Vakiteny voalohany
Bokin’i Jôba (Jôb. 42, 1-3. 5-6. 12-17)
Ny masoko ankehitriny efa nahita Anao, koa dia manameloka ny tenako aho sy manenina.
Namaly ny tenin’ny Tompo i Jôba ka nanao hoe:
“Fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy misy hevitra sarotra ho Anao.
Iza moa izato manamaizina ny fandaharan’Andriamanitra tsy amim-pahalalana?
Eny, niteny tsy amim-pahalalana tokoa aho,
ny amin’ny zava-mahagaga tsy takatro aman-tsy fantatro!
Mihainoa fa hiteny aho, hanadina Anao aho, ka valio.
Ny sofiko taloha efa nandre filazana Anao,
fa ny masoko kosa ankehitriny efa nahita Anao.
Koa dia manameloka ny tenako aho, sy manenina eo amin’ny vovoka sy ny lavenona.”
Nambinin’ny Tompo mihoatra noho ny tamin’ny taloha ny andro niainan’i Jôba tayý aoriana,
ka nanana ondry efatra arivo amby iray alina, rameva enina arivo, omby arivo tsiroaroa, ary ampondravavy arivo.
Nanan-janaka fito lahy sy telo vavy izy:
ny voalohany nataony hoe Jemimà, ny faharoa Ketsia, ary ny fahatelo Keren-Happòka.
Tsy nisy vehivavy tsara tarehy tahaka ireo zanakavavin’i Jôba ireo tamin’ny tany rehetra;
nomen-drainy anjara lova eo amin’ireo anadahiny izy.
Velona efapolo amby zato taona i Jôba taorian’izany;
ka nahita ny zanany lahy sy ny zanakalahin’ny zanany lahy hatramin’ny taranaka fahefatra.
Dia maty i Jôba, efa antitra sy voky andro niainany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 118, 66 sy 71. 75 sy 91. 125 sy 130
Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao!
Ampianaro ahy ny fahaizan-tsoa sy ny fahalalana
fa izaho matoky ny baikonao!
Soa ho ahy ny nomenao fijaliana,
mba hianarako ny fitsipikao!
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny fitsaranao:
ara-pahamarinana no ampahorianao ahy!
Noho ny fitsaranao dia maharitra mandraka androany
ny zava-drehetra izay samy mpanomponao!
Mpanomponao aho ka mba omeo fahalalana,
hahafantarako ny fanambarànao!
Vavahady mazava ny teninao,
sy mampahazo fahalalana ny olon-tsotra.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Misaotra Anao Aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 17-24)
Noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.
Tamin’izany andro izany, dia niverina tamin-kafaliana ny roa amby fitopolo lahy ka nanao hoe:
“Tompo ô, na dia ny demony aza dia manaiky anay noho ny Anaranao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Nahita an’i Satana latsaka avy tany an-danitra toy ny varatra Aho.
Indro efa nomeko ny fahefana hanitsaka ny bibilava sy ny maingoka
mbamin’ny hery rehetra ananan’ny fahavalo ianareo
ka tsy hisy hampaninona anareo akory ireny.
Tsy noho ny fanahy ratsy manaiky anareo anefa no tokony hifalianareo,
fa noho ny anaranareo efa voasoratra any an-danitra no ifalio.”
Tamin’izay nientan-kafaliana tamin’ny Fanahy Masina Izy ka nanao hoe:
“Misaotra Anao Aho, ry Raiko Tompon’ny lanitra sy ny tany,
noho Ianao nanafina izany tamin’ny mahay sy ny hendry,
fa nanambara azy tamin’ny zaza madinika kosa.
Eny, Raiko, fa izany no sitraponao.
Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra,
ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na ny Ray afa-tsy ny Zanaka
sy izay tian’ny Zanaka hanambarana Azy.”
Dia nitodika tamin’ny mpianany Izy ka nilaza taminy manokana hoe:
“Sambatra ny maso mahita izay hitanareo;
fa lazaiko aminareo fa maro ny mpaminany sy ny mpanjaka naniry hahita izay hitanareo, fa tsy nahita,
ary handre izay renareo fa tsy nandre.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.