• Naneho ny heviny momba ireo mpitandro filaminana efa nisotro ronono manao fanambarana miaraka amin'ny vondron'olona sy antoko pôlitika ny filohan'ny antenimieran-doholona. Nambarany fa tsy manao hery famoretana ny mpitandro filaminana rehefa manao ny asany...
  • Mila ampiasaina ny paik'adim-pirenena ho an'ny ady amin'ny kolikoly voavao raha tiana hahomby sy ahitana vokatra ny ezaka atao amin'ny ady amin'ny kolikoly eto Madagasikara hoy ny tale mpanatanteraky ny TIMG...
  • Miatraika amin'ny sehatra maro ny fanakatonan'ny filoha amerikanina ny biraon'ny USAID eran-tany ka isan'izany i Madagasikara hoy Profesora Jonah Ratsimbazafy filohan'ny GERP...
  • Fandaharan'asa an-jatony iadiana amin'ny VIH-SIDA aty Afrika no voakasiky ny fampiatoana ny ampahany betsaka amin'ny fanampiana ataon'i Etazonia ato anatin'ny 90 andro...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...