Alohan'ny fahafito taonany  ny zaza dia efa mahazo sary ny vatany : ny tsy fitoviana eo amin'ny vavy sy ny lahy. Rehefa feno 7 taona ny zaza dia efa manomboka mitombon-tsaina ka afaka mampitombo miandalana ny fitiavany te hahalala zavatra maro : fotoana hidiran'ny an-tsekoly. Rehefa miditra amin'ny fahamaotina ny tanora dia te handray anjara feno amin'ny fiainany ary tia mifanakalo hevitra. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

Tsy ny toe-batana ihany no misy fiovàna lehibe eo amin'ireo tanora fa amin'ny fitiavana indrindra no hisehoany eo amin'ny filan'ny nofo. Eo amin'ny faha-14 taonany ny zazalahy no mahatsapa ny filàna fahafinaretana, indrindra manodidina ny taovam-pananahany, ; ny zazavavy kosa dia mandre izany amin'ny vatany manontolo ary mora miontana mihitsy amin'ny alalan'ny fifampikasohana. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

♦ Manaitra ny CENI sy ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana ny KMF/Cnoe, handray andraikitra amin'ireo fandikan-dalàna misy amin'izao fotoanan'ny fampielezan-kevitra izao... ♦ Fifidianana tsara omana, handraisan'ny rehetra anjara no antoky ny filaminana, hoy ny Filohan'ny CENI, tamin'ny fanokafana ny atrikasa fampiofanana ireo mpampiofana delegen'ny kandidà amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, teny Alarobia androany... ♦ Miteraka fahafatesana olona maro aty amin'ny tany andalam-pandrosoana ny fiakaran'ny tosi-dra ambony, raha ny tatitry ny OMS...

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

♦ Nahitana fahasimbana ny fitaovana fitoeran'ireo antontataratasy saro-pady hampiasaina amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka, ho an'ny Distrikan'i Vohipeno. Nitondra fanamarihana momba izany ny rantsamangaikan'ny CENI any amin'ny Faritra Fitovinany... ♦ Ho hentitra amin'ny fanasaziana ireo mihoa-pefy amin'ny fetin'ny Pantekôty, ny minisitera tompon'andraikitra, miaraka amin'ny ATT sy ny DGRS... ♦ Misy hatrany ny hambana lehibe mahazo ireo mpitarika sendikaly eto Madagasikara. Tsy eken'izy ireo anefa ny teritery sy ny ramatahora...

Hapetraka ho faritra arovana ny ala tapia ao amin’ny kaominina Arivonimamo faharoa sy Miarinarivo faharoa ao amin’ny faritr’i Itasy. Misedra fahasahiranana amin’ny fiarovana ny ala mantsy ny vondron’olona ifotony mitantana ny ala manoloana ny fandripahana amin’ny endriny samihafa...

♦ Efa azon'ireo kandidà, na ny solontenany, alaina eny anivon'ny Distrika misy azy manomboka izao, ny lisi-pifidianana izay nofaranana ny 15 mey 2024. Natao izany mba hanajana ny mangarahara, hoy ny CENI... ♦ Hitondra ny raharaha eny amin'ny fitsarana mahefa, momba ny ambarany ho fandikan-dalàna ataon'ny Filohan'ny Repoblika amin'izao vanim-potoanan'ny fampielezan-kevitra izao, ny Vovonana Firaisankina... ♦ Nitombo hery ilay rivodoza Ialy, saingy mbola lavitra an'i Madagasikara. Vinavinaina ho levona an-dranomasina izy io amin'ny fiandohan'io herinandro io...

Ny fiainan'ny mpivady dia voafaritry ny zavatra maromaro ka ny firindrany dia vokatry ny fifampitondrana sy ny safidy ataony. Isan'ireny ny fanapahan-kevitra hanao ny fandrindram-piterahana manaraka ny rafitra voajanahary. Izany dia manosika ny mpivady hifanakalo hevitra matetika, hifankafantatra ny toe-batana misimisy kokoa. Noho izany ny fifampiresahana mialohan'ny fanapahan-kevitra sy ny fiainana ny safidy niaraha-nanapaka dia simenitra manamafy ny fifankatiavana. Mitaky fandraisana andraikitra hatrany ny safidy izay atao, anisan'izany ny fitsinjovana ny ho avin'ny tokantrano sy ireo taranaka. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny fakam-panahy dia tena misy ary mambabo fa miankina amin'ny tsirairay ny mandresy azy. Ny endriky ny fakam-panahy dia mety ho olona manam-pahefana, manam-bola, manana bika aman'endrika mambabo fo. Raha te ho lasa lavitra dia mila miezaka mandresy ny fakam-panahy. Tsy entam-barotra akory ny vatan'olombelona fa tempolin'ny Fanahy Masina ary manana hasina. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.

♦ Nivadika ho rivodoza ary nahazo anarana ilay faritra andro ratsy ao avaratra atsinanan'ny nosy. Nitombo hery izy ka tany amin'ny 539 km avaratra atsinanan'Antsiranana no nisy ny foibeny tamin'ny 3 ora tolakandro teo... ♦ Miendrika ho fanohanana an-kolaka ny kandidà IRD ny lanonam-pitokanana ataon'ny Filoham-pirenena amin'izao, hoy ny Fiombonana. Nambaran'ity antoko ity fa mandika ny lalàm-pifidianana ny mitokana zava-bita anaty fampielezan-kevitra...

♦ Mirongatra ao amin'ny distrikan'i Betroka amin'izao fotoana izao ny aretina tazomoka, ireo zaza latsaky ny dimy taona teo aloha no tena lasimbatra tamin'izany siangy efa miitatra amin'ny tanora ihany koa ny aretina ankehitriny... ♦ Heverina handalo fankatoavana mandritra ny fivoriana ara-potoanan'ny antenimieram-pirenena ilay fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao hoy ny Ministry ny asa, asa-panjakàna ary Lalàna Sôsialy... ♦  Miisa 450 ireo mpiraki-draharaham-pitsarana ho raisina mandritra ny fanadinana fifaninana tanterahina amin'ity taona ity hoy ny Ministra Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana... 

♦ Nitombo 5,32% amin'ny isan'ireo mpifidy voasoratra anarana anatin'ny lisitry ny mpifidy taorian'ny fanavaozana isa-taona izay nifarana omaly... ♦ Atao fitaratra ho an'i Afrika amin'ny fanatsaràna ny sôsialim-bahoaka i Madagasikara ato anatin'ny dimy taona hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Antsirabe omaly... ♦ Mitohy hatrany ny fampidirana resaka pôlitika amin'ny tontolon'ny fanabeazana hoy ny Konfederasiôn'ny SEMPAMA... ♦ An'arivony ireo olona voatery nafindra monina noho ilay afo sy ny setroka miparitaka vokatry ny firehetan'ny ala ao Fort MC Murray any Alberta, Canada...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...