Nahazoana vokatra miabo ny tetik'asa SANBONAI, niompana tamin'ny fiantohana ara-tsakafo sy fanjariantakafo tao amin'ny Faritra Bongolava, Analamanga ary Itasy. Tetik'asa nandritra ny telo taona mahery, notanterahan'ny AFDI, Fikambanan'ny tantsaha Frantsay sy ny Fampandrosoana Iraisam-pirenena, ny ANAE, Fikambanam-pirenena misehatra amin'ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny Réseau SOA, Tambazotran'ny Sendikan'ny Orina Ambanivohitra...

Nanao ezaka ny mpamokatra tany amin'ireo Faritra niasana nampitombo sy nanamaro ny karazana famokarana ilofosany tamin'ny voly legioma, ny voamaina, ny voly mamody, ary ny vary sy ny katsaka. Nomena fahafahana mamokatra amin'ny fanamorana ny famokarana koa ny vehivavy tantsaha, nofanina amin'ny fitantanana ny seha-pamokarana mba ahazoan'ny fianakaviana ny sakafo betsaka otrik'aina ilain'ny vatana sy afahana miatrika ny dona mety hitranga toa ny fiovan'ny toetr'andro.

Nohetsehana koa ny fikambanan'ny tantsaha ka afaka nifanakalo traik'efa tamin'ny mpiantsehatra hafa momba ny fampandrosoana, nahafahana nanatsara ny kalitaon'ny vokatra akoriana eo amin'ny tsena, nahafahana nanabe voa ny fambolena miaro ny tany sy rano ary afaka miatrika ny ambana samy hafa araka ny fanazavan'ny filoha nasiônalin'ny Réseau SOA, Razafimbololona Angeline.

Nomen-danja manokana tamin'ny tetik'asa SANBONAI, ny tanora. Nahafahan'izy ireo namorina asa ho azy manokana ny tohana. 700 isa ireo nisitraka fampiofanana ka ny 200 mahery tamin'izany no notohanana ka afaka nanangana ary efa nanana tetik'asa fihariana ho azy manokana. Natao teny Ankerana ny 6 febroary 2025 ny atrik'asa namaranana ny tetik'asa SANBONAI.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...