Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...
♦ Nanome baiko hamongotra ny fakana ankeriny Malagasy ao amin'ny Distrikan'Anjozorobe ny filohan'ny repoblika Andry Rajoelina. Lehilahy miisa 5 no maty novonoin'ireo mpaka takalon'aina tao Marotsipoy... ♦ Mitokona nanomboka omaly ireo mpiasan'ny sampandraharahan'ny famantarana ny toetry ny andro. Tapitra tamin'ny alarobia teo ny 72 ora nitakian'izy ireo ny fametraham-pialan'ny tale jeneraliny... ♦ Voafidy hitantana ny tranoben'ny tantsaha mpamokatr mandritra ny dimy taona ho avy indray, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline. Natao teny Nanisana omaly ny fifidianana ho an'ny birao mpitantana nasiônaly... ♦ Andro fahatelo nanafihana nytany avaratr'i Cisjordanie omaly, ny miaramila Israeliana...
♦ Mampitandrina ireo mpiara-dia amin'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina, ny fikambanana Vondron'ny Malagasy manohana ny Filoha, mba tsy hifanilikilika... ♦ Tao aorian'ny Forum Afrikana ho an'ny infirmiera natao teto amintsika dia voaasa handray anjara amin'ny fikaonan-doha iraisam-pirenen'ny ECSA-CONM faha-16, isika Malagasy... ♦ Voafidy indray hitantana ny Tranoben'ny Tantsaha Nasiônaly mandritra ny dimy taona ho avy, ny filoha ankehitriny Razafimbololona Angeline...
♦ Miantso antsika hiaro ny aina sy ny marina ny Eokarisita, hoy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny famaranana ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly faha-3, notanterahana tany amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana... ♦ Hotokanana sy hotsofin-drano amin'ny faran'ity herinandro ity ny tsangambato faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara...
♦ Nitokona nanomboka androany ireo mpiasa ao amin'ny sampan-draharaha misahana ny famantarana ny toetry ny andro. Milaza ny tsy handray baiko avy amin-dRamatoa Tale Jeneraly intsony izy ireo... ♦ Navoaka tamin'ny fomba ôfisialy tetsy Mamory Ivato, ny mpianatra nahavita fianarana teny amin'ny sekoly Polytechnique Vontovorona... ♦ Hotontosaina ny 4 hatramin'ny 6 nôvambra 2024 ny fiadiana ny tompon-dakan'i Madagasikara eo amin'ny taranja ady totohondry...
♦ Nijery ireo sakana amin'ny famahana ny olan'ny rano ao andrenivohitra sy any amin'ny faritra, niaraka tamin'ireo tompon'andraikitra eo anivon'ny Minisiteran'ny Rano, ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly... ♦ Notoloran'ny fanjakana Malagasy ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre National, ny Tale Jeneralin'ny FEM, Andriamatoa Carlos Manuel Rodriguez... ♦ Havoaka amin'ny fomba ôfisialy any amin'ny Akademia Miaramila Antsirabe, ny andriany “Fandresena 2024”, mpianatra ho manam-boninahitra nahavita fiofanana andiany faha-45 sy andiany manokana 26...
♦ Tsy mbola fantatra hatramin'izao izao ho kandidàn'ny fitondrana ho Ben'ny Tanànan'Antananarivo. Mety ho ny PDS vaovao no hatolotry ny IRMAR amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra 2024... ♦ Misy antenaina indray ny hitohizan'ny asan'ilay sambo hôpitaly miantsona any Toamasina. Nankatoavina ny hanavaozana ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny “Mercy Ships” sy ny Governemanta Malagasy... ♦ Miakatra ny tahan'ny dorotanety rehefa anaty taom-pifidianana tahaka izao, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Misy ny fanentanana ny rehetra handray andraikitra...
♦ Nidina ifotony nitafa tamin'ny mpivarotra sy ny tompon'andraikitry ny tsena eny Anosibe ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanantsoa Harilala, namantatra ireo olana misy ity farany... ♦ Miatrika kongresy eto Antananarivo ny sendikan'ny PARAMED SIS FM. Misy hoy izy ireo ny mozana tsindrin'ila ataon'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ireo mpiasa manodina izany ministera izany... ♦ Mampiranty ny tetik'asa sy ny voka-pikarohan'ny mpianatra ao aminy eny amin'ny lapan'ny tanàna Analakely ny sekoly ambony polytechnique eny Vontovorona. Sekoly ambony efa namoaka injeniera maherin'ny 10.000 isa... ♦ Tondraka vokatry ny ora-mikija ny faritra maro any andrefan'i Inde...
♦ Handrotsaka kandidà ben'ny tanàna ao Antanetibe Mahazaza ny FIVOY. Hitondra tohana ho an'ny tantsaha ao amin'ity kaominina ity izy raha toa ka lany Andriamatoa Andriatsoavina Onja Harilala... ♦ Apetraka any amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny vala indostrialy natokana ho an'ny fambolena sy ny ivon-toerana natokana ho an'ny fandraharahana ara-pambolena. Tafiditra amin'ilay tetik'asa PTASO... ♦ Afindra monina eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ireo fianakaviana sahirana mivangongo ao Antananarivo Renivohitra sy ireo tsy manan-kialofana ka matory amoron-dalana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Mponina sy ny Firaisan-kina tamin'ny omaly...
♦ Apetraka any amin'ny Faritra Atsimo Andrefana ny vala indostrialy natokana ho an'ny fambolena, sy ny ivon-toerana natokana ho an'ny fandraharahana ara-pambolena. Tafiditra amin'ny tetikasa PTASO... ♦ Afindra monina eny Fieferamanga sy Ambohimiarina ireo fianakaviana sahirana mivangongo ao Antananarivo Renivohitra sy ireo tsy mana-kialofana fa matory an-dalana, raha ny nambaran'ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina...
♦ Ara-dalàna ny didim-panjakàna manaika ny mpifidy handrotsa-bato amin'ny 11 desambra izao noho ny fanapahana avy amin'ny filan-kevi-panjakàna tsy maintsy hanaovana ny fifidianana ben'ny tanàna amin'ity taona ity. Fanazavana nataon'ny mpahay lalàna, Fanahimana Tiaray... ♦ Asa miandry ny governemanta mijoro ankehitriny ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka hoy ny lehiben'ny Faritra Bongolava teo aloha, Andry Vorisoa... ♦ Ministera miavaka ny ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina hoy ny Ministra Mara Volamiranty Donna nandritra ny lanonana fandraisana azy tamin'ny fomba ôfisialy nataon'ny mpiasa teny Anosy... ♦ Palestiniana miisa 10 no maty tany avaratr'i Cisjordanie nandritra ny fanafihana alina...
♦ Miandrandra asa mivainga amin'ny PDS vaovaon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Ramanantsoa Harilala ny mponina hoy ny Fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakàna na ny Ong Tolotsoa... ♦ Nohamafisin'ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena fa tsy mandoa saram-pianarana ny mpianatra any amin'ny Sekolim-panjakàna manerana ny nosy amin'ity taom-pianarana vaovao ity. Tsy mandoa ny ampaham-bola karaman'ireo mpampianatra FRAM tsy mahazo tambin-karama ihany koa ireo ankizy amin'ny fianakaviana marefo... ♦ Mampihantrano dinika nasiônaly momba ny famatsiam-bola ho an'ny tontolo iainana ny eto Antananarivo. Noraisin'ny filohan'ny repoblika omaly ny delegasiôna avy amin'ny FEM...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco