Vakiteny voalohany
Bokin’i Jôba (Jôb. 3, 1-3. 11-17. 20-23)
Nahoana no atao mahita masoandro ny ory?
Niloa-bava i Jôba ary nanozona ny andro nahaterahany izy.
Nanomboka niteny i Jôba nanao hoe:
“Ho foana anie ny andro nahaterahako, mbamin’ny alina nanao hoe:
‘Misy olona iray vao torontoronina.’
Toy izay aho, ka maty hatrany am-bohoka!
Toy izay aho, ka niala aina, raha vao nivoaka avy tao an-kibo!
Nahoana aho, no dia nahita lohalika roa hiampofo?
Ary nahoana no misy nono roa hotsentsefiko?
Fa toy izay aho efa nandry ary niadana, efa natory sy niala sasatra,
miaraka amin’ireo mpanjaka sy lehiben’ny tany,
izay efa nahavita fasan-dehibe ho an’ny tenany;
sy amin’ireo andrian-dahy be volamena, nameno volafotsy ny fonenany.
Na hoe: tsy ho nisy aho, toy ireo tsy tonga volana tsy fantatra;
sy toy ireo zaza tsy nahita masoandro.
Any, tsy manao an-keriny intsony ny ratsy fanahy;
any, miala sasatra ny olona lany hery.
Nahoana no atao mahita masoandro ny ory,
sy omena ny aina ireo vonton’ny hangidy ny fanahiny,
manantena ny fahafatesana, nefa tsy avy ny fahafatesana;
katsahiny an-kafanam-po, mihoatra noho ny rakitra,
fa sambatra izy ireo, sady mientan-kafaliana, ary miravoravo raha sehatra ny fasana;
dia ny olona maizin-dalan-kaleha izany, sy voafefin’Andriamanitra hatraiza hatraiza!”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 87, 2-3. 4-5. 6. 7-8
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivàvako, ry Tompo.
Tompo Andriamanitra ô! andro aho mitaraina!
alina mitoloko eo anoloanao!
Ho tonga eo anoloanao anie ny fivàvako!
Manongilàna sofina amin’ny antsoko!
Fa hetsa-pahoriana ny fanahiko, tafapaka amin’ny Seoly ny aiko!
Efa naman’ny mitsitra any an-davaka aho,
toy ny mpiady afa-kery!
Eo afovoan’ny maty ny fandriako;
izaho mova tsy ny maty ao am-pasana
izay tsy tsaroanao intsony,
fa he! nakipaky ny tananao!
Amin’ny vody lavaka aho no napetrakao,
amin’ny lalina sy maizina indrindra!
Natsindrinao ahy ny hatezeranao;
ny alon-dranonao rehetra natototrao ahy!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)
Olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy ka tsy nisy nandray Azy.
Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalàna an’i Jesoa eto amin’izao tontolo izao,
dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy ka nandefa iraka nialoha Azy.
Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina,
mba hanomana ny fandraisana Azy;
fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy.
Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe:
“Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?”
Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe:
“Tsy fantatrareo manko izay tokony ho fanahinareo.
Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery olona fa hamonjy azy.”
Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.