• Nitombo hery atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana ka lasa rivo-doza mahery vaika i Chido. Tany amin'ny 610 km avaratra atsinanan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo miaraka amin'ny rivotra 210 km/ora, arahana tafiotra 295 km/ora manakaiky ny foibeny...
  • Nahitam-bokatra ny sehatr'asa nataon'ny firaisamonim-pirenena misehatra amin'ny rano, fidiovana ary fanadiovana na ny OSCEAH. Hivoaka amin'ity volana desambra ity ny pôlitika narafitr'izy ireo momba ny rano...
  • Miasa amin'ny Faritra 12 eto Madagasikara ilay fandaharan'asa vaovao vatsian'ny FIDA vola. Tokantrano 130.000 no hisitraka tombontsoa amin'ny PROGRES...
  • Mpanao gazety miisa 54 no maty amperin'asa tamin'ity taona ity. Tompon'antoka tamin'ny fahafatesan'ny 18 tamin'ireo ny tafika israelianina hoy RSF...

  • Nizotra am-pilaminana ny fifidianana ben'ny tanàna sy ny mpanolontsaina eny anivon'ny kaominina natao omaly. Am-piandrasana ny vokatra vonjy maika tany amin'ny kaominina misy azy avy ny mpifidy...
  • Nisaotra ny vahoaka Malagasy nanefa ny adidiny ny filohan'ny CENI Dama Arsène Andrianarisedo. Miantso ny Malagasy hiandry am-pitoniana ny voka-pifidianana izy...
  • Volamena 13 kg mahery, saika ahondrana an-tsokosoko tany ivelany, no sarona tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Teratany Malagasy nikasa handray ny sidina ho any Addis Abeba no nitondra ny entana...
  • Handrasana anio alakamisy ny anaran'izay ho praiministra frantsay handimby an'i Michel Barnier...

  • Mihamanatona ny morontsiraka avaratry ny nosy ilay rivodoza Chido, atsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Tany amin'ny 3203 km, somary avaratra atsinananan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro. Hipaka amin'ny tapany avaratry ny nosy izy ny zoma izao...
  • Mahatsikaritra toe-javatra hafahafa momba ny lisitry ny mpifidy ampiasaina amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy mpanolotsaina rahampitso, ny antoko Tiako i Madagasikara sy Ramatoa Ravolomanana Lalatiana. Manainga ny vahoaka ho mailo izy ireo manoloana izany...
  • Nitombo iray indray ny fandaharan'asan'ny Governemanta Malagasy, amin'ny alalan'ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, vatsian'ny FIDA vola...

09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.

08 marsa — Raha fintinintsika fohy ny tantaran'i Masindahy Jean de Dieu dia teo amin'ny fahavalo taonany no nandao ny tokantranon-dray aman-dreniny izy. João Cidade no tena anarany ary teraka tao Portugal izy.

07 marsa — I Perpétue sy Félicité dia martiry afrikanina voalohany voarakitra an-tsoratra ny namonoana azy. I Perpétue dia "patricienne" fa i Félicité kosa dia andevo. Nangataka hatao batemy tamin'ny eveka tao Carthage izy roa ireo.

06 marsa — I Masimbavy Colette dia teraka tao Corbie tamin'ny taona 1381. Nodimandry tao Gand Belgique izy ny 06 marsa 1447. Io vanim-potoana niainan'i Colette io dia nomarihin'ny fisarahana teo amin'ny Fiangonana, izany hoe ny taona 1387 ka hatramin'ny taona 1417. Io ilay antsoina hoe "Grand Schisme". Nisy mantsy ny fifandonan'ireo papa telo tamin'izany: ny iray tao Roma, ny faharoa tany Avignon ary fahatelo tany Pise.

05 marsa — I Jean-Joseph de la Croix dia teraka tao amin'ny nosy Ischia ny taona 1654. Vao 16 taona izy no niditra tao amin'ny Fikambanan'ny Frera Madinika. Nitety an'i Italie nandritra ny 30 taona, nanaparitaka ny fanovana nisy tamin'ny fiainan'ny fikambanan'ny pretra izay nentin'i Pierre d'Alcàntara tao Espagne.

04 marsa — I Masindahy Casimir dia teraka ny taona 1458 tao Cracovie. Faharoan-janaky ny mpanjakan'i Pologne izy. Ny taona 1479 ka hatramin'ny 1481 dia nitantana an'i Pologne izy nandrita ny rainy nipetraka tany Lituanie.

03 marsa — Mbola vao folo taona monja i Guénolé dia nentin'ny ray aman-dreniny tany amin'ny trano fitokana-monina tao amin'ny nosy Lavret any Côtes-d'Armor. Ireo ray aman-dreniny ireo dia i Masindahy Fragan sy i Masimbavy Gwen. Tamin'ny taonjato fahadimy no niaina i Guénolé.

02 marsa — Raha lazaina ny tantaran'i Masindahy Charles le Bon dia zanak'i Knut, mpanjaka tao Danemark tamin'ny taonjato faha-11. Ny taona 1119 no notendrena ho comte tao Flandre i Charles rehefa tafaverina avy any amin'ny ady voalohany ho fanafahana ny Tany masina.

01 marsa — I Eudoxie dia misy ihany koa ny miantso azy hoe Eudocie na Eudocia. Martiry maty tamin'ny taona 114 izy io. Niaina nandritra ny nanjakan'ny Amperora Trajan i Eudoxie. Samaritanina nibebaka, vehivavy mpanan-karena niaina tao Héliopolis tany Liban ary niaina tao anatin'ny rendrarendran'izao tontolo izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 24 aogositra 2026

• Pretra 11 mirahalahy no nohamasinina tamin'ny sabotsy 22 aogositra 2026, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo... • Nodimandry teo amin'ny faha-81 taonany ary faha-53 taona naha mpisoron'ny Avo indrindra azy, i Mompera Rakotomahefa Pierre Marcial... • Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena ny Papa Léon XIV, mba hampitombo ireo fepetra ahafahana misakana ny fihanaky tsimokaretina mitondra ny Ebola...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...