♦Namaranana ny fivahininana Masina Nasiônaly nanamarihana ny taon-jaobilin'ny fanantenana tany Ampefy omaly ny hafatra avy amin'ireo Ray aman-dreny Eveka ho an'ny Kristianina indrindra ny Katôlika... ♦ Vokatra 12 eto Madagasikara amin'izao no efa misitraka ny fepetra fiarovana avy amin'ny ANMCC noho ny fitobaky ny famokarana avy any ivelany... ♦ Nahatratra 45 ireo tranga fahaverezana ankizy tsy ampy taona tao anatin'izay 5 volana voalohan'ny taona 2025, raha ny tarehimarika navoakan'ny eo anivon'ny Polisim-pirenena... ♦Lany ho filoham-pirenena Roumanie i Nicursor Dan nandritra ny fifidianana ny faran'ny herinandro teo...

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...