Ny ohabolana dia karan-dahabolana Malagasy ary iombonan'ny Malagasy rehetra, lahabolana efa nisy tamin'ny faha-Ntaolo ary mbola ampiasaina ankehitriny. Ny ohabolana dia mety ho fehezan-teny tsoa-tokana na mifamaly rafitra, indrindra ara-kevitra, hatarafana fananarana sy fanabeazana ary fampitàna hafatra, atao an'ohatra. Mbola azo atao ny mamorina ohabolana ankehitriny rehefa hatarafana ireo fepetra voalaza etsy aloha. Manomboka amin'ny sakan-jaza no miakatra dia afaka manao izany ohabolana izany...

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...