Mila finiavana ny vavaka, tsy tokony ho kivy, izay no atao hoe tolona amim-bavaka. Ny sitrapon'Andriamanitra no ezahina katsahana anatin'ny vavaka. Ny vavaka dia mampisy ny fanantenana toy ilay vehivavy narary an-taonany maro izay tsy nahitam-panafana anefa sitrana noho ny vavaka sy ny finoana... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Satana dia isan'ny fahavalon'ny vavaka, ary tsy maintsy resena. Mila mahay manavaka ny asan'ny fanahy isika ; misy telo dia ny fanahintsika dia ny sitrapo izay, ny fanahy ratsy dia ny satana, ary ny fanahy tsara izay vokatry ny fanahy masina. Fomba iray hiadiana amin'ny fakam-panahy ny fitokanana sy ny fahatokisana an'Andriamanitra fa tsy hamela antsika ho resin'ny fakam-panahy Izy... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny fitsipi-pifehezana sy ny fitondrantena ary ny fahalalam-pomba eo anivon'ny fiaraha-monina dia isan'ireo fototra sy andry lehibe ho an'ny fampivoarana ny fiainan'ny tsirairay sy ny fianakaviana. Ny fitsipi-pifehezana no antoka iray mahatsara fitondrantena ny olona iray. Ny fitsipi-pifehezana dia ny fiaraha-monina no manadrafitra azy : Sekoly, orinasa, tokan-trano, fiaraha-monina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
Ny hakiviana sy ny alahelo dia isan'ireo fahavalo tsy hafahana mitolona amim-bavaka. Misy ny hafaliam-panahy ary misy ihany koa ny mifanohitra amin'izany dia ny fahoriam-panahy. Ny Alahelo vokatry ny fibebahana sy fandinihana ny fijalian'ny Tompo dia miteraka hafaliana, vokatry ny fahasoavana noraisina. Ny hafaliana vokatry ny zavatra ratsy natao dia zary alahelo... Katesizy momba ny tolona fanao amim-bavaka, iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco