Alahady faha-34 mandavantaona — B "Fankalazana manetriketrika an’i Jesoa Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao" : ampanjakao ny fahamarinana sy ny fitiavana, dia ho mpanjakantsika i Kristy ; Hosoavina anie Ilay avy amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika. Ity alahady ity no mamarana ny taona litorjika ho an'ny Eglizy katôlika. Efa i Kristy ve no manampahefana tanteraka eo amintsika sa zavatra hafa sa olona hafa, ary sao mba ny zavatra mahadoka ivelany fotsiny?. Tsy hay refesina ny fitiavan'i Kristy ny olombelona, ny fibanjinana an'i Jesoa be voninahitra, izay fiandohana sy fiafarana dia mitondra fahasoavana maro...

  • Sambany indray nilatsaka ny orana teto Antananarivo omaly hariva, rehefa ela no niandrasana azy. Orana artifisialy iny nirotsaka iny, hoy ny fampitam-baovaon'ny Jirama...
  • 20 taona izao no nanamarihan'ny Saleziana Don Bosco ny andro iraisam-pirenena ho an'ny ankizy. Sekoly 13 no niara-nankalaza izany tetsy amin'ny Oratorio Ivato...
  • Misy fiaramanidina 17 efa tsy miasa intsony ankehitriny no mbola miantsona etsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato. Manome 15 andro ny tompony hanalàna azy ireo ny ACM
  • Manasa ny Praiministra Israeliana hitsidika any Hongrie ny filoha Hongrois...

  • 20 taona nanamarihana ny Andro Iraisam-pirenena ho an'ny Zon'ny Ankizy, ny sekoly tantanan'ny Saleziana Don Bosco, Oratorio Ivato. Sekoly miisa 13 no niaraka nankalaza izany androany...
  • Tontosa androany teny amin'ny FIGN Fort Duchesne, ny lanonana ara-miaramila famindram-pibaikoana teo amin'ny lehiben'ny Hery Vonjy Taitran'ny Zandarimariam-pirenena...
  • Isan'ny asa miandry ny Ben'ny Tanàna ho avy eo ny hijery manokana ny trano tokony hipetrahan'ny mpiasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, hoy ny Sendika Mahaleotenan'ny Mpiasa...

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...

Toy ny asa rehetra ihany ny zaitra ka misy ireo liana sy tia manao azy, misy kosa ireo tsy liana ary tsy mahay mihitsy aza. Toy izany koa ny resaka tontolon'ny asa famoronana, azo atao hoe talenta ihany izy io, nefa ihany koa misy ny mianatra sy mandalina azy. Tsy izay rehetra mahay manjaitra anefa no afaka manao asa famoronana lamaody, ary tsy voatery izay mahay mamorona koa dia mahay manjaitra, fa misy kosa anefa ireo izay sady mpanjaitra no mpamorona lamaody ihany koa. Azo sokajiana ho asa tena ny asa fanjairana sy famoronana lamaody. Ny atao hoe asa famoronana moa raha araka ny resadresaka nifanaovana tamin'i Jouany izay miaiana ao anatin'izay tontolon'ny asa famoronana izay dia zavatra tsy fahita eny amin'ny andavan'andro no foronina, avy amin'ny aingam-panahinao.

  • Andrasana hatramin'ny 2 desambra 2024 indray ny fahatongavan'ireo fitaovana sy kojakoja handrafetana ilay groupe voalaza fa hamokatra 105MW...
  • Mason-tsivana tsara hananan'izay ho mpanazatra vaovaon'ny Barea, ny fahaizana mandresy lahatra ireo mpilalao any ivelany, hoy ny mpamakafaka baolina kitra, Fenosoa Razafimamonjy...
  • Nahazo traikefa ireo Malagasy mpandraharaha voasafidy hitsidika sy hiofana tany Frantsa nandritra ny 15 andro...

  • Hifarana anio ety Ivato, rehefa naharitra telo andro, ny fiofanana natrehan'ireo Saleziana tanora miisa 17...
  • Ahiana hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra 0,5% amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Sehatr'asa fahatelo mampidi-bola ao amin'ny kitapom-bolam-panjakana ny tontolon'ny fizahan-tany...

  • Hitarika fidangan'ny vidim-piainana ny fakana hetra amin'ny fandefasam-bola amin'ny finday, hoy ny Profesora Ralison Roger...
  • Hiverina indray ny delestazy eto amin'ny Tambajotra Iraisan'Antananarivo, noho ny olana ara-teknika. Adiny roa isaky ny fahatapahana izany, hoy ny Jirama androany...
  • Nahazo vahana ny doro tanety tamin'ity taona ity, hoy ny eo anivon'ny Minisiteran'ny Tontolo Iainana. Ahitana izany tranga izany avokoa ny 75%-n'ny kaominina eto Madagasikara...

  • Vonona hanohana ny fampitomboana ny voka-bary eto Madagasikara ny tantsaha eto amin'ny nosy. Tsy ankasitrahan'izy ireo ny hanokanan'ny Fanjakàna Malagasy teti-bola goavana hividianana masomboly hampiroboroboana ny voly vary Riz Hybrid...
  • Mananosarotra ny fifehezana ny afo ao Mandraka, Distrika Manjakandriana. Mbola mifarimbona mamono afo ny fokonolona sy ny tompon'andraikitra tao anatin'ny andro maromaro izao...
  • Hatsangana ny antenimieram-paritry ny tanora aty amin'ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Natao teto Madagasikara nandritra ny 2 andro ny fivorian'ny kômity mpanatanteraka...
  • Rava omaly hariva ny governemanta any Mali notarihan'ny sivily. Miaina anaty rafitra tetezamita nanomboka ny taona 2020 ity firenena ity...

Ny olom-pirenena vanona dia ireo maharaka ny zava-misy eo amin'ny firenena, ary tompon'andraikitra mivantana amin'ny fampandrosoana ny tanindrazana. Ny safidy no fanalahidin'ny fandrosoana, amin'ny alalan'ny fifidianana toy izao fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolontsaina izao. Tsy afa-misaraka ny fitiavana sy ny maha olom-pirenena. Antony tsy hisian'ny fandrosoana : ny tsy fahalalana, ny fanambakàna, fampiorohoroana, tsy fahamarinana, kolikoly ary ny tsy fahandriam-pahalemana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Nahavita ny fiofanana fanao isan-taona ireo tanora mpiofana ho Saleziana manao ny fizarana asa avy amin'ireo ankohonam-piainana manerana an'i Madagasikara ; fiofanana nandritra ny telo andro...
  • Nandray ny asany ny PDS vaovao ao amin'ny kaominina Antananarivo-renivohitra. Asa maika hoy Andriamatoa Alexandre Georget ny fiomanana amin'ny fiatrehana ny fotoam-pahavaratra...
  • Tsy mankasitraka ny hitataovana hetra ny fandefasam-bola amin'ny alalan'ny Finday ireo orinasa miisa 3 lehibe misehatra amin'izany. Fanasaziana ny mpanjifa ny fampiharana io fepetra io hoy izy ireo...
  • Mankasitraka ny hitadiavana vahaolana ara-diplômasia miaraka amin'i Israëla momba ny ady ao Liban ny lehiben'ny Hesbolah Libanais Naim Qassem...

  • Ankizy an-tapitrisany no tsy mbola manana kôpia eto Madagasikara, raha ny fantatra nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy...
  • Tontosa ny famindram-pitantanana teo amin'ny PDS Georget Alexandre, sy ny Sekretera Jeneralin'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, Ramatoa Clara Andrianala...
  • Tsy misy fiaramanidin'ny Tafika na an'ny fanjakana ireo fiaramanidina madinika dimy sy helikôptera iray may tety Ivato, fa an'ny orinasa tsy miankina avokoa, hoy ny ACM...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...