Ny andraikitra sy ny adidy no maha-olona, ary indrindra maha olom-pirenena. Ny olom-pirenena dia indrindra ireo 18 taona na mahery. Ny safidy no fototry ny fiainana. Mba ho azo antoka ny fisian'ny fifanajàna sy ny filaminana dia ilaina ny fieken-tena fa diso, eo koa ny fanetrentena hifampiresaka. Mampandroso ny safidy tsara, izay vokatry ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
♦ Tsy mbola isan'ireo afaka hihazakazaka hifaninana ho ben'ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra Andriamatoa Marc Ravalomanana. Nohamafisin'ny CENI omaly ny fanapahana navoakan'ny OVEC. Nohalavaina hatramin'n 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahan'ireo maniry ho kandidà ben'ny tanàna mametraka ny antotan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hampahafantatra ny dingana ataony manoloana ny fandavana ny firotsahan-ko fidian'ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny vovonana Firaisan-kina. Nanamafy ny SG antoko TIM fa tsy nisy ny fifanarahana natao tamin'ny fintatanana ankapoben'ny Hetra... ♦ Nanamarika ny andro eran-tany ho an'ny volobe isika teto Madagasikara omaly...
♦ Nohalavaina hatramin'ny 26 septambra ny fe-potoana farany ahafahan'ireo ho kandidà Ben'ny Tanànana, mametraka ny antontan-taratasiny any amin'ny OVEC... ♦ Hanohy ny dingana araka ny lalàna manoloana ny fandavan'ny CENI ny firotsahan'Andriamatoa Marc Ravalomanana, ny Firaisankina. Naka ny fanapahana avy amin'ny CENI teny Alarobia izy ireo androany... ♦ Nomarihana androany ny Andro Eran-tany ho an'ny Volobe, na Bambou. Miisa 35 karazana ny volobe misy eto Madagasikara...
♦ Nahemotry ny CENI ho amin'ny 26 septambra izao ny fe-potoana farany afahana manatitra ny taratasy firotsahan-kofidiana ho an'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina raha tokony hifarana rahampitso 9 septambra... ♦ Firaketan-draharaha eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo : 2.000 isa isan'andro ireo taratasy fangatahana fanamarinana fizakana zom-pirenena sy Casier Judiciaire voaray... ♦ Madagasikara no handray ny fihaonamben'ireo mampiasa volan'ny AFRICA 50, rahampitso alakamisy 19 septambra etsy amin'ny ivon-toeram-pivoriana iraisam-pirenena Ivato... ♦ Nolavin'ilay orinasa Gold Apollo ny filazana azy ho nanamboatra ireo Bipeurs nampiasan'ny Hezbollha Libanais...
♦ Tsy manana olana amin'y hanomezana ny taratasy fanamarinana fandoavan-ketra ho an'ny filoha telo aloha Marc Ravalomanana rehefa mahaloa ny hetra tokony haloany amin'ny Fanjakàna ny tenany hoy ny Ministry ny Vola sy ny Fitantanam-bola... ♦ Ho fantatra anio hariva farafahatarany ny fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc, mirotsaka ho fidiana ben'ny Tanàna an'Antananarivo na tsia, fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga izao sakatsakana izao hoy ny solombavambahoaka Siteny Andrianasoloniaiko... ♦ Kolotsaina sy ny asa tanana isany misarika ny mpizahan-tany ho tonga eto Madagasikara, antony nanaovana ny hetsika fampirantiana Bon Baiser de Tanà etsy Ivato...
♦ Nanambara androany ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, fa noho ny taratasy fanomezan-toky ny handoavany ireo hetra mbola tsy voaloany, nataon'ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin'ny taona 2023, no nahafahany nirotsaka ho kandidà Filoham-pirenena farany teo... ♦ Fanapahan-kevitra pôlitika no mahatonga ny fanakanana an'Andriamatoa Marc Ravalomanana ho kandidà Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra, hoy ny depiote, Siteny Andrianasoloniaiko...
♦ Miseho lany ny olana amin'ny olona ho atolotry ny antoko pôlitika sy ny vovonana pôlitika ho kandidà ben'ny tanàna, indrindra ny amin'ny renivohi-paritany... ♦ Mbola mahaliana ny Malagasy tanora ny fandalinana ny hay pôlitika na eo aza ny zava-misy ara-pôlitika misy ankehitriny... ♦ Volana eran-tany momba ny "Alzheimer" ny volana septambra. Maro ireo hetsika karakarain'ny fikambanana Madagascar Alzheimer Masoandro Mody... ♦ Mahazo vahana ny herisetra sy fanenjehana ny finoana katôlika any Nouvelle-Calédonie. Miisa 6 ireo Eglizy nisy nandoro any an-toerana, tato anatin'ny 2 volana...
♦ Nampiakatra ny raharaha eny anivon'ny CENI manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antotan-taratasiny ho kandidà ben'ny tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Mbola banga tsy misy kandidà ireo kaominina miisa 12 amin'ireo kaominina 16 mandrafitra ny Distrika Antananarivo-Avaradrano... ♦ Hanomboka androany ary haharitra 4 andro ny hay ranty karakarain'ny sekoly ambony momba ny hay fambolena sy fiompiana... ♦ Any Rosia, nanome baiko mba hampitombona isa ireo tafika ny filoha Vladmir Poutine...
♦ Nandefa taratasy eny anivon'ny CENI, manoloana ny fandavan'ny OVEC ny antontan-taratasiny ho kandidà Ben'ny Tanàna Andriamatoa Ravalomanana Marc. Manana roa andro hamaliana izany ny CENI... ♦ Tsy nanafina ny fikasany hanolotra ny PDS teo aloha, Ramanambitana Richard, ho kandidà amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna ao Antananarivo Renivohitra ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina... ♦ Nasiam-panavaozana maromaro ireo fepetra fahazoan-dalana mitrandraka harena ankibon'ny tany eto Madagasikara...
♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tomasina, ny sabotsy 14 septambra 2024 i Mgr Herivonjilalaina, izay notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Misy ny rafitra vaovao napetraka ho an'ny Diôsezin'Antsirabe, nambara amin'ny fomba ôfisialy izany omaly, nandritra ny famaranana ny fivahinianana masina fanao isan-taona... ♦ Ny hoe mahafantatra an'i Jesoa dia manaiky azy hanova ny fiainantsika, io no votoatin'ny fampianaran'ny Ray masina François, nandritra fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly...
♦ Tontosa omaly alahady ny fivahinianana Masina fanao isan-taona ho an'ny Diôsezin'Antsirabe... ♦ Tontosa omaly ny fanadinana andiany voalohany handraisana mpiofana zandary miisa 1.500, hatao any Ambositra ny fihodinana faharoa... ♦ Maherin'ny 360.000 isa ny tokantrano tantsaha mpikambana ao amin'ny FIFATA mankalaza ny faha-35 taona nijoroan'ny fikambanana... ♦ Hiverina hisokatra ho an'ny rehetra ny sabotsy 7 desambra ny varavaran'ny katedraly Notre Dame de Paris.. ♦ Niheren-doza indray Andriamatoa Donald Trump raha ny fampitam-baovao avy amin'ireo ekipany, amin'ny fiomanana fiatrehana fifidianana filohan'ny repoblika any Etazonia...
♦ Mety hihemotra ny daty farany handraisana ny antotan-taratasy filatsahan-kofidiana ben'ny tanàna sy mpanolontsaina, manoloana ny fahavitsian'ny kandidà efa nahatontosa ny fametrahana antotan-taratasy... ♦ Hiroso amin'ny fampiasana ny sambo hitaterana entana ny paositra Malagasy atsy ho atsy, iatrehana amin'ny fifaninanana... ♦ Mpiasa miisa 244 no nampihatoana ara-teknika teny amin'ny orinasa afakaba teny Ankadikely-Ilafy... ♦ Nandefa tifitra MISSIL niainga avy any Yemen tany afovoan'i Israely omaly maraina ny vondrona mpihoko Houthis izay tohanan'i Iran... ♦ Mpifindra monina an-tsokosoko miisa 8 no maty, ary 6 hafa naratra nahiditra hopitaly vokatry ny faharendrehan'ny sambo nitondra azy ireo tany La Manche...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco