Vao avy nankalaza ny Andro Iraisam-pirenenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy isika ny sabotsy 8 marsa teo. Maro ny hetsika nanamarihana izany manerana ny Nosy, fa tao Mahajanga no natao ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy. Lohahevitra moa ny hoe “fitovian-jo sy fizakantenan’ny vehivavy sy ny zatovovavy”. Saika makotroka isan-taona ny fankalazana izany.
Indraindray toa mijanona ho endrika sy seho ivelany fotsiny amin’ny ankapobeny, toy ny carnaval, ny zumba, ny podium, ny kermesy; indraindray aza dia lasa karazana fanaovana entam-barotra ny vehivavy ny ataon’ny sasany. Niparitaka tanaty tambajotran-tserasera, ohatra, ny fisian’ny hetsika fifaninana toa mivarotra ankolaka ny vehivavy. Toa adino, ary misy tsy mahalala akory, na odiana fanina, ny tena hevitry ny 8 marsa, izay fitakiana ny zon’ny vehivavy.
Tsara aloha ny mampahatsiahy fa ny taona 1977 no nanambaran’ny Firenena Mikambana fa Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy ny 8 marsa. Nipoitra taorian’ny hetsika ara-tsosialy tamin’ny taonjato faha-20 tany Amerika Avaratra sy Eoropa izy io. Andro natao hampatsiahivana sy hanomezan-danja ny fahaleovan-tenan’ny vehivavy, mba hanafoanana ny mety ho fitsaran’ny fiaraha-monina ny vehivavy, sy ny fanavakavahana. Nosokajiana ho fanaka malemy mantsy ny vehivavy tany aloha tany, tsy nitovy ihany koa ny fizarana ny fananana, raha misy ny fisaraham-panambadiana teo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy, ka ny lehilahy mahazo ny roa ampahatelon’ny fananana, fa anjaran’ny vehivavy kosa ny iray ampahatelony: io ilay nantsoina hoe “kitay telo an-dalana.» Fa ankehitriny izy io toa efa foana, ka zara mira indray no mihatra rehefa misy ny fisaraham-panambadiana.
Mety efa fantatra ihany, nefa tsara tsiahivina fa misy zo fototra dimy tokony ho sitrahan’ny vehivavy: eo ny hoe miaina malalaka lavitry ny herisetra sy fanavakavahana, ny zo hisitraka fahasalamana ara-batana sy ara-tsaina, zo hianatra, zo hanana fananana, zo hifidy sy handray karama mitovy. Ventesina foana isan-taona isaky ny fankalazana ny andron’ny vehivavy ny hoe: “fitovian-jo, tsy fanaka malemy fa mahavita azy ny vehivavy, afaka mizaka tena ara-bola, sy ny maro hafa tsy voatanisa». Toa te hilaza ny vehivavy sasany fa afaka mivoatra sy tsy miankin-doha amin’ny lehilahy. Ny mivoatra aloha azo ekena tsara, fa ilay hoe: tsy miakin-doha? Mbola ho sarotra ihany, satria tsy misy olona mahavita tena eto an-tany, fa mifampiankina sy mifameno foana ny lehilahy sy ny vehivavy. Izany rahateo no naharian’Andriamanitra ny zanak’olombelona: nataony lehilahy (Adama) sy vehivavy (Eva). Tsy zo te hitovy na hiady laharana amin’ny lehilahy akory no tokony hotakian’ny vehivavy, fa ny tokony hanomezan-kasina azy eo anivon’ny fiaraha-monina sy ny firenena.
Any amin’ny firenen-kafa aza, dia tena mbola hita taratra izay tsy fanajana ny zo sy ny fahalalahan’ny vehivavy izay. Misy ny vehivavy tsy afaka mianatra, tsy afaka miasa, tsy mahazo mandray andraikitra ambony eo amin’ny firenena. Fa eto amintsika eto Madagasikara kosa aloha dia azo lazaina fa efa mba manana anjara toerany ihany ny vehivavy, raha tsy hiresaka afa-tsy ny andraikitra eo amin’ny fiaraha-monina sy ny firenena. Efa maro, ohatra, ireo vehivavy mitantana orinasa, am-polony ireo vehivavy Ben’ny Tanàna sy Solombavam-bahoaka, ary kely sisa dia efa hisasaka amin’ny lehilahy ny vehivavy Minisitra mpikambana amin’ny Governemanta. Tsy azo lavina kosa aloha fa tena manome lanja ny vehivavy ny fiadiadian’ny Repoblika e. Saika vehivavy mantsy no maro an’isa ao an-dampa manodidina ny Filoha, izay mpikamban’ny kabinetra. Toa mitombina ihany ny fikarohana nataon’ireo manam-pahaizana milaza fa mahavita zavatra tsaratsara kokoa ny vehivavy noho ny lehilahy rehefa hanankinana andraikitra, noho izy ireo miasa amin’ny fo. Fototry ny firenena ny vehivavy, satria dia avy amin’ny hoe: “Reny” ny Firenena, kitapo nifonosana sy loharano nahitana masoandro izy ireo, noho izany tsy tokony ambaniana sy atao tsinontsinona, ary raha mitaky ny tokony hanomezana andraikitra bebe kokoa azy ireo eo amin’ny fitantanana ny firenena.
Na eo aza izay andraikitra tanan’ny vehivavy eto amin’ny firenena izay, dia azo lazaina fa mbola maro ireo fampanantenana ataon’ny mpitondra, rehefa andron’ny 8 marsa, no mijanona am-bava fotsiny ihany. Mby aiza ny fanatanterahana ny fitovian-jo? Mbola re matetika koa ny hoe: “aoka izay ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy”, mbola sarotra ny miady amin’izany, ka ilàna ny fiaraha-mientan’ny rehetra. Fa mazàna ihany koa rehefa 8 marsa vao mba mitodika any amin’ireo vehivavy marefo ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Tolorana fanampiana kely tsy mahavita taona izy ireny. Asa! mety noho ny resaka politika?
Ny amehezana azy dia ny hoe tokony hajaina sy omen-kasina ny maha izy azy ny tsirairay, na lehilahy io na vehivavy. Tsy azo lavina ny fitakiana ny fitovian-jo ho an’ny vehivavy, saingy ho sarotra kosa ny hoe fizakan-tenan’ny vehivavy, satria tsy misy manana ny ampy, fa tsara raha mifanampy. Arofanina hisorohana ny mety ho fifanilikilihana sy tsy fifanomezan-kasina eo amin’ny lehilahy sy ny vehivavy izany. Tsy misy mahavita tena raha mbola eto an-tany, fa ny tsara indrindra dia mifanohana sy mifanampy ao an-tokantrano sy eo anivon’ny fiaraha-monina, ary maninona moa raha eo anivon’ny firenena iray manontolo mihitsy aza e? Amin’izay manko dia handroso ny firenena, ka ho tanteraka tokoa ilay tononkira malaza ao amin’ny hiram-pirenena Malagasy manao hoe: “He sambatra tokoa izahay”.