♦ Nifarana ny fankalazana ny faha-100 taona niorenan'ny Antilin'i Madagasikara. Notokanana ny faran'ny herinandro teo ny vavahady miditra amin'ny tanànan'ny Antily ao Marlix Andakana Ambohidratrimo... ♦ Tontosa tamin'ny herinandro teo ny dinika an-databatra boribory niarahan'ny Don Bosco Madagascar sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy nandinihana ny ahafahana manampy ny tanora amin'ny sehatry ny asa... ♦ Mandray anjara amin'ny fihaonana an-tampony ho an'ny IDA mahakasika an'i Afrika tanterahana any Naïrobi Kenya ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ; fihaonana an-tampony manomboka androany... ♦ Nitsidika tany Venise ny Papa François omaly...
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa. 10, 25-26. 34-35. 44-48)
Tamin’izany andro izany,
raha vao niditra tao Sezarea i Piera,
dia notsenain’i Kôrnely, kapiteny rômanina,
ka sady niankohoka teo an-tongony izy no nitsaoka azy.
Fa nasain’i Piera nitsangana izy, nataony hoe:
“Mitsangàna, fa olona ihany aho”.
Dia niloa-bava i Piera ka nanao hoe:
“Hitako marina tokoa fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra:
fa izay matahotra Azy sy manao ny marina, dia ankasitrahiny,
na aiza na aiza firenena misy azy”.
Mbola miteny eo i Piera
no nidina tamin’izay rehetra nihaino ny teniny ny Fanahy Masina
ka talanjona fatratra ny mpino voafora,
tonga teo niaraka tamin’i Piera,
nahita fa nidina tamin’ny Jentily koa ny fanomezan’ny Fanahy Masina,
satria reny niteny fiteny samihafa sy nankalaza an’Andriamanitra izy ireo.
Dia hoy i Piera:
“Azo lavina tsy hatao Batemy amin’ny rano va
ireto olona efa nandray ny Fanahy Masina toa antsika ireto?”
Koa ireo, nasainy natao Batemy amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy Tompo;
izy kosa nangatahin’ireo hitoetra eo aminy andro vitsivitsy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 97, 1. 2-3ab. 3de-4
Ihirao hira vao ny Tompo
fa nahavita zava-mahagaga:
ny tanany havanana, ny sandriny masina
no nahazoany fandresena.
Nahariharin’ny Tompo ny famonjeny,
ny fahamarinany hitan’ireo firenena.
Tsarovy, ry terak’i Israely,
ny fitiavany sy fahamarinany!
Zahao, ry vazan-tany rehetra,
ny famonjen’ny Andriamanitray.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo;
mientàna, miantsà sy mihobia.
Taratasy voalohan’i Masindahy Joany Apôstôly (1 Jo. 4, 7-10)
Ry hava-malala, aoka hifankatia isika,
fa ny fitiavana dia avy amin’Andriamanitra, sy mahalala an’Andriamanitra.
Izay tsy tia dia tsy mahalala an’Andriamanitra,
satria Andriamanitra dia fitiavana.
Ary nampiseho ny fitiavany antsika Izy,
tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahy tokana ho amin’izao tontolo izao,
mba hahavelona antsika amin’ny alalany.
Ary toy izao izany fitiavana izany:
tsy isika no tia an’Andriamanitra rahateo,
fa Izy no tia antsika mialoha,
sy naniraka ny Zanany ho sorom-panavotana antsika amin’ny fahotantsika.
— Izany ary ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Raha misy tia Ahy ka mitandrina ny teniko, hoy ny Tompo, dia ho tian’ny Raiko izy, ka hankao aminy Izahay ary honina no aminy.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 15, 9-17)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:
“Tahaka ny nitiavan’ny Ray Ahy no nitiavako anareo koa,
koa mitomoera amin’ny fitiavako ianareo.
Raha mitandrina ny didiko ianareo no hitoetra amin’ny fitiavako,
tahaka ny nitandremako ny didin’ny Raiko sy itoerako amin’ny fitiavany.
Izaho no milaza izany aminareo,
dia mba ho ao aminareo ny fifaliako, ary mba ho lavorary ny fifalianareo.
Izao no didiko,
dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa
noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany.
Ianareo no sakaizako, raha manatanteraka izay andidiako anareo.
Tsy ataoko hoe mpanompo intsony ianareo,
satria ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ny tompony;
fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo,
ka nanendry anareo mba handehananareo sy hahavokaranareo
ary haharetan’ny vokatrareo,
sy hanomezan’ny Raiko anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ny Anarako.
Ny andidiako anareo dia ny mba hifankatiavanareo”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
♦ Nifarana ny fankalazana ny faha-100 taona niorenan'ny Antilin'i Madagasikara. Notokanana ny sabotsy teo ny vavahady miditra amin'ny tanànan'ny Antily ao Marlix Andakana Ambohidratrimo... ♦ Miantso ny kandidà natolotry ny vovonana Firaisan-kina ho vonona sy hijoro hiatrika ny fifidianana solombavambahoaka, Andriamatoa Marc Ravalomanana, filoha mpiara-mitantana... ♦ Mahazo aina vao indray ny fikambanana teraka Manandriana Faritra Amoron'i Mania. Nifampiarahaba noho ny fahatratrarana ny taona 2024 ny FITEMA ny sabotsy teo... ♦ Nivahiny tany Venise ny Papa François omaly. Fitsidihana apôstôlika voalohany ivelan'i Vatican tamin'ity taona ity...
Rehefa voalamina ny safidin'ny vady dia manomboka ny fotoanan'ny fifamofoana ; fotoana mahafinaritra sy mampientam-po. Ara-tsoratra Masina dia misy fototra ny fiarahana : manamafy izany ilay ao amin'ny lalàn'i Mosesy hoe ny fanambadiana dia miorina mafy, ary misy fepetra mazava momba izany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Araka ny voalaza ao amin'ny Jenezy hatrany : manana hatsaram-panahy i Rebeka satria rehefa nangataka rano taminy ilay mpanompo dia nanome an-tsitrapo izy ; ny hatsaran-tarehiny dia tsy nahatonga azy hiavonavona fa kosa sariaka amin'ny olona tsy fantany. Nanana zotom-po i Rebeka ary nahay nandray vahiny, nahay nandanjalanja fanapahan-kevitra ihany koa izy. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
Ny fibeazana dia fandraisana an-tanana ny fiainan'ny tena. Ny fanabeazana, any ifotony dia azo ao an-tokantrano sy eny amin'ny fiaraha-monina, amin'ny sehatra samihafa. Manana adidy ny tsirairay manoloana ny fanabeazana sy ny fibeazana ; mila manao ezaka isika haneho ny fahalalam-pomba, ny fitandroana ny rariny sy ny hitsiny, ny fitsinjovana ny tombontsoa iombonana. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", fandarahana atao eto amin'ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
♦ Nitokona nanomboka omaly ary mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo mpianatra nahavita fiofanana tao amin'ny IFIRP... ♦ Misy misandoka ho mpikirakira ny fitaovam-pitarafana na ny radiographie any amin'ny toeram-pitsaboana sasany... ♦ Kely ny erijika hahazon'ny fitondrana ny famatsiam-bola FEC avy amin'ny FMI tahirim-bola iraisam-pirenena, raha ny nambaran'ny mpanao politika Beanjara Paul... ♦ Nilaza ny Hamas androany sabotsy fa handinika ny tolo-kevitr'i Israely mba hanafahana ireo takalon'aina sy hampitsaharana ny fanafihana ataon'Israely any Gaza... ♦ Drone Ukraniana miisa 66 no potiky ny tafika Rosiana alina hifoha androany maraina tany amin'ny faritra atsimon'i Rosia tany Kras Nodar...
Tsy aretina ny "fanina" fa fambaran'aretina, izany hoe fambara fa misy tsy araka ny tokony ho izy ny fahasalamana ao aminao. Ny olona fanina dia mahatsiaro tena. ; mety tranga mandalo, mety maharitra, mety miverimberina. Ny fanina dia misy tranga hafa miaraka aminy toy ny : maneno ny sofina, marary ny andoha, mitebiteby, maloiloy, mandoa, tsemboka. Ny "systeme vestibulaire" izay ao anatin'ny sofina no mandrindra ny horira antsika, raha misy mahakasika io dia izay no miteraka ilay fanina. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.
Alahady fahadimy fankalazana ny Paka : Ny tena apôstôly dia matoky, mifankatia ary tsy matahotra ; mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be. Raha tsy mitoetra ao amin'i Jesoa isika dia ho noana, ary mety hofaty aza. Ny finoana tonga lafatra tamin'ny alalan'ny Batemy no mampiombona ny olona amin'i Jesoa. Ny tokony hataontsika mba hamokatra ny sampam-boaloboka dia ny firaiketana amin'i Jesoa kristy, ary manao ny ezaka mba haneho sy hitory azy eny amin'ny fiaraha-monina. Ezaka tsy maintsy hataon'ny tsirairay : fialana amin'ny fahazaran-dratsy, ny fitiavan-tena, fahotana...
♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1.000.000 isa no kendrena ho vita vaksiny fanefitr'ireo aretina samihafa hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka omaly ny fanokafana ny herinandro Afrikana ho an'ny fanoavam-baksiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny tahirim-bola iraisam-pirenena na ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola FEC... ♦ Misy amin'ireo kandidà solombavambahoaka no efa mampanantena poakaty amin'ny vahoaka, milaza fa hanao foto-drafitr'asa goavana rehefa lany, nefa tsy andraikitr'izy ireo izany... ♦ olona 51 no namoy ny ainy tany Gaza tao anatin'ny 24 ora farany, vokatry ny fanafihana nataon'ny tafika Israeliana...
Tsy tsara ny manery ny hafa satria ao anatin'ny tantara voalaza ao amin'ny Jenezy 24 dia tsy misy zavatra terena sy tsy misy fanerena. Ny tena tsara dia ny mandinika ny sitrapon'Andriamanitra. Manoloana ny safidy dia mety kokoa ny manao ho zava-dehibe ny soatoavina sy ny toetra anaty mialoha ny hatsaran-tarehy izay hita ety ivelany. Katesizy momba ny tanora miomana hiditra tokan-trano, iarahana amin'i P. Thierry Germain Randriamiarantsoa.
♦ Zaza sy ankizy maherin'ny 1 tapitrisa no kendrena ho vita vakisiny fanefitr'ireo aretina samihafa, hatramin'ny faran'ity taona 2024 ity. Natomboka androany ny Herinandro Afrikana ho an'ny fanaovam-bakisiny... ♦ Nametraka fepetra iadiana misimisy kokoa amin'ny kolikoly ny FMI, ahafahan'i Madagasikara mahazo ny famatsiam-bola Facilité de crédit... ♦ Mbola tsy nihatra androany zoma ilay fandaminana vaovao momba ny fivarotana eny Analakely, napetraky ny Kaominina Antananarivo Renivohitra...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco