Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 4, 1-6)

Tsy misy afa-tsy tena iray, Tompo iray, finoana iray, Batemy iray.

Ry kristianina havana, mangataka aminareo aho,
dia izaho izay an-tranomaizina noho ny amin’ny Tompo
mba hanao fitondran-tena mendrika ny fiantsoana niantsoana anareo ianareo,
amin’ny fanetren-tena sy halemem-panahy rehetra, amin’ny fahari-po, amin’ny fifandeferana, amim-pitiavana;
mikeleza aina hitana ny firaisam-po amam-panahy akamban’ny fihavanana;
fa tsy misy afa-tsy tena iray, sy Fanahy iray,
araka ny niantsoana anareo ho amin’ny fanantenana iray;
tsy misy afa-tsy Tompo iray, finoana iray, Batemy iray,
ary Andriamanitra iray, izay Rain’izy rehetra, ambonin’izy rehetra,
manerana azy rehetra, ary ao anatin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6

Indreto ny dimbin’ireo izay nizaha ny endrikao, ry Tompo.

Ny tany, ny hareny, Azy Tompo avokoa.
Dia izao rehetra izao ary izay monina ao.
Naoriny ambonin’ny rano izy ireny.
Napetrany tsara eo ambonin’ny ony.

Koa zovy no hiakatra hihaona amy Tompo;
hanorim-ponenana an-toerany masina.
Ny olon-tsy meloka, ny olo-mahitsy,
sy izay tsy mianiana tsy tò amin’ny hafa.

Dia izy no hany hotsofina rano,
ny Tompo Mpamonjy hanome rariny azy.
Fa izy no dimbin’ireo izay nizaha
ny endrik’ilay Andriamanitra Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Asehoy ny mpanomponao ny tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 12, 54-59)

Fantatrareo ny toetry ny lanitra sy ny tany. Ahoana àry no tsy ahafantaranareo ny toetr’izao andro diavintsika izao!

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka nanao hoe:

“Raha vao mahita rahona avy any andrefana ianareo, dia manao hoe:
‘Ho avy ny orana’, ka avy tokoa izy;
ary raha renareo avy atsimo ny rivotra, dia hoy ianareo:
‘Hafana ny andro’, ka tonga tokoa izany.
Ry mpihatsaravelatsihy,
hainareo fantarina ny toetry ny lanitra sy ny tany,
ka ahoana àry no tsy ahafantaranareo izao andro diavintsika izao?
Nahoana koa no tsy amantaran’ny tenanareo izay marina?
Fa raha miara-mandeha amin’izay manana ady aminao ianao hanatrika ny mpitsara,
dia ataovy izay hahafahanao aminy raha mbola eny an-dalana ianareo,
fandrao tongany any amin’ny mpitsara ianao ka atolotry ny mpitsara amin’ny mpamatotra,
ary alatsaky ny mpamatotra an-tranomaizina.
Lazaiko aminao fa tsy ho afaka ao ianao ambara-pahaloanao ny variraiventy farany indrindra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 25 ôktôbra 2024

♦ Nitsodrano manokana ny vahoaka Malagasy ny Papa François, nandritra ny fanatanterahana ny dingana faharoa amin'ny Sinaodin'ny Eveka, tanterahana any Roma nanomboka ny 30 septambra ary hifarana ny 27 ôktôbra 2024... ♦ Miatrika fivoriambe fanao isan-taona eny amin'ny Masera Filles de la Sagesse Benasandratra, ny lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy, eto Madagasikara... ♦ Lalivain'ny hafaliana sy ny fitiavan'ny mpivady, ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Papa François tamin'ny Audience générale, ny alarobia 23 ôktôbra 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...