Notsarovana omaly 11 febroary ny faha-50 taona nitifirana ny Kôlônely Ratsimandrava Richard. Lanonana ara-miaramila toa ny fanao isan-taona no nanamarihana izany teny Ambohijatovo ambony, toerana nitrangan'ny fitifirana. Nanome voninahitra ny totoana ny PM Ntsay Christian...
Mbola mila ezaka goavana i Madagasikara amin'ny ady atao amin'ny kolikoly. Laharana faha-140 amin'ny firenena 180 isika araka ny IPC 2024. 26/100 no isa azon'i Madagasikara raha toa ka 25/100 tamin'ny taona 2023...
Niova ny daty hanoavana ny fihaonambe ho an'ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena momba ny gidro sy ny rajako eto Madagasikara. Hotanterahana eto Antananarivo eo anelanelan'ny 20 sy 26 jolay 2025 indray noho izany io fihaonana io...
Nihaona tamin'ny filoha amerikana tao amin'ny birao fiasany omaly ny mpanjakan'i Jordanie. Tsy nanaiky lembenana nanoloana an'ingahy Donald Trump ny mpanjaka Abdalah-II fa toheriny marindrano ny drafitra naroson'ny amerikanina ho an'ireo palestinianina monina ao Gaza...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.