ny famaranana ny Angélus, omaly...

♦ Nanentana ny kristiana ho vonona handray ny iraka ankafaliana sy am-panetrentena i MGr Orthasie Marcellin Herivonjilalaina tamin'ny laha-teny nataony taorian'ny fanamasinana sy fametrahana azy ho Evekan'ny Diôsezy Ambatondrazaka omaly... ♦ Olan'ny famatsiana rano ao Antananarivo-renivohitra : Hivaha amin'ity herinandro ity ny olana hoy ny filoha Rajoelina Andry, Vahaolana kitoatoa kosa no hitan'ny mpitondra hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana... ♦ Voasambotry ny pôlisy miady amin'ny heloka mamoafady tao Mahajanga ny lehilahy 34, nanolana sy nanao herisetra ara-nofo tamina zaza tsy ampy taona miisa 7...

♦ Hamatsy vola mitentina 220 tapitrisa dolara hanohanana ireo tetik'asa samihafa hamatsiana rano eto Madagasikara ny Banky iraisam-pirenena... ♦ Hitambatra anaty vondrona iray ireo tanora Malagasy tia mikirakira ny resaka "Cyber criminalité" na ny eloka an'habaka mba iarovana ny osoka amin'ny fampiasana internet... ♦ Tetika politika hampandresena ny kandidà miara-dia amin'ny fitondrana ny fanokafana ny lisim-pifidianana amin'ny fahazoana ordonnance hoy ny VAMI... ♦ Manamafy ny fanoherana ny fifindra-monina mankany Etazonia ny kandidà Donald Trump... ♦ Nitohy androany ny fankalazana ny andro masina Yom Kippour any Israely, na dia mihamafy aza ny tsikera mahazo ity firenena ity ankehitriny...

Alahady faha-28 mandavantaona - B : Mety hisakana tsy ho tafiditra any an-dranitra ny harena ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia tsy miara-teraka amin'ny olona, fanomezana avy amin'Andriamanitra ireny, ka omeny izay rehetra mangataka aminy, indrindra ireo miraikipo aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia mifanohitra amin'ny havonavona sy ny fiheboheboina, ny fitiavan-tena sy ny fifikirana amin'ny harenin-tany. Ny toetra manokan'ny fahendrena dia izy mandrakizay izay tsy mety maty...

♦ Tafapetraka eny amin'ny ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahantena eny Ankorondrano ny Ivon-toerana natokana ho an'ny tanora. Nentina nanamarihana ny andro manerantany ho an'ny vehivavy omaly ny fanokafana azy io... ♦ Tsy mametraka olana amin'ilay naoty navoakan'ny ministera izay mandrara ny mpitsara tsy handray olona manan-draharaha eny anivon'ny fitsarana ny SMM... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafaham-po ny mpanjifa ny Orange-Money sy ny ny Banky SG... ♦ Miaramila 2 teratany Srilankais avy amin'ny Funil, tafika misatro-mangan'ny firenena mikambana no naratra omaly, vokatry ny tifitra nataon'ny tafika Israeliana...

♦ Nisaraka ady sahala, iray no iray, ny Barea sy ny ekipam-pirenena Gambiana, tany amin'ny kianja Labri Zaouili, Casablanca Maroc. Lalao fifanintsanana handraisana anjara amin'ny CAN 2025... ♦ Manamafy ny fiaraha-miasany amin'ny fanomezana fahafahampo ny mpanjifa ny Orange Money sy ny banky Société Générale eto Madagasikara... ♦ Ny anjara andraikitry ny sehatra tsy miankina amin'ny ady amin'ny kolikoly no lohahevitra tamin'ny loabary an-dasy tetsy amin'ny foiben'ny Bianco androany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...