Vakiteny voalohany

Boky Fanisana (Fanis. 11, 25-29)

Noho ny amiko va no ialonanao? Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo.

Tamin’izany andro izany,
nidina teo amin’ny rahona ny Tompo dia niteny tamin’i Môizy;
nangalany ny Fanahy izay tao amin’i Môizy,
ka nataony tao amin’ny loholona fitopolo lahy,
naminany izy ireo raha vao tonga tao aminy ny Fanahy,
nefa tsy notohiziny izany.
Nisy olona roa lahy, atao hoe Eldada ny anankiray, ary i Medada ny anankiray,
nijanona teo an-toby;
ary tonga tao amin’izy ireo ny Fanahy;
anisan’ny voasoratra izy ireo nefa tsy nankany amin’ny trano lay,
ary naminany teo an-toby izy.
Dia nihazakazaka nilaza izany tamin’i Môizy ny zazalahy anankiray, nanao hoe:

“Maminany atsy an-toby i Eldada sy i Medada”.

Niteny niaraka tamin’izay i Jôsoe, zanak’i Nona,
mpanompon’i Môizy hatry ny fony tanora, ka nanao hoe:

“Ry Môizy tompoko ô, rarao izy roa lahy”.

Fa hoy ny navalin’i Môizy azy:

“Noho ny amiko va no ialonanao?
Enga anie ka ho mpaminany avokoa ny vahoakan’ny Tompo,
ary hataon’ny Tompo ao aminy ny Fanahiny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 10. 12-13. 14

Mahafaly fo ny fitsipiky ny Tompo.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary,
mamelombelona fanahy;
ny didin’ny Tompo mahatoky,
mampahendry olon-tsotra.

Ny tenin’ny Tompo madio,
maharitra mandrakizay;
ny fitsaràn’ny Tompo koa marina,
samy rariny avokoa.

Koa ny mpanomponao mankasitraka ireny,
fa tombontsoa ireny raha voatandrina.
Ny hadisoan’ny tena, tsy mba hita:
avelao ny ota izay tsy tandriko.

Ny avonavona iarovy ahy,
ity mpanomponao anie tsy ho voafehiny,
ka dia ho afaka amin’ny loto
sy ny hadisoana bevava.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly (Jak. 5, 1-6)

Ny harenareo efa lo.

Anareo mpanan-karena kosa indray izao:
Mitomania sy migogogogoa, fa indro ny lozanareo efa midona.
Ny harenareo efa lo;
ny fitafianareo efa lanin’ny kalalao;
ny volamena sy ny volafotsinareo efa harafesina;
ary ny harafesiny dia hiampanga anareo,
sy handevona ny nofonareo, toy ny afo.
Efa nanangona hatezerana ho anareo ho amin’ny andro farany ianareo.
Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo;
ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.
Nivelona teto an-tany tamin’ny hanim-py ianareo sy nanaram-batana tamin’ny fahafinaretana;
namoky ny fonareo tamin’ny andro fandringanana ianareo.
Nanameloka sy namono ny olo-marina ianareo, fa tsy nanohitra anareo izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)

Izay tsy manohitra anareo, dia momba anareo. Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy.

Tamin’izany andro izany,
namaly ny tenin’i Jesoa i Joany ka nanao taminy hoe:

“Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay;
nefa tsy namantsika ka noraranay”.

Fa hoy i Jesoa:

“Aza raranareo izy;
fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana.
Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.
Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako,
satria an’i Kristy ianareo,
dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy.
Ary na iza na iza hanafintohina ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny,
dia tsaratsara kokoa ho azy ny hanantonana vato fikosohan-dafarîna amin’ny vozony,
ka havarina any anaty ranomasina izy.
Raha ny tananao no manafintohina anao, tapaho izy,
fa aleo kilemaina miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manan-tanan-droa avarina any amin’ny gehena,
dia any amin’ny afo tsy azo vonoina.
Ary raha ny tongotrao no manafintohina anao; tapaho izy,
fa aleo tapa-tongotra an’ila miditra any amin’ny fiainana ianao,
toy izay manana tongotra roa avarina any amin’ny gehen’afo tsy azo vonoina.
Raha ny masonao no manafintohina anao, esory izy,
fa aleo toka-maso miditra any amin’ny fanjakan’Andriamanitra ianao,
toy izay mana-maso roa avarina any amin’ny gehen’afo,
izay tsy mety maty ny olitr’izy ireo ary tsy azo vonoina ny afo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 4 ôktôbra 2024

♦ Efa vonona amin'ny fandraisana ny vahiny hanatrika ny fanamasinana Eveka amin'ny 13 ôktôbra 2024, ny Diôsezin'Ambatondrazaka... ♦ Tsy maintsy mitondra ny anjara birikiny, hoy ny Papa François, ireo mpandray anjara amin'ny fihaonana faharoa amin'ny Sinaody, mba ho tanteraka ny hoe Eglizy miara-dia... ♦ Nihaona tamin'i Sadyr Japarov, Filoham-pirenen'i Kirghizistan, ny Papa François ny maraina teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...