♦ 2 no naratra omaly ten Ambohibao-Antehiroka : ny iray naratra mafy teo amin'ny masony, ny iray hafa teo amin'ny tongony vokatry ny hetsika tsy fankasitrahana ny tsy fisian'ny jiro sy rano... ♦ Milaza ny hidina ifotony eny amin'ny JIRAMA anio ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina ary tsy hivoaka ao raha tsy misy vahaolana aroson'ny tompon'andraikitra... ♦ Miandrandra ny fahalanian'ny tolo-dalàna eny amin'ny parlemanta mba hahafahan'ireo olona manana toe-tena varira, miaina toy ny olon-drehetra ny fikambanana Albinos Madagasikara... ♦ Maminavina ny hanampy isa ny tafika i Ukraine, milaza efa miroso amin'ny andrana amin'ny fitaovam-piadiana nokleary kosa i Rosia...

♦ Nampahafantarina androany tamin'ny alalan'ny atrikasa ny tombana fanadihadiana momba ny sakafo, ho an'ny taona 2016—2022. Nivoitra fa mibahana kokoa amin'ny prôtida sy ny lipida sakafon'ny Malagasy ny avy amin'ny zavamaniry... ♦ Handaha-teny amin'ny fihaonana iraisam-pirenena, hatao any Colombie, momba ny fiarovana ny karazan-java-manana aina, ny Minisitra Malagasy, Andonirina Max Fontaine... ♦ Miverina indray ny asan-dahalo ao amin'ny tapany andrefan'ny Distrikan'i Betroka. Manampy trotraka ny olan'ny vahoaka ny fanararaotam-pahefana ataon'ny mpitandro ny filaminana sasany...

Hotsenaina eny amin'ny "Le Wagon" Ambalavao ny Lakroa JMJ sy Ikônan'ny Virjiny Masina, amin'ny Zoma 1 novambra 2024 izao, hoentina amin'ny alalan'ny dia-mivavaka eny amin'ny Katedraly Andohalo. Marihana fa herintaona alohan'ny hamindràna azy any amin'ny Diôsezy handray ny JMJ manaraka indray dia averina amin'ny vovonana Nasiônaly eto Antananarivo aloha ireo famantarana ireo. Fandarahana "onjam-panahy" iarahana amin'i Anna Domoina eto amin'ny RDB.

♦ Mitaky famaliana tsy fanamarinam-baovao na "démenti" amin'ny gazety Kômôriana iray ny mpitondra tenin'ny Governemanta. Fanamarinana tamin'ilay vaovao mivoaka momba ny fifandraisana eo amin'i Madagasiara sy i Comores... ♦ Mety ho lasan'ny mpanohitra ny toeran'ny ben'ny tanànan'Antananarivo fa ho halam-bahoaka izy ireo, hoy ny antoko Teza, raha naneho hevitra amin'ny fandraisan'anjaran'ny fanoherana amin'ny fifidianana amin'ny 11 desambra izao... ♦ Hiverina hiodina ny orinasa Ambatovy. Efa nandeha ny andrana ny faran'ny herinandro teo, amin'ny fandefasana akoran-tany famokarana Nickel sy Cobalt avy ao Moramanga mankany Toamasina...

♦ Toerana maromaro eto Antananarivo indray no nisian'ny fihetsiketsehana alina, hanehoana ny tsy fankasitrahana ny "delestage" ankehitriny... ♦ Nisy ny toromarika nomen'ny CENI ireo rantsamangaikany eny anivon'ny distrika, manoloana ny fisian'ny vondron'olona na kandidà, manao fangatahana "ordonnance" mba afahana miditra anaty lisi-pifidianana... ♦ Miato kely ny fianarana amin'ity herinandro ity, indrindra ho an'ny Sekolim-panjakàna. Maro anefa ireo sekoly tsy miankina no mbola manohy ny fampianarana hatrany... ♦ Nivory maika omaly ny filan-kevi-pilaminan'ny Firenena Mikambana, nandinika ny ady misy any Moyen-Orient...

♦ Mihamafy ary miverimberina hatrany ny fahatapahan'ny herinaratra avy amin'ny Jirama. Maro ireo toerana misedra izany amin'izao fotoanan'ny vaovao izao... ♦ Efa mazava ny toromarika sy torolalana nomena ireo rantsan'ny CENI eny amin'ny Distrika, araka ny fanazavan'ny kaomiseram-pifidianana eo anivon'ity vaomiera ity... ♦ Ao anatin'ny fialan-tsasatry ny Toussaint ny sekolim-panjakana nanomboka androany. Misy kosa ireo sekoly tsy miankina mbola manohy ny fampianarana...

♦ Eokarisita Masina hotanterahana eny amin'ny Katedraly Andohalo no handraisan'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo ny Lakroan'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria... ♦ Nankalazaina ny 27 ôktôbra 2024 ny andron'ny Vikaria Episkôpaly Afovoany, tao amin'ny EKAR Masindahy Louis Mpanjaka Fenomanana... ♦ Hangataka ny famonjena tahaka an'i Bartimé jamba isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony talohan'ny vavaka Angelus ny 27 ôktôbra 2024...

♦ Rain'ny Demokrasia i Profesora Zafy Albert ka tokony ho fakantahaka ho an'ny mpitondra nifandimby hoy ny Praiministra Ntsay Christian, raha ny nitokana ny tsangambato ho fahatsiarovana azy tany Betsiaka, distrikan'Ambilobe ny faran'ny herinandro teo... ♦ Mitohy ny asa fanadiovana sy fanesorana fako ary ny fisokirana ny tatatra amin'ny lakandrano C3 ao Antananarivo-renivohitra, atao asa tanamaro mandritra ny 20 andro ny asa... ♦ Mitsabo manokana ny arati-koditra sy ny koadavareny ny tobi-pitsaboana MERE MARIE SCHININA tanànan-dry Masera any Imerina Imady Ambositra... ♦ Manamafy ny antsony hampitsaharana ny ady amin'ny firenena samihafa ny Papa François manoloana ny fahapotehan'ny hopitaly sy ny sekoly...

♦ Mbola tsy tratra ny zava-voarakitra ao anatin'ny fanambarana iombonana momba ny zon'olombelona tamin'ny 1948, momba ny zo hisakafo. Maherin'ny 730 tapitrisa no miaina anaty hanoanana eran-tany... ♦ Sakana amin'ny fampivelarana ny famokarana solika Bio Diesel ny tsy fisian'ny fenitra momba izany, eto Madagasikara... Mbola tsy ampy 2 tapitrisa ny dabilio ho an'ny sekoly EPP manerana ny nosy. Isan'ny misedra izany olana izany ny EPP Fitroafana Talamaty...

 ♦ Vonona hanohana an'i Madagasikara hanatsaràna ny famatsiana herinaratra ny Governemanta amerikàna. Nisy ny fivoriana sy fanaovana sonia fiaraha-miasa amin'ny tetik'asa Power Africa... ♦ Tsy mitsaha-mitombo ny Malagasy tratry ny aretina ateraky ny fiakaran'ny tosi-drà amin'izao. Efa misy mpianatra 19 taona ankehitriny no efa tratran'izany, araka ny nambaran'ireo mpitsabo... ♦ Zanaky ny sahirana 320 amin'izao no ampianarina sy omen'ny ONG Tsaramanasoa sakafo antoandro isan'andro. Miantso mpiara-miombon'antoka ity Firaisamonim-pirenena mpiaro ny zon'ny ankizy ity... ♦ Notafihan'i Israel alina ny toby fanamboarana missile iraniana...

Alahady faha-30 mandavantaona — B : mpanelanelana sy mpanasitrana mahay miantra i jesoa kristy ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Nanova ny fon'ny olona i Jesoa, ary ny finoana no tena mahasitrana. Jamba ara-panahy isika ka mila mpanasitrana, matevina loatra ny sarona mandrakotra ny fahitana anaty manazava antsika. Saritsarin'Andriamanitra no fahazoantsika an'Andriamanitra izay zary sakana tsy hanompoantsika an'Andriamanitra marina amin'ny fo faly. Ny tena finoana no tena hery mampitsangana hitsena an'i Kristy sy hiara-hiasa amin'ny hafa, tsy olona mibahan-toerana, tsy tia tena fa manao ho zava-dehibe ny antson'Andriamanitra...

♦ Miatrika fivoriambe isan-taona ireo lehiben'ny fikambanan-drelijiozy lehilahy eto Madagasikara... ♦ Nisy indray ny fihetsiketsehana fanoherana ny fahatapahan-jiro teny Anatihazo Isotry, omaly hariva. Hetsika fanindroany teto Antananarivo, tao anatin'ny telo andro farany... ♦ Fitsabahan'ny Fanjakàna Malagasy any amin'ny CAF ny nambaran'ny Ministry ny Fanatanjahantena fa hanaraka akaiky ny fitoriana momba ny lalaon'ny Barea, hoy ny K2HB... ♦ Tafakatra 1.500 ireo olona namoy ny ainy any Liban hatrizay nipoahan'ny ady eto amin'ity firenena ity sy i Israel, Efa maherin'ny 700.000 hatramin'izao ireo nitsoam-ponenana...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...