• Tanterahina ao amin'ny Faritra Vakinankaratra ny tolak'andro izao ny hetsika ara-toe-karena "Forum Club"...
  • Niantoka ny 21,30% tamin'ny hari-karena faove teto Madagasikara ny taona 2022 ny tontolon'ny fambolena, tanterahina nanomboka tamin'ity herinandro ity ary aharitra 1 volana ny fanadihadiana isan-taona ho an'ny sehatry ny fambolena sy fiompiana taona 2024...
  • Nametra-pialana faobe ireo mpikambana anatin'ny kômity manokana tokony hikarakara ny fifidianana izay ho filohan'ny Oniversite an'Antananarivo. Nahemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra araka izany ny fifidianana izay tokony hotanterahina amin'ity volana ity...
  • Natokana ho an'ny fianakaviana misara-bazana ny fangataham-bavaky ny Papa François amin'ity volana ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...