♦ Nanamarika ny taon-jaobily 2025 ny teny amin'ny Nonciature omaly. Fotoana nifampiarahaban'ireo Corps Diplomatiques tamin'ny nahazoana ny Papa vaovao... ♦ Ny Faritra Diana ao Nosy-Be indray no handray ny filan-kevitry ny ministra amin'ity anio ity, taorian'ny tany Mahajanga sy Toliara. Isanyho resahina mandritra izany ny olan'ny famatsiana herinaratra misy any an-toerana... ♦ Ilaina fanazavana ny teti-bolam-panjakàna hoy ny solombavambahoaka Hanitra Razafimanantsoa. Tsy voatery tsy maintsy hisy fanovana entina ny LFR, araka ny lalàna hoy ny solombavambahoaka sady mpahay lalàna Imbiky Herilaza...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...