♦ Hotanterahana anio manomboka amin'ny 10 ora maraina eny anoloan'ny Lapan'ny Tanàna Analakely, ny lanonam-panokafana fankalazana ny fetim-pirenena sy ny fetin'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Hampahafantarin'ny Minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo anio amin'ny 10 ora maraina eny Tsimbazaza, ny teti-bolam-panjakana nasiam-panitisana... ♦ Andro faharoa ho an'ny hairanty ho an'ny sehatra tsy mainkina misahana ny fahasalamana ny anio. Tanjona amin'izany ny fanatsarana ny fitsaboana...

Ny fampihenàna ny fampiasàna arona sy fonosana plastika dia laharam-pahamehana ho an'i Madagasikara mba ahafahana miaro kokoa ny karazan-java-mananaina izay tokana sady sarobidy eo aminy. Noho izany dia mila ezaka bebe kokoa hatrany eo amin'ny haitaky amin’ny fampiharana ny lalàna 2017-010 ny 3 jona 2017, ny famporisihina ireo sehatra tsy miankina amin’ny fampiroboroboana ny famokarana vokatra vaovao sady maharitra mahasolo ny arona sy ny fonosana plastika, ary ny fanentanana ireo mpiray tanindrazana hirona bebe kokoa amin’ny fampiasàna ireo vokatra mahasolo ny plastika. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Maro ny sakana mahatonga ny olona tsy ho afaka mivavaka. Misy ohatra ny fahajambana no manahirana azy, kanefa raha ny maso no nanahirana dia misy fomba hafa toy ny fampiasana ny sofina. Samy manana ny sakana tsy hahafahany mivavaka ny tsirairay ; mety ho olona no manakana, mety ho ny fotoana, na asa, na fahazarana sy fiankinan-doha amin'ny zavatra. Tsy mitovy ny hoe "kamo mivavaka" sy ny tsy manam-potoana. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Nitsangana androany ny Kômity Miaro ny Safidim-bahoaka. Fitoriana telo sosona no hapetraky ny Vovonana Firaisankina, noho ny ambaran'izy ireo fa hosoka sy fanodikondinana ny safidim-bahoka, tamin'ny fifidianana teo... ♦ Manoso-kevitra ny hamoahan'ny CENI ny voka-pifidianana isaky ny birao fandantsaham-bato ny KMF/Cnoe. Namoaka fanambarana androany ity kômity ity, manoloana ny toe-java-misy eto amin'ny firenena...

♦ Manohy ny fivoriana ara-potoana voalohany nihato nandritra ny fampielezan-kevitra indray ny solombavambahoaka eny Tsimbazaza androany. Hotapahana mandritra izany ny tohin'ny fandaharam-potoana... ♦ Hanangana amin'ny fomba ôfisialy ny Kômity Miaro ny Safidim-Bahoaka na ny KMSB ny Vovonana firaisan-kina. Mivory eny Ambohimanambola ireo kandidàn'ny Firaisan-kina rehetra manerana ny nosy, tamin'ny fifidianana solombavambahoaka... ♦ Manohana an'i Madagasikara amin'ny fampiroboroboana ny fambolena indrindra fa ny voly vary ny fitondrana Koreana tatsimo. Vita sonia omaly ny fifanarahana momba izany... ♦ Niaiky ny maha tompon'antoka azy ireo tamin'ny fanafihana sekoly nandray mpitsoam-ponenana ny palestiniana...

13 jona 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Vakiteny voalohany

Boky voalohan’ny Mpanjaka (Mpanj. 18, 41-46)

Nivavaka i Elia, ary nanome orana ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, hoy i Elia tamin’i Akaba:

“Miakara hihinana sy hisotro, fa injay reko ny fisasasasan’ny orana.”

Dia niakatra hihinana sy hisotro i Akaba,
fa i Elia kosa niakatra ho any an-tampon’i Karmela,
sady niondrika tandrifin’ny tany, no nanao ny tarehiny tao anelanelan’ny lohaliny,
ary nilaza tamin’ny mpanompony hoe:

“Miakara kely, tazano ny arý amin’ny ranomasina.”

Dia niakatra ilay mpanompo, ka nony nitazana, dia nanao hoe:

“Tsy misy na inona na inona.”

Ary hoy i Elia:

“Miverena koa impito.”

Nony tamin’ny fanimpitony, dia hoy izy:

“Indro misy rahona kely hoatra ny felatanan’olona miakatra avy eny amin’ny ranomasina.”

Ka hoy i Elia:

“Mandehana lazao amin’i Akaba hoe:
Amboary ny kalesinao, dia midìna mba tsy hahatraran’ny orana anao.”

Vetivety foana dia maintin’ny rahona sy ny rivotra ny lanitra,
dia latsaka ny oram-be,
ary i Akaba nitaingina ny kalesy ka niverina tany Jezrahela.
Ary teo amin’i Elia ny tanan’ny Tompo ka nisikina izy,
dia nihazakazaka teo alohan’i Akaba,
hatrany amin’ny fidirana any Jezrahela.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Setriny

Salamo 64, 10abde. 10f-11. 12-13

Mendrika Anao, ry Andriamanitra ny dera ao Siôna.

Tonga Ianao ka mamangy ny tany.
Dia nanondraka rano sy harena:
Dibo-drano ny onin’ny lanitra
hahavokatra izay hojinjaina.

Dia nokolokoloinao ny tany:
Ny vava asa voatondrakao rano;
ka ny bainga narovanao tsara,
izay nafafy notsofinao rano.

Ary zina ny taona tontolo,
fa nandalo tokoa izany, Tompo;
dia ho lonaka erý ny tanety,
ny havoana mirenty haravoana.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)

Izay rehetra mitezitra ny rahalahiny dia hohelohina amin’ny fitsarana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe:

“Raha tsy lehibe noho ny an’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina ny fahamarinanareo
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory ianareo.
Efa renareo fa voalaza tamin’ny ntaolo hoe:
Aza mamono olona, ary izay mamono dia hohelohina amin’ny fitsarana.
Fa Izaho kosa milaza aminareo fa izay rehetra mitezitra ny rahalahiny
dia hohelohina amin’ny fitsarana;
ary izay hanao aminy hoe Rakà dia hohelohina amin’ny Sanedrina;
ary izay manao azy hoe Foka, dia hohelohina amin’ny gehen’afo.
Koa raha manatitra ny fanatitrao eo amin’ny ôtely ianao,
ka eo vao mahatsiaro fa manana alahelo amin’ny rahalahinao,
dia avelao eo amin’ny ôtely aloha ny fanatitrao,
ka mandehana mihavana amin’ny rahalahinao vao miverina hanolotra ny fanatitrao indray.
Mihavàna faingana amin’izay manana ady aminao,
dieny samy mbola eo an-dalana ianareo,
fandrao atolotr’izay manana ady aminao amin’ny mpitsara ianao,
ary ny mpitsara kosa hanatitra anao amin’ny mpamatotra ka hatao an-tranomaizina ianao.
Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy ho afaka ao mihitsy ianao,
ambara-pandoanao ny variraiventy farany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Anjaran'ny olom-pirenena no manomana ny ho aviny, azy ny safidy ary izy no tompon'andraikitra amin'izay mety ho voakatry ny safidiny. Herisetra ny fanerena ny olona amin'ny safidiny amin'ny alalan'ny fanomezana isan-karazany, indrindra raha vao miteraka fahavoazana ho an'ireo hiarany. Ny mamaritra ny ho avin'ny tsirairay dia mifototra amin'ny safidy hatrany, amin'ny sehatra rehetra. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

♦ Nanazava ny toe-java-misy any Faratsiho manoloana ny fifidianana solombavambahoaka farany teo ny kandidàn'ny Firaisan-kina Ramilison Nomenjanahary. Tsy mankasitraka ny fanodikodinana ny safidim-bahoaka izy... ♦ Tonga teny amin'ny CENI nangataka fampitahana ny voka-pifidianana koa ny kandidà avy amin'ny Vovonana IRMAR. Mbola manantena ny hanao poa-droa ao amin'ny boriborin-tany fahadimy ny kandidà Naivo Raholdina... ♦ Hiady amin'ny Aflatoxine singa voajanahary mitondra poizina amin'ny voly maro toa ny voanjo sy ny katsaka ny ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana. Poizina loza mitatao amin'ny fahasalam'ny mpanjifa... ♦ Mandinika ny fifanarahana ampitsaharana ny ady eo aminy sy ny Israeliana ny Hamas...

Ireto misy fomba fiteny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vavaka : ny vavaka manova zavatra ; hafa ihany ny mivavaka ; mitolona am-bavaka ; tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao ho an'izay mino ; fara hery sisa ny vavaka ; midika izany  mahavita zavatra tsy takatry ny herintsika Izy Andriamanitra ary tena henon'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Misy ezaka ny fitadiavana an'Andriamanitra, tsy azo atao ny mora kivy. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.

♦ Tsy marina fa fanosoram-potaka no nataon'ny kandidà Lalatiana Rakotondrazafy ny kandidà Ramilison Nomenjanahary, tamin'ny fahitalavitra tsy miankina iray... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efatra andro eny amin'ny Canal Olympia Andohatapenaka, ilay fampirantiana SIAE Salon International des Acteurs Économiques, andiany fahatelo... ♦ Loza mananontanona amin'ny fahasalaman'ny mpanjifa eto Madagasikara ankehitriny, ny fisian'ny singa voajanahary Alfa toxine, miteraka poizina amin'ny voly maro...

♦ Hiverina hamaritra ny fandaharam-potoana sy ny lahadinika amin'ny fivoriana ara-potoana rahampitso alakamisy 6 jona 2024, ny eny amin'ny Antenimieram-pirenena Tsimbazaza... ♦ Mikasa ny handray fepetra amin'ny solombavambahoakan'i Vohipeno ka hanala azy tsy ho filohan'ny CIAD ireo ampahany amin'ny Ben'ny Tanàna any amin'ity distrika ity. Anton'izany ny tsy fahombiazany tamin'ny fifidianana... ♦ Miisa 13 ireo Faritra miroso amin'ny fihangazanana eto Madagasikara ka mila hamafisina ny fandraisana andraikitra hoy ny Ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Hivahiny any Frantsa nanomboka androany hatramin'ny alahady izao ny filoha amerikana Joe Biden...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...