Vakiteny voalohany

Bokin’i Jôba (Jôb. 1, 6-22)

Ny Tompo no nanome, ny Tompo no naka; hisaorana anie ny Anarany.

Indray andro, nony tonga teo anatrehan’ny Tompo ireo zanak’Andriamanitra,
dia mba tonga teo afovoan’izy ireo koa i Satana.
Ka hoy ny Tompo tamin’i Satana:

“Avy aiza ianao?”

Dia hoy ny navalin’i Satana:

“Avy nitety ny tany aho sy nitsangantsangana teny.”

Ary hoy ny Tompo tamin’i Satana:

“Efa nandinika an’i Jôba mpanompoko va ianao?
Tsy misy olona toa azy eny ambonin’ny tany,
marina, mahitsy, matahotra an’Andriamanitra, ary mifady ny ratsy.”

Fa hoy i Satana namaly ny Tompo:

“Moa matahotra an’Andriamanitra maimaim-poana va i Jôba?
Tsy efa vitanao fefy manodidina va ny tenany,
ny ankohonany mbamin’ny ananany rehetra?
Fa nambininao ny asan’ny tanany, ka manenika ny tany ny biby fiompiny.
Fa ahinjiro ny tananao dia kasiho ny ananany,
raha tsy manozona Anao manatrika izy!”

Ka hoy ny Tompo tamin’i Satana:

“Indro azonao anaranam-po avokoa izay ananany,
fa ny tenany tokana no aza kasihin-tanana.”

Dia niala teo anatrehan’ny Tompo i Satana.

Ary indray andro,
raha ilay nihinana sy nisotro divay tao an-tranon’ny zokiny lahimatoa iny,
ireo zanany lahy aman-janany vavy,
dia nisy iraka tonga nilaza tamin’i Jôba hoe:

“Raha mbola niasa ny omby, ka nihinana teo akaikiny koa ny ampondravavy,
dia tonga tampoka ny Sabeanina nandroba azy ireo,
sady namono ny ankizilahy tamin’ny lelan-tsabatra,
fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.”

Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe:

“Nilatsaka avy any an-danitra ny afon’Andriamanitra
ka nandoro ny ondry mbamin’ny ankizilahy, sy nandevona azy,
fa izaho irery no hany afa-nandositra hilaza izany aminao.”

Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe:

“Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy,
sady namono ny ankizilahy tamin’ny lelantsabatra;
fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.”

Mbola miteny eo io, dia nisy iray koa tonga nilaza hoe:

“Nihinana sy nisotro divay tao amin’ny zokiny lahimatoa, ny zanakao lahy aman-janakao vavy,
ary indro nisy rivotra mahery nifofofofo avy any an-dafin’ny efitra nanainga ny zoron-trano efatra,
dia nianjera tamin’ireo zatovo ny trano, ka maty izy;
izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao.”

Dia nitsangana i Jôba tamin’izay,
nandrovitra ny fitafiany, nanaratra ny lohany, nidaboka tamin’ny tany ary niankohoka nanao hoe:

“Nitanjaka no nivoahako avy tao an-kibon’i neny, ary mitanjaka no hiverenako any indray.
Ny Tompo no nanome, ny Tompo no naka;
hisaorana anie ny Anaran’ny Tompo.”

Tamin’izany rehetra izany i Jôba tsy nanota akory,
na nilaza hadalana momba an’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 16, 1. 2-3. 6-7

Anongilano sofina aho, henoy teny, ry Tompo.

Henoy ny antsoko, ry Tompo!
Ataovy re ny tarainako!
Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako,
izay tsy avy amina molotra mpamitaka!

Ny Tavanao mamoaha ny rariny ho ahy,
ny masonao mahità ny hitsiny.
Savao ny foko; tampohy alina aho;
manasedrà fa tsy hahita tsiny!

Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra:
anongilano sofina, henoy teny!
Ataovy mahatalanjona ny hatsaram-ponao lehibe,
ry Ilay Mpamonjy amin’ny fahavalo an’izay mifefy amin’ny tananao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

Izay kely indrindra eo aminareo no ho lehibe indrindra.

Tamin’izany andro izany,
nisy hevitra tonga tao an-tsain’ireo mpianatra, dia ny amin’izay lehibe aminy.
Fantatr’i Jesoa ny hevitra tao am-pony,
ka naka zaza kely anankiray Izy napetrany teo anilany,
dia hoy Izy tamin’izy ireo:

“Na iza na iza mandray itony zaza kely itony amin’ny Anarako dia mandray Ahy,
ary na zovy na zovy mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy;
fa izay kely indrindra eo aminareo rehetra dia izy no lehibe.”

Dia niteny i Joany nanao hoe:

“Ry Mpampianatra ô,
nahita olona anankiray nandroaka demony tamin’ny Anaranao izahay,
ka noraranay, satria tsy namantsika izy.”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Aza raràna, fa izay tsy manohitra anareo dia momba anareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 15 nôvambra 2024

  • Manohina ny fon'i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, hoy ny Hafatry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fivorian'izy ireo...
  • Voafidy ho Filohan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan'ny Diôsezin'i Morondava...
  • Mandray anjara lehibe amin'ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ny Eglizy Katôlika eto Madagasikara, hoy i Mgr Fridolin Ambongo Besungu, Arsevekan'i Kinshasa, Filohan'ny Fiombonan'ny Fivondronamben'ny Eveka aty Afrika sy Madagasikara...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...