Ny fanabeazana ny lafiny ara-po, fitiavana eo amintsika olombelona. Ny saina no mahatonga ny olona hahay handanjalanja ny mety sy ny tsy mety. Ny fo dia afahantsika olombelona maneho fitia. Ny fihetseham-po dia tonga tsikelikely ao amin'ny olombelona, ary mitoetra sy maharitra ; ny fientanam-po dia tonga eo ny eo ary tsy mateza, izany hoe mandalo. Sarotra ny fanabeazana sy ny fandraisana ny fanabeazana raha vao tsy hay ny mifehy ny fientanam-po. Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Ny fanabeazana dia manana tanjona hanampy ny beazina hahay hiaina anaty fiaraha-monina, hahalala misimisy kokoa ny fomba sy ny lalam-piaraha-monina. Ny baiboly dia manome anjara toerana ambony io fanabeazana ny zaza io sady manoro fanabeazana hentitra. Misy tanjona ny fanabeazana, ny fanitsiana, ny kapoka, satria izay  tia ny zanany no mahavatra mikaravasy azy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa. 

♦ Nitombo avo roa heny ny isan'ireo niditra teny amin'ny Hôpitaly Ravoahangy Andrianavalona, nandritra ny andron'ny Paka sy ny omaly alatsinainin'ny Paka. Nitombo toa izany koa ireo naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana, hoy ny Seraseran'ny HJRA... ♦ Mbola miaina fanilikilihana eo anivon'ny fiaraha-monina sy an-tsekoly ireo manana toe-batana “autiste”. Nomarihana androany ny andro eran-tany ho an'ny zon'izy ireo... ♦ “Zandarimaria MAFI”, izay no lohahevitra voizina mandritra ny ny fanamarihana ny Andron'ny Zandarimaria, nanomboka androany...

♦ Hotanterahana rahampitso ny fifidianana ny solontenan'ny fiarahamonim-pirenena ho eo anivon'ny Filankevitra Ambony Miaro ny Demôkrasia sy ny Tany tan-dalàna, na ny HCDDED... ♦ Mbola mitohy hatrany ny ady tany ao Antananarivo Avaradrano ankehitriny. Tompon-tany iray indray no mitaraina amin'ny hosoka tamin'ny famarotana ny taniny... ♦ Hiroso miandalana amin'ny fampiasana tambajotra haitao ara-kajy mirindra, mba hampitana ny fampianarana ny CNTEMAD...

13 aprily 2024 — Sabotsy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra, ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 16-21)

12 aprily 2024 — Zoma, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ny ondriko mandre ny feoko, hoy ny Tompo fantatro izy ary manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 6, 1-15)

11 aprily 2024 — Alakamisy, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 31-36)

10 aprily 2024 — Alarobia, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Ry Jesoa Kristy, vavolombelona mahatoky, Lahimatoa amin’ny maty, tia anay Ianao sy nanasa ny helokay tamin’ny Ranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 16-21)

9 aprily 2024 — Talata, Herinandro faharoa Fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 3, 7-15)

8 aprily 2024 — Ny nilazana fa haka nofo ny Tompo — Fankalazana manetriketrika — Tonga nofo ny Teny ka nonina taty amintsika; ary nibanjina ny voninahiny izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 1, 26-38)

7 aprily 2024 — Alahadin'ny Famindrampon'Andriamanitra — Alahady Faharoa Fankalazana ny Paka — Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)

Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 4, 32-35)

Ary niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra.

Niray fo sy fanahy avokoa ny mpino rehetra;
tsy nisy nilaza ny fananany hoe azy, fa niombonany daholo ny zavatra rehetra.
Tamin-kery lehibe no nanamarinan’ny Apôstôly ny nitsanganan’i Jesoa Tompo ho velona,
ary fahasoavana be no teo amin’izy rehetra.
Tsy nisy mahantra teo amin’izy ireo,
satria izay rehetra nanan-tany na trano,
dia nivarotra azy ary nitondra ny vidin’izay lafo,
ary nametraka azy teo an-tongotry ny Apôstôly,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra araka izay nilainy avy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 117, 2 sy 4. 16 sy 18. 22 sy 24

Ataovy antso avo fa tsara ny Tompo. Fa mandrakizay ny fitiavany.

Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!

Aleo mialoka amin’ny Tompo
toy izay amin’ny olombelona;
aleo matoky ny Tompo
toy izay amin’ireo mpifehy.

Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Nokapohiny tokoa moa aho;
nefa tsy foiny ho faty.

Ny vato narian’ny mpanao trano
no indro tonga fehizoro;
ny Tompo no nanao izany:
zava-mahagaga imasonay!

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 5, 1-6)

Izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao.

Ry malala,
izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy,
dia nateraka avy amin’Andriamanitra;
ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy,
dia tia Azy naterany koa.
Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika,
dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny.
Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra
ary tsy mavesatra ny didiny,
satria izay nateraka avy amin’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao;
ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao
dia ny finoantsika.
Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao,
afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra?
Dia Izy no ilay avy tamin’ny rano sy ny ra;
tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ra;
ary ny Fanahy no manambara,
satria ny Fanahy no fahamarinana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy, fa sambatra izay tsy nahita ka nino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 20, 19-31)

Nony afaka havaloana dia tonga i Jesoa.

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy,
dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

Fa i Tômà ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:

“Efa nahita ny Tompo izahay”.

Fa hoy izy tamin’izy ireo:

“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako,
dia tsy hino aho”.

Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany,
sady tao koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Ary hoy Izy tamin’i Tômà:

“Ataovy eto ny rantsan-tananao,
ka zahao ny tanako ary arosoy ny tananao
ka atehefo eto amin’ny tratrako;
dia minoa, fa aza malain-kino”.

Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe:

“Tompoko sy Andriamanitro!”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.

Maro koa ny fahagagana hafa nataon’i Jesoa teo imason’ny mpianany
no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo,
fa i Jesoa no Kristy Zanak’Andriamanitra
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany, amin’ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...