Ny finoana dia mampisy ny tsy misy ary ny vavaky ny maro mampisy fanantenana ; ny fahaiza-mihaino dia tena fototra tsara mahatsara ny fiaraha-monina, manampy azy ny fifanakaikezana am-po. Misy fetra ny fizahozahoana sy ny tanjaka, ary mety hakasika ny taranaka ny voka-dratsiny. Valio soa ireo izay manao ratsy anao fa singa mahasoa ny fiaraha-monina, ny asa ary ny firenena ny ezaky ny tsirairay... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

[Miara-dàlana] Zoma 18 septambra 2026

• Nomarihana ny sabotsy 12 sy alahady 13 septambra 2026 teo ny faha-50 taonan'ny Fiombonan'ny Mpanokatena ao amin'ny Arsidiosezin'i Fianarantsoa... • Manentana amin'ny fanorenana ny fianakaviam-ben'ny olombelona, amin'izao vanim-potoanan'ny saina voatran'olombelona izao, ny Papa Léon XIV... • Miantso ny mpino, handray andraikitra amin'ny fifidianana ny eveka any Bosnie...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...