Vakiteny voalohany
Bokin’i Osea Mpaminany (Os 6, 1-6)
Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona.
Tamin’izany andro izany,
nifampilaza ny vahoaka Israelita nanao hoe:
“Andeha isika hiverina amin’ny Tompo;
fa Izy no namiravira.
Izy no hahasitrana antsika;
mikapoka Izy,
nefa hamehy ny ferintsika koa.
Rahefa afaka indroa andro
dia hataony velona indray isika;
amin’ny andro fahatelo
dia hatsangany isika
ka ho velona eo anatrehany.
Mahalalà isika,
mikeleza aina hahalala ny Tompo isika.
Mahatoky, toy ny an’ny maraina, ny fiposahany;
ary ho avy amintsika
toy ny tandrifin-drahona,
toy ny fara orana manamando ny tany.”
Ary Andriamanitra namaly hoe:
“Inona no hataoko aminao, ry Efraima?
Inona no hataoko aminao, ry Jodà?
Fa ny fitiavam-bavakareo
dia tahaka ny rahona maraina,
tahaka ny ando amin’ny maraina
ka levona vetivety.
Noho izany,
nataoko potika, tamin’ny tenin’ny mpaminany,
novonoiko tamin’ny tenin’ny vavako izy ireo;
toy ny mazava miposaka no ho fitsarana anao.
Fa ny famindram-po no sitrako
fa tsy ny sorona;
ary ny fahalalana an’Andriamanitra
mihoatra noho ny sorona dorana.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 50, 3-4. 18-19. 20-21ab)
Ny famindram-po no sitraky ny Tompo.
Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra,
fa Ianao manko lalim-pitiavana.
Mba koseho re ny heloka vitako,
dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra,
toy izany ireo sorona dorana;
ny fanahy torotoro, ry Tompoko,
io no sorona tianao hatolotro.
I Siôna omeo fitsimbinana,
mba areno ilay Jerosalemako.
Dia ho manitra indray ny fanatitra
sy ny sorona isan-karazany.
Evanjely
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.”
Voninahitra ho Anao, ry Kristy, Tenin’Andriamanitra.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 18, 9-14)
Nidina ilay poblikanina nohamarinina tany an-tranony fa tsy ilay farisianina.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao ity fanoharana ity
tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany:
“Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly.
Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray.
Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe:‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho
fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra,
tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza;
mifady hanina indroa isan-kerinandro aho,
ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny
sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory,
fa nandona ny tratrany nanao hoe:‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’
Lazaiko aminareo
fa ity no nidina efa nohamarinina tany an-tranony,
fa tsy ilay anankiray;
fa izay rehetra manandra-tena no haetry,
ary izay manetry tena no hasandratra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.