• Nolavin'ny Fitsaràna misahana ny ady atao amin'ny Fanjakàna ny fitoriana napetraky ny ben'ny tanàna lanim-bahoaka any Antsiranana. Fitoriana nangataka ny hampiatoana ny PDS...
  • Tsaroana androany ny faha-50 taona nitifirana ny Kôlônely Richard Ratsimandramba teny Ambohijatovo ambony. Nisy ny hetsika nanamarihana izany ny tapany maraina teo...
  • Nisy nametra-pialàna ireo mpanolontsainan'ny tanàna eo anivon'ny Kaominina Antananarivo, avy amin'ny antoko TIM. Natao izay hampitarazoka ny fanendrena izay ho solony hoy i Clémance Raharinirina...
  • Lalovan'ny hafanana be ankehitriny ny any amin'ny faritra atsimon'i Brésil. Mahatratra 40°C ny mari-pàna. Nahemotra ny fidiran'ny mpianatra an-tsekoly any an-toerana...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...