Vakiteny voalohany

Boky Fanisana 24, 2-7. 15-17a

Misy kintana hipoitra avy amin’i Jakôba.

Tamin’izany andro izany,
natopin’i Balaama ny masony,
dia nahita an’i Israely nitoby isam-pokony izy,
ary notsindrian’ny Fanahin’Andriamanitra izy,
ka nilaza ny lahateniny nanao hoe:

“Faminanian’i Balaama, zanak’i Beora;
faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony;
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mibanjina ny fahitana avy amin’ny Tsitoha,
izay lavo ka misokatra ny masony:
Endrey ity hatsaran’ny lainao, ry Jakôba!
Ary izato fonenanao, ry Israely!
Midadasika toa lohasaha,
tahaka ny zaridaina amoron’ny ony,
tahaka ny taretra nambolen’ny Tompo,
tahaka ny sedera amoron-drano!

Mitobaka ny rano amin’ny sisiny roa.
Ny taranany mitombo eo amoron’ny rano be dia be.
Ny mpanjakany misandratra ambonin’i Agaga,
ary ny fanjakany mandroso voninahitra.”

Dia nilaza ny lahateniny indray i Balaama, ka nanao hoe:

“Faminanian’i Baalama zanak’i Beora.
Faminanian’ny lehilahy voakimpy ny masony,
faminanian’ilay mandre ny tenin’Andriamanitra,
izay mahalala ny fahaizan’ny Avo indrindra,
izay mibanjina ny fahitan’ny Tsitoha.
Izay lavo ka misokatra ny masony.
Hitako Izy, fa tsy toy ny ankehitriny;
tazako Izy fa tsy mba akaiky.
Misy kintana iray miposaka avy amin’i Jakôba,
tehim-panjaka iray mitsangana avy amin’i Israely.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 24, 4ab-5ab. 6-7bd. 8-9

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy!
Ny soritrao ampianaro ahy!
Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo:
fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao,
izay efa hatramin’ny fahagola!
Ny otako fahazaza, ry Tompo,
hadinoy noho ny hatsaram-ponao!

Tsara sy mahitsy ny Tompo:
ka ny mpanota toroany lalana;
ny ory tarihiny amin’ny hitsiny;
ny ory ampianariny ny lalany.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ho avy ny Tompo, tsenao izy;
Izy no Mpanjakan’ny fiadanana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 21, 23-27

Avy taiza ny batemin’i Joany ?

Tamin’izany andro izany,
rahefa tafiditra tao an-tempoly i Jesoa ka nampianatra tao,
dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe:

“Fahefana avy aiza no anaovanao izao?
ary iza no nahazoanao izany?”

Namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Hanontaniako zavatra iray loha kosa ianareo;
ka raha voavalinareo izany
dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao.
Avy taiza moa ny batemin’i Joany?
avy tany an-danitra sa avy tamin’ny olona?”

Dia nieritreritra ireo ka nanao hoe:

“Raha ataontsika hoe: Avy tany an-danitra,
dia hovaliany hoe: Raha izany, nahoana no tsy nino azy ianareo?
Ary raha ataontsika hoe: Avy tamin’ny olona indray,
ny vahoaka kosa no atahorantsika,
fa ataon’izy rehetra ho mpaminany i Joany.”

Dia izao no navaliny an’i Jesoa:

“Tsy fantatray.”

Ary hoy Izy taminy:

“Izaho koa àry,
dia tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao.”

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Tapaka ny lalana eo Ifasy, lalam-pirenena faha-6, raha vao midina ny rano dia hiroso amin'ny fanamboarana ny orinasa COLAS...
  • Nihemotra ka hitohy hatramin'ny faha 4 desambra izao ny fangalana ny "ordonnance" ahafahana misoratra anarana anaty lisim-pifidianana...
  • Mangataka amin'ny fitondram-panjakàna hanafaingana ny famoahana ny didim-panjakàna fampiharana momba ny lalàna fototra mifehy ny fanabeazana ireo fiarahamonim-pirenena misehatra amin'ny fanabeana mampiaty...
  • Nanamafy ny antso hisian'ny fandriam-pahalemana any Proche-Orient ny Papa François ; miaina anaty krizy pôlitika efa am-bolana maro ny any Liban...

Vakiteny voalohany

Bokin’i Sôfônia Mpaminany (Sôf. 3, 14-18e)

Haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao ny Tompo.

Mihobia, ry zanakavavin’i Siôna!
Manaova feo firavoravoana, ry Israely!
Mifalia sy mireharehà amin’ny fonao rehetra, ry zanakavavin’i Jerosalema.
Fa ny fitsarana nanameloka anao nesorin’ny Tompo,
ny fahavalonao nentiny nihodivitra anao.
Ny Tompo, Mpanjakan’i Israely, no eo aminao, ka tsy hahita loza intsony ianao.
Amin’izany andro izany, izao no holazaina amin’i Jerosalema:

“Aza matahotra, ry Siôna, ary aza miraviravy tanana!
Ny Tompo Andriamanitrao no eo aminao, Mpamonjy mahery!
Ary Izy haneho ny hafaliany lehibe noho ny aminao;
hangina Izy amin’ny fitiavany;
noho ny aminao dia hisebiseby amin’ny hobin-kafaliana.
Hovorîko ireo latsaka am-pahoriana, tsy mahita fety lehibe hankalazaina”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 12, 2-3. 4bde. 5-6

Miantsoa mafy ary miravoravoa, fa lehibe eo afovoanao ilay Masin’i Israely.

Endrey! Andriamanitra no famonjena ahy:
tsy matahotra intsony aho fa matoky!
Eny, fa ny Tompo no hery sy tanjako,
Izy no famonjena ahy.

Am-piravoravoana ianareo no hanovo amin’ny loharanom-pamonjena,
ka izao no ho teninareo amin’izay andro izay:
Derao ny Tompo, antsoy ny Anarany torio ny vahoaka ny asany vaventy,
ny haavon’ny Anarany ambarao!

Antsao ny Tompo fa naneho fiamboniana:
ataovy antso avo izany eran-tany tontolo.
Mientàna, mihobia, ry mponina ao Siôna,
fa lehibe eo anivonao ny Masin’i Israely.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 4, 4-7)

Akaiky ny Tompo.

Ry kristianina havana, mifalia mandrakariva ao amin’ny Tompo;
eny, averiko indray: mifalia e!
aoka ho fantatry ny olona rehetra ny hamoram-panahinareo:
efa akaiky anie ny Tompo e!
Aza manahy na inona na inona;
fa ambarao an’Andriamanitra, amin’ny fivavahana amam-pifonana ary fisaorana,
izay rehetra ilainareo na amin’inona na amin’inona.
Hiaro ny fonareo sy ny sainareo ao amin’i Kristy Jesoa anie
ny fiadanan’Andriamanitra, izay mihoatra ny fahalalana rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo: nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 3, 10-18)

Inona àry no hataonay?

Tamin’izany andro izany, nanontanian’ny vahoaka i Joany nataony hoe:

“Inona àry no hataonay?”

Dia namaly izy ka nanao hoe:

“Izay manana akanjo roa dia aoka hanome ny tsy manana;
ary izay manan-kanina dia aoka hanao toy izany koa”.

Ary nisy poblikanina nanatona hataony batemy koa, ka nanao taminy hoe:

“Inona no hataonay, ry mpampianatra ô?”

Dia hoy izy taminy:

“Aza mampandoa mihoatra noho izay nasaina alainareo”.

Ary nisy miaramila koa nanontany azy hoe:

“Ary izahay kosa, inona no mba hataonay?”

Dia hoy ny navaliny azy:

“Fadio ny fanaovana an-keriny sy ny fitorohana,
ary mahaiza mianina amin’izay karamanareo”.

Ary raha mbola niandry ny olona, sy samy nisaina tao am-pony fa i Joany angaha no Kristy,
dia niteny i Joany ka nanao tamin’izy rehetra hoe:

“Izaho manao batemy anareo amin’ny rano, fa avy Ilay mahery noho izaho,
ary tsy mendrika hanala ny fehikapany akory aho:
Izy no hanao Batemy anareo amin’ny Fanahy Masina sy ny afo;
eny an-tanany ny fikororohany ary hodioviny ny famoloany,
ka ny vary hangoniny ao an-tsompitra,
fa ny mololo kosa hodorany any amin’ny afo tsy mety maty”.

Fananarana maro hafa koa no nentiny nitory ny Evanjely tamin’ny olona.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

  • Tafaverina eto Madagasikara omaly alahady ireo varika miisa 16, ampahany tamin'ireo 48 nahondrana an-tsokosoko tany Thaïlande...
  • Misy mikasa haka ny tanin'ny mponina manodidina ny 200 hektara etsy amin'ny lemak'i Laniera...
  • Nandrombaka ny amboaran'i Afrika teo amin'ny taranja Basket-ball lalaovin'olona 3, ny ekipam-pirenena Malagasy Ankoay...
  • Maherin'ny 400 ireo olona namoy ny ainy tany Alep faritra avaratr'i Syrie vokatry ny asa fampihorohoroana natoan'ny mpihoko any an-toerana izay tohanan'i Turquie...

  • Misy azo amboarina hifanaraka amin'ny filàn'ny vahoaka ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàana 2025 hoy ny firaisamonim-pirenena CCOC...
  • Nankasitraka ny fanapahan-kevitry ny Fanjakàna nanala ny fepetra nampiato ny sehatr'asan'ny orinasa Base-Toliara nanomboka ny taona 2019...
  • Tanterahana ao Fenoarivo-Atsinanana androany ny fanamarihana ny andiany faha-19 amin'ny androm-pirenena ho an'ny fanjariantsakafo, anombohana ihany koa ny fankalazana ny faha-20 taonan'ny ONN...
  • Nomarihana omaly any andro iraisam-pirenena ho firaisan-kina amin'ny vahoaka palestiniana. Fankalazana fanao isan-taona nanomboka ny taona 1977...

Alahady voalohany fiavian’ny tompo – taona D : ho avy i kristy amin’ny farandro ; Asehoy anay, ry Tompo ny famindram-ponao! ary omeo anay ny famonjena avy aminao. Miditra amin'ny fotoanan'ny fiaviana isika izay fotoana mialoha ny fankalazana ny nahaterahan'i Jesoa Kristy, izany hoe afaka herinandro efatra. Mampalahelo fa ny fiverenan'i Jesoa kristy dia ampifandraisintsika amin'ny loza hitranga amin'ny fiafaran'izao tontolo izao, ny voalazan'ny Evanjely anefa nambara mba hankahery antsika sy hampifoha. Jesoa ilay ho avy no fahazavana lehibe, anefa tsy maintsy mivonona isika, amim-bavaka sy amim-pinoana...

  • Nolanian'ny solombavambahoaka alina tamin'ny endriny tsy nasiam-panitsiana sy tsy nasiam-panovana ilay volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakàna 2025 ; solombavambahoaka 118 tamin'ny 119 nifidy no nandany izany...
  • Tsy ampy hoy ny firaisamonim-pirenena CCOC ny teti-bola natokana ho an'ny sôsialy ao amin'io volavolan-dalàna io. Nitaky ny hanaovana laharam-pahamehana ny fitsinjaram-pahefana ihany koa izy ireo tamin'ny fanambarana nataony omaly...
  • Mampiantrano ny fiadiana ny amboaran'i Afrika taona 2024 amin'ny taranja basket-ball 3x3, lahy sy vavy, i Madagasikara. Lalao iraisam-pirenena tanterahana eny amin'ny lapan'ny fanatanjahan-tena sy ny kolontsaina eny Mahamasina hatramin'ny rahampitso. Nibata fandresena avokoa ny ekipa malagasy tamin'ny andro voalohany omaly...

  • Nankalaza ny androm-pirenena ho an'ny fanabeazana mampiaty, andiany fahefatra, isika teto Madagasikara androany...
  • Mafy ny ambana mahazo ireo zaza sy ankizy manana teo-batana varira, any amin'ny tapany atsimo atsinanan'ny nosy. Misy hetsika tolo-tanana hanampiana azy ireo, atao eny amin'ny Tranombokim-pirenena, hatramin'ny sabotsy 30 nôvambra 2024...
  • Nanomboka androany eny amin'ny Lapan'ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena Mahamasina, ny fiadiana ny amboaran'i Afrika eo amin'ny taranja Basketball lalaovin'ny olona telo...

  • Miomana amin'ny fandraisana ny Eveka vaovao, Mgr Marcellin Randriamamonjy, ny Diôsezin'i Farafangana...
  • Nanatanteraka fihaonambe fanao isan-taona nandritra ny hateloana, ny Vaomiera misahana ny fampanjariana ny Rariny sy ny Fiadanana tao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Torio an-kafaliana ny Evanjely, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana nataony nandritra ny Audience générale, ny alarobia 27 nôvambra 2024...

Anisany mbola vitsy mpahalala ny mahakasika ny fianarana sy ny tontolon'ny asa sôsialy. Tsara ny manamarika fa tsy asa soa ny asa sôsialy fa fanampiana ary ihany koa fikatsahana ny fampivoarana sy hampiroborobo ny fiovana eo amin'ny maha olona sy ny tontolo ara-tsôsialy, ny famahana ny olana mifandraika amin'ny fifandraisan'ny olombelona, ny fahaiza-manao ary koa ny fanafahana ny tsirairay na vondron'olona mba hanatsarana ny fiainany amin'ny ankapobeny.

  • Misy ireo tompon'andraikitra eto amin'ny firenena no mialangalana amin'ny fampiharana ny lalàna, rehefa amin'ny vanim-potoanan'ny fifidianana tahaka izao, hoy ny AVG...
  • Entina amin'izao vaovao izao ny akon'ny Fihaonamben'ny mpikambana Justice et Paix ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe...
  • Zaza manana toe-tena varira avokoa ny 67 amin'ireo zaza zato taizana ao amin'ny ivon-toerana iray ao Farafangana...

  • Hiodina aorian'ny 14 volana ny orinasa Base Toliara, hoy ny Minisitry ny Harena an-kibon'ny tany. Mbola misy kosa ireo manohitra ny fisokafany...
  • Hampahafantarina amin'ny fomba ôfisialy amin'ny fiandohan'ny taona 2025 ny paikadim-pirenena vaovao, iadiana amin'ny kolikoly...
  • Nampiaka-peo amin'ny tsy fisian'ny fiaraha-miasa amin'ny Minisitera mpiahy, ny Kômity Olaimpika Malagasy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...