♦ Mitaky ny famoahana ny Kôlônely FANAPERA nosamborin'ny mpitandro filaminana tao Toliara ny zanany sy ireo tsy mankasitraka ny fitrandrahana fasimainty ao amin'ny Faritra Atsimo-andrefana. Politika sy tombontsoa manokana no fototry ny olana momba ity raharaha ity hoy ny fikambanana Toko Bey Telo... ♦ Mila manokana teti-bola afahana mamokatra masomboly mahazaka ny fiovaovan'ny toetry ny andro ny Fanjakàna hoy ny solombavambahoaka Rajerison Antoine raha te hahavita teny ara-tsakafo isika... ♦ Nampiofana an'ireo tantsaha ato amin'ny Faritra Analamanga momba ny fiompiana tantely sy ny fanamboarana tranon-tantely ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Nasiônaly...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...