Mandia herinandro vaovao indray isika, herinandro farany amin'ity volana febroary ity. Izany hoe eto ilay fiandrasana ny faran'ny volana izay mampiasa saina ny ankamaroan'ny mpiasa. Toa efa lasa fahazarana mantsy ilay fomba fanaon'ny karama izay manao fandalovana fotsiny ao an-tokantrano ao. Raha atao kisarisary an-tsaina dia indreo efa miatrana miandry haka ny anjarany avy ireo filana fototra tsy azo ialana: ry rahofantrano, rasakafo, rasaran-dalana, rasaram-pianarana, rajirama sy ny sisa tsy ho votatanisa e! Toa tsy manan-jo na iniana omena lamosina aza mazàna ny fil na fototra hafa, satria hodian-tsy hita sy tsy eritreretina, ny tsy ampoizina hafa, raha tsy hilaza afa-tsy ny aretina mety handalo tampoka amin'ny maha nofo sy ra ny olombelona.

Ny 20 febroary teo no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny rariny ara-tsosialy. Ny rariny ara-tsosialy dia faritana amin'ny fisian'ny asa mendrika sy mahavelona. Eo indrindra no mampifamahofaho ao an-tsaina ny fanontaniana hoe tena mahavelona ve sa terena haha velona ny karama manoloana ny vidim-piainana misy ankehitriny? Mbola tolona lavitr'ezaka ny asa mendrika. Mitaky fanabeazana lavorary sy fanofanana arak'asa mifanaraka amin’ny takian'ny tsenan'ny asa izany. Ady mafy mbola mitohy mandraka ankehitriny io.

Ny karama farany ambany ho an'ny olona horaisina ho mpiasa na ilay hoe SMIG, izany hoe karama ahafahan'ny sokajin'olona sahirana miantoka ny fiainany aloha no nisy fiakarana kely. Tsy ren'ny vazan'aina anefa izany manoloana ireo olana misy. Antony maro no mahatonga ny SMIG ho ambany. Marefo loatra ny toekarena. Ambany dia ambany ny harena miforona eto amintsika na ny famokarana. Ambany koa ny fahafaha-mamokatry ny mponina ao aminy sy ny kalitaon'ny asa ataony. Ambany koa ny tolotr'asa mihoatra amin'ny tinady, ka isan'ny antony mahatonga ny fahambanian'ny SMIG koa izany. Antony iray hafa koa ny fanararaontan'ny mpanam-bola izany rehetra izany mba hanangonan-karena mihoapampana ka hanereny ny Fanjakana marefo hanaraka ny sitrapony.

Vokany: miteraka kolikoly amin’ny sehatr'asa maro ny SMIG ambany. Tsy hahomby ny ady amin’ny kolikoly raha tsy omena lanja ny ady amn’ny fahantrana, ny fanondrotana ny fari-piainan'ny mpiasa. Ezaka ifarimbonan'ny toko telo mahamasa-nahandro, dia ny mpampiasa, ny mpiasa, ary ny Fanjakana no ahatratrarana ny tanjona.

Raha ny maribola farany momba ny SMIG dia manodidina ny 260.000 Ariary no voafaritry ny lalàna. Eny e, voafaritry ny lalàna ara-bakiteny tokoa fa misy tokoa ve ny mpampiasa manaraka izany? Manao ahoana koa ny fanaraha-maso ataon'ny tompon’andraikitra voakasika izany satria toa manampatra fahefana ny mpampiasa indraindray. Firifiry ireo mpampiasa tsy manaraka io SMIG io, ka zary lasa latsaka anaty lapoaly sisa ny mpiasa madinika. Tsy mandray ny andraikiny koa etsy ankilany ny minisitera mpiahy sy rafitra manara-maso ny asa ka mampionon-tena amin'ny hoe sitran'ny hahay vaza-mihetsika ny ankamaroan'ny mpiasa. Samy manao ny kajikajiny ny tsirairay eo anatrehan'ny vidim-piainana izay miakatra isan-taona kanefa tsy mifanaraka amin'izany ny fiakaran'ny karama. Valinteny sy kajy ataon'ny mpiasa sasany manoloana izao ny hoe tokony 1.000.000 Ariary ny karama mahavelona ny tokantrano iray, izay ahafahany manofa trano, mampiana-janaka, misakafo araka ny tokony ho izy... Raha mba samy hanao kajy an-kandrina kely amin'ny SMIG sy ny fanadihadiana navoakan'ny Banky Iraisam-pirenena farany anefa dia lavitry ny afo ny kitay. Hitarafana izany ny 80 isanjaton'ny Malagasy izay mahantra daholo noho ny fidiram-bola ambany, satria miaina amin'ny 2,5 Dolara isan'andro ireo olona maro an’isa ireo. Zava-misy andrandrain'ny mpiasa na miankina amin'ny fanjakana na ny tsy miankina, hatramin'izay ny fampiakarana kely ny isan-jaton'ny karama. Haingana be anefa ny valin-kafatra amin'ny fiakaran'ny vidin-javatra isan-karazany raha vao misy iny fanondrotana amin'ny ampahany ny karama iny.

Na atao ihany aza anefa ny tsy hiteny sy tsy hampitaha ny fiainan'ny Malagasy ankehitriny dia hita maso loatra ny elanelana misy. Andaniny, ireo miterinterina ery ambony, migalabona amin'ny karama ambony sy tambin-karama samihafa, lavitry ny OLANA. Ao koa ireo tambazana sy omena tapi-maso kely ISAM-BOLANA. Ankoatra izay very hevitra amin'ny fitakiana ny SMIG sy ny mari-karama ny mpiasa MADINIKA. Tsy miteny noho ny vava feno kosa ny lehibe ka tsy mahagaga raha mbola malaina HANDINIKA.

Heverina fa ho AROFANINA amin'ny SANATRIA mety hahatongavana any amin'ny fifandrafiana lalina eny anivon'ny fiaraha-monina ny famotsipotserana ny marary sy mamy amin'ny samy Malagasy. Raha manao lava maso kely amin'ny zava-misy any Burkina Faso isika momba ny resaka karama dia nataony tery omby ririnina, nikatsahana ny tsy hampatavy ny reniny, sy tsy hampahia ny zanany ny karaman'ny mpiasa sy tompon’andraikitra any amin'ity firenena ity. Aiza ho aiza amin’izany ny eto amintsika? Rehefa samy hifehy fehikibo ihany dia aleo ny rehetra no samy hifehy izany: ahena ny tombontsoa be sy ny karaman'ny mpitondra sy ny tambin-karama izay misy mahatratra an’hetsiny isan’andro, ka izay fanenana karama ny mpitondra (député, sénateur, minisitra, praiministra, filoha) izay no hanampiana ny karaman'ny mpiasa madinika. Sao dia mba azo heverina ihany e!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 17 marsa 2025

• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...