Tsy maintsy miaro ny hasin'ny fanambadiana sy ny fianakaviana ny Eglizy sy ny olon-drehetra, ny fiaraha-monina sy ny Fanjakàna ary ny Fikambanam-be iraisam-pirenena. Lazain'ny Eglizy fa ny fianakaviana no fototra iorenan'ny fokonolona ; ao ny taranaka mifandimby no mifanampy hahazo fahendrena bebe kokoa sy hampirindra ny zon'ny olona amin'ny zavatra ilaina eo amin'ny fiainana ara-tsosialy. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny pôlitika, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
♦ Manohy ny famoahana ny voka-pifidianana isam-paritany hatrany ny CENI araka ny hita amin'ny pejiny amin'ny Facebook. Tsy nisy intsony hatramin'izao ny famoahana ny voka-pifidianana faobe mampiseho ny antontan'isa manerana ny nosy... ♦ HItory any amin'ny OIT ny Randrana Sendikaly noho ny fanapahana ny karaman'ireo mpitarika sendikà eny amin'ny Anjerimanontolo. Manitsaka ny fifanarahana iraisam-pirenena ny Fitondrana vonjimaika amin'izao hoy izy ireo... ♦ Misy aretin-koditra hafahafa mahazo ny voafonja any amin'ny Fonjaben'i Fianarantsoa amin'izao. Sahirana amin'ny fitsaboana sy tsy hiparitahan'io aretina io ny fiadidiana ny Fonja any an-toerana ka niantso vonjy tamin'ireo malala tanana...
Ny mpianatra amin'ny ambaratonga voalohany no tena ahitana tahotra. Ny 20 nôvambra dia andro iraisam-pirenena hitakiana ny zon'ny ankizy. Ny tahotra dia isan'ny sakana tsy mampivelatra ny mpianatra sy tsy handroso. Ny tahotra dia efa raikitra sy monina ao anatin'ny olona iray. Ny ankizy 2-6 taona, 6-11 taona dia tsy mbola anatin'ny fahamatorana, hany ka izay manaitra azy dia miteraka tahotra ho azy ireny. Mila manao ezaka ny ray aman-dreny sy ny mpanabe mba hanampy ny ankizy hiala amin'ny tahotra, eny amin'ny ambatonga voalohany, mialohan'ny hirosoana any amin'ny fiainan'ny adolantsento. Ny mpampianatra no mamoha ny tahotra ao amin'ny mpianatra ankoatra ireo mpiara-mianatra aminy...
♦ Nibata fandresena voalohany ny Barean'i Madagasikara alina, anatin'ny fifanintsanana amin'ny Mondial 2026. Lavon'ny ekipam-pirenena malagasy mazava tamin'ny isa 00 noho ny 03, i Tchad... ♦ Hanohy ny tolona efa nataony nialohan'ny fifidianana teo ny vondron'ireo kandidà, araka ny nambaran'izy ireo omaly. Hivadika tolom-bahoaka ny hetsika, izay hiarahana amin'ireo mpanao pôlitika... ♦ Diso ny vaovao niparitaka momba ny fisian'ny manamboninahitra zandary sy miaramila nosamborina, noho ny fiahiahiana fanonganam-panjakàna hoy ny seraseran'ny zandarimariam-pirenena... ♦ Notafihan'ny tafika israeliana ny hôpitaly iray any amin'ny tapany avaratry ny Bande de Gaza ; marary 12 isa no namoy ny ainy...
♦ Nilaza ny hanohy ny tolona efa nitakiany ny hisian'ny fahamarinana eto amin'ny firenena, ny vondron'ireo kandidà. Hivadika ho tolom-bahoaka amin'izay manomboka izao ny hetsika, hoy izy ireo androany, raha nitafa tamin'ny mpanao gazety teny Andraharo... ♦ Niparitaka ny feo fa nisy manam-boninahitra roa eo anivon'ny Foloalindahy, nosamborina, nikotrika fanonganam-panjakana. Nandiso ny fiparitahan'izany vaovao izany ny teo amin'ny Zandarimariam-pirenena androany... ♦ Hihaona amin'i Tchad indray anio alina, ny Barean'i Madagasikara, anatin'ny fifanintsanana handraisana anjara amin'ny Mondial 2026...
♦ Hihaona amin'ny Ray Masina François any Vatican, amin'ity herinandro ity, ny Birao Maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... ♦ Nandao ny Paroasy Saint Louis Manakarabe ny fikambanana Congrégation de la Mission, rehefa niasa 100 taona tao amin'ity toerana ity. Horaisin'ny Pretra diôsezanina avy ao amin'ny Diôsezin'i Farafangana indray ny fitantanana pastôraly... ♦ Mankalaza taon-jobily efatra ny Fianakaviambe Fransiskanina ao anatin'ny efa-taona, ka hofaranana ny 17 desambra 2023 ny fankalazana voalohany, dia ny Noely tao Greccio, izay hotanterahana any amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina...
22 nôvambra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)
Boky Faharoan’i Makabeo (2 Makabeo 7, 1. 20-31)
Tamin’izany andro izany,
dia nisy olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny;
ary notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa,
noraràn’ny lalàna, izy ireo,
ka nokapohina natao hoto tamin’ny kotopia aman-kozatr’omby.
Mahagaga mihoatra izay azo lazaina sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny,
fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja;
nefa notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po.
Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin’ny fitenin-drazany
ary feno hevitra mendrika indrindra izy,
ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohanany herim-pon-dehilahy.
Dia hoy izy tamin’izy ireo:
“Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko;
tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo;
tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan’ny vatanareo.
Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao,
izay namorona ny olombelona hatramin’ny nahaterahany,
sy mandahatra ny fiavian’ny zavatra rehetra,
dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony,
satria noho ny fitiavanareo ny lalàny
no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.”
Nataon’i Antiôkosa fa tsiratsiraina izy,
ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo.
Raha mbola velona ihany ilay faralahy,
dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamim-pianianana,
fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn’ny razany,
dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony.
Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo;
ka ny reniny no nantsoin’ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an’itý zatovo.
Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany.
Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an’itsy mpanjaka masiaka,
ka dia niteny tamin’ny fitenin-drazany hoe:
“Mamindrà fo amiko, anaka,
izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko,
nampinono anao telo taona,
nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin’izao taonanao izao.
Ka mihanta aminao aho,
jereo ny lanitra sy ny tany,
diniho izay rehetra ao aminy,
ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin’ny tsinontsinona,
ary toy izany no nahazoan’ny taranak’olombelona fisiana.
Aza matahotra itý mpamono, mbà mendrika an’ireo rahalahinao,
ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin’ny rahalahinao,
raha mby amin’ny andron’ny famindram-po.”
Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy:
“Fa inona no andrasanareo?
Tsy ekeko ny didin’ny mpanjaka,
ny didin’ny lalàna nomen’i Môizy ny razanay no ekeko.
Ary ianao izay fototr’izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao,
dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin’Andriamanitra.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 16, 1. 5-6. 8 sy 15
Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Mandrenesa ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amin’ny molotra mpamitaka.
Mikiry mamindra amin’ny soritrao aho,
ka tsy mamela ny tongotro hivily.
Miantso aho, ka valio Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny.
Ambeno toy ny anakandriamaso aho;
afeno aho ao amin’ny aloky ny elatrao.
Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao,
hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!
Aleloia. Aleloia.
Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 11-28)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao itý fanoharana itý,
fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy,
ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay,
ka hoy Izy:
“Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana,
dia mbola hiverina.
Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy
ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe:‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’
Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy
ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe:‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’
Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina,
dia nampaka ny mpanompo nomeny vola
mba hahitany izay tombony azony avy.
Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe:‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Tsara izany, ry mpanompo tsara,
noho ianao nahatoky tamin’ny kely,
dia hifehy tanàna folo ianao.’Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe:
‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’
Ary hoy izy taminy:
‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’
Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe:
‘Tompoko, indro ny minanao,
fa notahiriziko tao anaty lamba;
satria natahotra anao aho, noho ianao lehilahy sarotiny
ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’Dia hoy ilay mpanjaka taminy:
‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy;
fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako,
ary mijinja izay tsy nafafiko;
koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako
mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’Dia izao no nataony tamin’izay teo:
‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’
Fa hoy ireo taminy:
‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’
‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena;
fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza.
Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý,
ka vonoy eto anatrehako.’”
Rahefa niteny izany i Jesoa,
dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
21 nôvambra 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahatelo amby telopolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Boky Faharoan’i Makabeo (Makabeo 6, 18-31)
Tamin’izany andro izany,
i Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony,
izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik’andriana indrindra,
dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa.
Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka;
naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy;
toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina,
noho ny fitiavana ny aina.
Nifankahazo tamin’i Eleazara hatra ny ela kosa
ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany,
ka nalainy mangingina izy,
novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany
ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka;
satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy,
ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo
noho ny fisakaizany taminy efa ela be.
Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena,
araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany,
ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy toe-piainana mendrika indrindra
narahiny hatramin’ny fahazazana,
ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy;
ka noho izany ny handefasana azy haingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.
Hoy izy:
“Tsy mety tokoa,
raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra;
fandrao dia heverin’ny zatovo maro
fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivifolo taona.
Amin’izany izy ireo,
noho ny fanafenako hevitra,
sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana;
ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako.
Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho;
tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra,
na velona aho na maty.
Noho izany,
raha amin-kerim-po no handaozako itý fiainana itý ankehitriny,
dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay,
ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora
amin’ny fahafatesana antsitrapo sy amin-kerim-po
noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.”
Vao avy niteny izany izy,
dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana.
Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalàna ny teny vao notononiny,
ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.
Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe:
“Ny Tompo manana ny fahalalana masina
no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho,
dia miaritra fampijalijaliana mafy amin’ny nofoko asiana ny langilangy,
fa amin’ny fanahiko kosa,
mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy.”
Toy izany no namoizany ny aina
ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po
sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy,
tsy ho an’ny tanora ihany,
fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7
Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko
sy ireo mitsangan-kanohitra ahy,
sy ireo mikendry ny aiko:
fa tsy vonjen’Andriamanitra, hono, aho!
Kanjo Ianao, ry Tompo, no Mpanao soa ahy.
Voninahitro, Mpanatràka ny lohako!
Izaho niantso ka niantso ny Tompo:
Izy nanoina tany am-Bohiny Masina!
Izaho mandry, dia matory, dia mifoha:
fa ny Tompo manohana ahy!
Tsy atahorako izay vahoaka alinalina
manemitra ahy hatraiza hatraiza!
Aleloia. Aleloia.
Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 19, 1-10)
Tamin’izany andro izany, i Jesoa,
rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna.
Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake,
lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena,
nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy,
fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona,
satria fohy izy.
Koa nihazakazaka nialoha izy,
dia nianika amontana anankiray hitazana Azy,
fa eo no handalovany.
Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy,
ary nanao taminy hoe:
“Ry Zake, midina haingana,
fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.”
Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana.
Ary nony nahita izany ny olona,
dia nimonomonona nanao hoe:
“Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.”
Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe:
“Tompoko,
indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra,
ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny
dia honerako inefatra hoatra azy.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena,
satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý,
fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦Nihazo an'i Rôma omaly alahady 19 nôvambra ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hihaona amin'ny Papa Ray Masina... ♦ Tsy hanaiky ny vokam-pifidianana hivoaka eo ny antoko HVM ary nilaza fa mbola hanohy ny tolona hatrany... ♦ Hisokatra ôfisialy rahampitso talata ny fotoam-piotazana Litchis ho an'ny Faritra Atsinanana sy Analanjirofo... ♦ Nahafatesana olona 21 farafahakeliny ny ora-nikija tao anatin'ny 2 andro tany amin'ny Repoblika Dominicaine...
Araka ny lalan-tsaina noentin'ny Mpanoratra, Mpampianatra, Akademisianina. Andriamalala Emilson Daniel Tsiferana dia misy lafiny telo no afahana mihatrika ny fanagasiana dia ny ara-toe-tsaina, ara-pampianarana, ary farany ara-toe-karena. Ny fanagasiana amin'ny lafiny fampianarana dia mitaky zavatra maromaro afahana miady amin'ny tosiky ny teny vahiny toy ny : fampitaovana izay enti-mampianatra, ny fampiofanana, ny rafitra, azo heverina ihany koa ny fametrahana politikan'ny fanabeazana ka ho teny enti-mampianatra ny teny malagasy. Fakafakaina tsara ny lafiny tsenan'asa satria misongadina loatra ny hoe ilaina ny fahafehezana ny teny frantsay ary tombony ny teny anglisy..
Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco