16 jona 2024 — Alahady Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)
♦ Namoaka ny voka-pifidianana vonjimaika eny amin'ny Foibeny eny Alarobia ny CENI nanomboka ny maraina teo. Nahiliny any amin'ny HCC ny fanapahan-kevitra momba ireo fitoriana tsy fahatomombànana sy tsy fanarahan-dalàna samihafa... ♦ Nampiaka-peo ny Randrana Sendikaly ny amin'ny solontenan'ny Sendikà mitondra ny fitakian'ny mpiasa malagasy amin'ny Foiben'ny OIT any Génève. Mandika ny lalàna velona ny Ministeran'ny asa tamin'ny nanendrena izany solontena izany, hoy izy ireo... ♦ Hiatrika ny fifanitsanana "Mondial 2026" amin'i Mali indray anio tolak'andro ny Barean'i Madagasikara. Karazana lalao famaranana io lalao io hoy i Titi Rasoanaivo, ary tsy misy ifandraisany amin'ny endri-dalao tamin'ny Comores mihitsy...
Bokin’i Ezekiela Mpaminany (Ez. 17, 22-24)
Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:
“Hangalako ny tendron’ny sedera avo, ka hamboleko;
holaingosako ny sampany milenodenoka amin’ny loha rantsany,
ka hamboleko eo antampon’ny tendrombohitra avo sy manerinerina.
Eo amin’ny tendrombohitra avon’i Israely no hamboleko azy;
handrantsana sy hamoa izy, ary ho tonga sedera mahatalanjona
honenan’izao fody amam-boromadinika rehetra izao eo amboniny,
honenan’ny vorona rehetra eo amin’ny alokaloky ny rantsany.
Ary ho fantatry ny hazo rehetra any an-tsaha,
fa Izaho Tompo efa nanetry ny hazo avo, ary nanandratra ny hazo voaetry;
nahamaina ny hazo maitso, ary nahamaitso ny hazo maina.
Izaho Tompo no niteny, ary Izaho no hanatanteraka.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 91, 2-3. 13-16
Tsara ny misaotra ny Tompo,
ny miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra,
ny mitory ny fitiavanao vao maraina
sy ny fahamarinanao raha alina.
Ny olo-marina mamololona toa antrendry,
misandratra avo toa sederan’i Libàna;
ao an-tranon’ny Tompo izy no maniry,
an-kianjan’ny Andriamanitsika no manorobona.
Na antitra aza izy mbola mamokatra,
milenodenoka, ho ranon-kazo:
ka maneho fa mahitsy ny Tompo;
ao amin’ilay Vatolampiny, rariny avokoa.
Taratasy faharoan’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (2 Kôr. 5, 6-11)
Ry kristianina havana, noho izahay manana toky mandrakariva,
sady mahalala fa lavitra ny Tompo izahay raha mbola mitoetra amin’ny vatana
(satria finoana moa no andehanantsika, fa tsy fahitana),
dia izany toky izany no itiavanay kokoa ny miala amin’ny vatana,
mba hitoetra eo akaikin’ny Tompo.
Ary izany ihany koa no ikelezanay aina, mba hankasitrahin’ny Tompo,
na mitoetra amin’ny vatana izahay na miala aminy.
Fa isika rehetra dia samy tsy maintsy hiseho amin’ny fitsaran’i Kristy,
mba handraisantsika tsirairay avy,
izay tandrifin’ny asantsika fony mbola tao amin’ny vatana,
na soa na ratsy izany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandrina izay nolazain’ny Zanakao.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 4, 26-34)
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny lehilahy anankiray mamafy voa amin’ny tany,
ka izy matory sy mahatsiaro isan’alina sy isan’andro,
ary ny voa mitsimoka sy mitombo, nefa tsy fantany izay faniriny;
fa mahavokatra ho azy ny tany, ka tahony no voalohany,
dia salohiny no manarakaraka, vao ventim-bary amin’ny salohiny no farany.
Ary rehefa vokatra dia jinjaina miaraka amin’izay,
satria tonga ny taom-pijinjana”.
Ary hoy indray Izy:
“Amin’inona no hampitahantsika ny Fanjakan’Andriamanitra,
ary fanoharana inona no hanehoantsika azy?
Tahaka ny voantsinapy izy,
izay kely indrindra amin’ny voa rehetra ambonin’ny tany raha vao afafy,
fa tonga lehibe indrindra amin’ny anana rehetra kosa rehefa voafafy sy mitombo,
ary mandrantsana vaventy ka azon’ny voro-manidina ialofana ny alokalony”.
Dia fanoharana maro toy izany no nitoriany teny taminy,
araka izay takatry ny sain’izy ireo.
Ary tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana Izy,
fa nony mangingina vao nanambara tamin’ny mpianany ny hevitr’ireo rehetra ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao, ny toetra sy ny fihetsika dia ny fanao mahazatra, fomba fiheverana mirakitra fahendrena, maneho ny maha izy azy ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny riba dia maneho zavatra sarobidy ao anatin'ny fiaraha-monina ; misy toetra sy fihetsika mifototra tamin'ireo hafatra napetrak'ireo razambe teo aloha, iombonan'ny besinimaro ary hifandovana. Ny Riba dia mivoatra araka ny vanim-potoana, izany hoe misy ny "riba tranainy na ela" sy ny "riba vao" ; ohatra ny famorana dia ny rain-jaza no nanatanteraka azy taloha fa ankehitriny dia efa mpitsabo nianatra manokana ; izany hoe hatarafana ny fomba taloha sy ny vao. Iray ihany ny RIBA sy ny FOMBA, KOLOTSAINA...
♦ Hamoaka ny voka-pifidianana vonjimaika tamin'ny fifidianana solombavambahoaka teo ny CENI anio. Arahin'ny maro ny mety hisian'ireo fitsimbadihana, oharina tamin'ny fironam-bokatra nivoaka farany... ♦ Samy namoaka fanambaràna omaly ny vovonana pôlitika IRMAR sy ny kôlektifa an'ny Malagasy, noho ny zava-misy taorian'ny fifidianana solombavambahoaka farany teo... ♦ Lany tsy nasiam-panovàna teny Tsimbazaza ny lalàna momba ny fanitsiana ny teti-bolam-panjakàna 2024. Tsy nisy ny nitsipaka izany ireo solombavambahoaka 64 nanatrika ny fivoriana itambaram-be... ♦ Tsy niandry ela fa hanomboka sahady ny zotra-pifidianana amin'ny fifidianana solombavambahoaka mialohan'ny fotoana any Frantsa...
Fomba sy lovam-panahy ho an'ny kristiana ny vavaka satria maka tahaka an'i Jesoa kristy ny tena kristiana, jesoa nivavaka ; ny Apôstôly àry dia nangataka mba hampianarina hivavaka. Ny vavaka rehetra ataon'ny Kristiana, na iombonana na samirery, dia mandalo ao amin'i Jesoa avokoa. Ny vavaka dia firesahana mivantana amin'Andriamanitra, eo no angatahina ny fitarihan'ny Fanahy Masina, izay manohana antsika. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
♦ Miantso ny olom-pirenena tsy haniky ny tsy fanarahan-dalàna sy ny hala-bato hakana fahefana, ny kandidà Solombavam-bahoakan'ny Kôlektifan'ny Malagasy... ♦ Melohin'ny kandidà Solombavam-bahoaka IRMAR ny filazana fa nisy ny hala-bato nandritra ny fifidianana Solombavam-bahoaka farany teo, kanefa tsy mitondra porofo any amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana, ireo izay niharan'ny hala-bato... ♦ Nolanian'ny Solombavam-bahoaka tsy nasiam-panitsiana ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2024...
♦ Nankahery ireo kristianina 70 mianadahy nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana nandritra ny fankalazana ny Fo Masin'i Jesoa, mpiaro ny Katedraly ao Morombe, i Mgr Jean Désiré Razafinirina... ♦ Meteza ho afaka toa an'i Jesoa isika, hoy ny Papa François, tamin'ny fampianarana mialoha ny vavaka Angelus omaly... ♦ Nanentana ny fianakaviambe iraisam-pirenena, ny Papa François, mba hanao izay ho afany amin'ny fitondrana ny fanampiana ilain'ny mponina, lasibatry ny ady, ao amin'ny faritra Gaza...
♦ Hamafisina ny ady amin'ny famongorana ny fakana an-keriny any amin'ny distrikan'Amparafaravola. Nidina tany Morarano Chrome tamin'ny faran'ny herinandro teo ny avy amin'ny EMMO NAT... ♦ Tsy afaka manao fanalefahana ara-ketra amin'ireo entana afarana avy any ivelany ny fitondram-panjakàna, ahiana hiakatra noho izany ny vidin'entana avy any ivelany ato ho ato... ♦ Mangataka ny hanafoanana ny lalàna nivoaka ny voalohan'ny volana jolay 2021 izay mametra ny vola vahiny azo entina any ivelany, ho 10.000 Euro, ireo mpandraharaha mpanafatra entana any Chine... ♦ Takalon'aina Israeliana 04 isa no votsotra teo am-pelantanan'i Hamas ny sabotsy teo, vokatry ny fanafihana nataon'ny kômandô Israeliana...
Toy ny antso miainga avy ao am-pon'nizay mino ny vavaka, miampita any amin'Andriamanitra, ao anatin'ny fitokisana tanteraka. Ny olona manam-pinoana no mivavaka, ary ny vavaka no mampisokatra ny mino any amin'Andriamanitra, hizarana ny manjo sy hanantenana izay angatahina. Raha mivavaka isika dia miresaka amin'Andriamanitra, ilaina ny fahatoniana, izany hoe miala amin'ny tabataba mba ho afaka hifantoka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.
Misy olana hatrany aorian’ny fifidianana eto Madagasikara. Tsy ampy ny fifanajana eo amin’ny samy mpifidy, eo amin’ny samy kandidà satria samy mangetaheta vola sy voninahitra avokoa. Tsy maintsy miova ara-moraly isika raha te hampandroso ny firenentsika: ireo tompon’andraikitra amin’ny “administration”, ireo mpiasam-panjakana isan-tsokajiny... Be dia be koa ny lesoka ataon’ny mpanao politika, manararaotra loatra. Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny finoana dia fahasahiana miantso an'Andriamanitra, ary ny tsy fahampian'ny finoana dia ny faharerahana miantso. Ny olona tsy manam-pinoana no miaritra ny olana amim-pahanginana, anatin'ny vavaka no vahaolana. Ny olona manam-pinoana dia olona manam-paharetana tahaka an'i Bartime. Ny voary rehetra dia mangetaheta an'Andriamanitra daholo, ary samy miantso sy mitady ny vonjy avy Aminy avokoa. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco