♦ Hifarana amin'ny alahady 27 oktobra ho avy izao, amin'ny alalan'ny Sorona Masina hotarihan'i Papa François ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera, ny Synaodin'ny Eveka, andiany faha-16... Nihaona sy niresaka tamin'i Papa François ny Evekan'Antsirabe mandray anjara amin'izao sinaody any Roma izao, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina... ♦ Manana ambasadaoro vaovao eto Madagasikara i Afrika-Atsimo. Nanolotra ny taratasy manendry azy tamin'ny filohan'ny Repoblika Malagasy Andriamatoa Khazamula Lawrence Chabane... ♦ Misedra olana ireo varira ao Farafangana. Miantso ny Fanjakàna hijery akaiky ny zava-misy ny solombavambahoaka voafidy tao amin'ity distrika ity sy ny fikambanana varira...

Ny olom-banona dia olona tia filaminana, tia fihavanana, manana toetra tia fifanajàna. Na arahaba aza no atao amin'ireo olona heverina ho sahirana sy tsinotsinona ireny dia ampy hampiova ny sainy hivoatra. Ny safidy amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina dia fototry ny rafitra izay afahana mampandroso ny firenena miainga amin'ny kaominina. Ny olom-pirenena izay miisa 13 tapitrisa no antoky ny fampandrosoana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Hisitraka fanampiana hatrany amin'ny 250 tapitrisa dôlara ny fianakaviana marefo eto Madagasikara hatramin'ny taona 2027. Tetik'asan'ny ministeran'ny mponina tanterahan'ny FID. Mamatsy vola ny banky iraisam-pirenena... ♦ Nanentana ny olom-pirenena hanefa ny adidiny amin'ny fifidianana kaominaly amin'ny 11 desambra izao Andriamatoa Tojo Ravalomanana kandidà ben'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Hihena tsy toa ny isan-taona ny vokatra letchis any amin'ny Faritra Atsinanana amin'ity taona ity hoy ny mpamokatra. Hitombo ny vidiny eo amin'ny tsena, mangataka ny hampiakarana ny vidim-bokatra ireo tantsaha... ♦ Mitohy ny herisetra any Haïti na dia efa mijoro aza ny fitondrana tetezamita...

♦ Tokantrano maherin'ny 1.100.000 eto Madagasikara no hisitraka ny fandaharan'asa haraton'aina FSR... ♦ Hirotsaka an-tsehatra amin'ny andraikitra nankinina taminy avy hatrany ireo mpanara-mason'ny SAFIDY, nahavita fiofanana teto an-drenivohitra... ♦ Trano miisa 400 no kila forehitra, ary olona miisa 700 no tsy manan-kialofana any Ankazomborona, Distrikan'i Soalala...

♦ Sakana ho an'ny ady atao amin'ny kolikoly indrindra ho an'ireo olona ambony ny fisian'ilay fakana fahazoan-dalàna manokana mialoha ny hanaovana fanadihadihana sy fanejehana ara-pitsarana hoy ny filohan'ny komity mitandro ny fahitsiana na ny CSI... ♦ Avotra teo am-pelan-tanan'ireo naka ankeriny azy i Zafindrafaly, zaza varira 8 taona, tany amin'ny distrikan'i Vaingandrano, ahiana ny ho avin'ireo zaza varira 64 tezaina ao amin'ny sekolin'ny jamba ao Farafangana noho ny olana tsy fampiana vatsy hiatohana azy ireo... ♦ Tsy mbola naharaisam-baovao ny momba ilay fiaramanidina kely ULM sy ireo teratany Frantsay miisa roa mpanamory azy rehefa niala tany Nosy be saika hiazo an'i Dzaoudzi, ny alahady teo...

♦ Miha tanora ireo mitondra ny tsimok'aretina VIH/SIDA aty amin'ny fari-dranomasimbe indiana, ho antsika eto Madagasikara manodidina ny 15.000 ireo mitondra ny tsimok'aretina tsy vita fitiliana mirihariha eny anivon'ny fiaraha-monina... ♦ 90% amin'ny Malagasy no mbola mampiasa harina fandrehitra sy kitay hahandroana sakafo, nivondrona anaty fikambanana iray ireo orinasa misehatra amin'ny fampiasana angovo madio... ♦ Olona 24 mianadahy tra-tehaky ny zandary tamin'ny raharaha fanapohana solika tany Toamasina, natolotra ny fampanoavana teny Anosy omaly izy ireo... ♦ Tsy nahomby ny politika fanokana-monina an'i Russie nataon'ny firenena tandrefana hoy ny filoha Rosiana...

♦ Mizotra araka ny tokony ho izy ny iraka nataon'ny delegasion'ny CENI tatsy Afrika Atsimo, momba ny fanontana ireo antontan-taratasy hiatrehana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy ny Mpanolotsaina... ♦ Natolotra ny Fitsarana teny Anosy androany ireo olona miisa 24, tra-tehaky ny zandary tamin'ny fanapohana solika tany Toamasina... ♦ Maherin'ny 90%-n'ny Malagasy no mbola mampiasa arina fandrehitra sy kitay ahandroana sakafo. Nampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy androany ny fikambanana hamondronana ireo orinasa sy fikambanana misehatra amin'ny fampiroboroboana ny angovo madio...

♦ Nampiaka-peo i Kômôro, manoloana ilay fanidiantsika ny sisin-tany amin'ny alalan'ny fitanterana olona an-dranomasina avy atsy amin'ity nosy ity. Namaly izany koa omaly ny Fanjakàna Malagasy, omaly... ♦ Tsy hampisy fifidianana madio ny fanentanana ny olona haka "ordonnance" eny amin'ny Fitsaràna, hoy ny MFM. Miahiahy io resaka io amin'ny fiatrehana ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao ity antoko ity... ♦ Hanao hetsika indray ato ho ato ny Kômity Iombonan'ny Mpiasa Malagasy, ho fanohizana ny fitakiana ny famahàna ny olan'ny mpiasa. Tafiditra ao anatin'izany ny resaka herinaratra amin'izao... ♦ Nolavin'i Korea-Avaratra ny filazàna fa mamatsy ara-tafika an'i Rossia amin'ny ady any Ukraine izy ireo...

Ny soja sy ny vokatra azo avy aminy dia mahasolo ny hena sy ny karazan-tsakafo vita amin'ny lafarinina, ary tsy voatery hihinan-kena izay vao hihinana soja. Ankoatra ny soja dia maro ireo karazan-tsakafo azo hasolo ny hena. Azo fantarina ireo singa mahasoa sy hery azo tovozina amin'ireo sakafo ireo... Fandaharana " zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.

♦ Nandeha ny feo fa misy olana ara-bola ankehitriny, eny amin'ny Antenimieram-pirenena... ♦ Nitombo 170% ny tahan'ireo voan'ny tsimokaretina SIDA ahitàna soritra aretina ety ivelany manatona hôpitaly eto Madagasikara. Roa alina eo ireo olona voan'izany eto amintsika ankehitriny... ♦ Manana vahaolan'ny jiro sy rano eto Madagasikara ankehitriny ny Tany Développement. Azo atao tsara ny mamaha izany, amin'ny alalan'ny fanodinana ny fako ho lasa angovo hoy ity fikambanana ity... ♦ Nisafidy ny hiditra anatin'ny vondrona Erôpeana ii Moldavie, araky ny vokatry ny fitsapan-kevi-bahoaka. Nankasitraka izany ny filohan'ny Vaomiera Erôpeana, Ursula Von Der Layen...

♦ Tontosaina eto Ivato nanomboka ny sabotsy 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024, ny fivorian'ny “Délégué provincial” momba ny fiofanana Salezianina aty amin'ny Faritra Afrika sy Madagasikara... ♦ Manodidina ny 20.000 eo ho eo ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH/Sida eto Madagasikara, raha ny tatitry ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka... ♦ Azo atao tsara ny mamaha ny olan'ny jiro sy ny rano eto Madagasikara, ka nandroso vahaolana amin'izany, amin'ny alalan'ny fanodinana ny fako ho angovo, ny fikambanana Tany Développement...

♦ Nanatanteraka ny fivoriambe ara-potoana faharoa ny Vaomeiran'ny Eveka misahana ny fampanjariana ny Fahamarinana sy ny Fiadanana, ny 15 hatramin'ny 18 ôktôbra 2024. Misy ny hafatra navoaka tamin'izany... ♦ Tanterahana ety amin'ny Maison Don Bosco Ivato ny “CIVAM Formations”, nanomboka ny 19 hatramin'ny 22 ôktôbra 2024... ♦ Nisaotra ireo olona maro taonga niara-nimbom-bavaka tamin'ny fanandratana ho olomasina ireo olontsambatra 14, ny Papa François omaly, talohan'ny vavaka Angelus...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...