Notsarovana omaly 11 febroary ny faha-50 taona nitifirana ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Lanonana ara-miaramila toa ny fanao isan-taona no nanamarihana izany teny Ambohijatovo ambony, toerana nitrangan'ny fitifirana. Nanome voninahitra ny totoana ny PM Ntsay Christian...
Mbola mila ezaka goavana i Madagasikara amin'ny ady atao amin'ny kolikoly. Laharana faha-140 amin'ny firenena 180 isika araka ny IPC 2024. 26/100 no isa azon'i Madagasikara raha toa ka 25/100 tamin'ny taona 2023...
Niova ny daty hanoavana ny fihaonambe ho an'ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny gidro sy ny rajako eto Madagasikara. Hotanterahana eto Antananarivo eo anelanelan'ny 20 sy 26 jolay 2025 indray noho izany io fihaonana io...
Nihaona tamin'ny filoha amerikana tao amin'ny birao fiasany omaly ny mpanjakan'i Jordanie. Tsy nanaiky lembenana nanoloana an'ingahy Donald Trump ny mpanjaka Abdalah-II fa toheriny marindrano ny drafitra naroson'ny amerikanina ho an'ireo palestinianina monina ao Gaza...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.